Asombola

Ny Asombola no vintana fahenina amin' ny fanandroana malagasy.

Ny Alahasaty no eo alohany ary ny Adimizana no manaraka azy. Ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy.

Asombola
Vola

Fiavian' ilay anarana

Fiavian' ilay anarana

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan'ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe السنبلة / As-Sumbul ("virjina") ny hoe Asombola.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Virgo na amin' ny teny frantsay hoe Vierge izy. Amin' ny teny maley dia atao hoe Sunbulat na Sumbulat na Perawan ihany koa izy.

Asombola 
Antokon-kintan'ny Virijiny

Ny antokon-kintana Virijiny sy ny zôdiaka

Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Virijiny dia manomboka amin' ny 16 Septambra ka miafara amin'n y 30 Oktobra. Ny fari-potoan' ny Virijiny araka ny zôdiakan-kintana (frantsay: zodiaque sideral) dia hatramin' ny 16 Septambra ka hatramin' ny 15 Oktobra. Ny Virijiny ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin' ny 23 Septambra ka miafara amin' ny 22 Oktobra. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.

Liona na Alahasaty Viriijny na Asombola Mizana na Adimizana
Antokon-kintana 10 Aogositra - 16 Septambra 16 Septambra -  30 Oktobra 30 Oktobra - 20 Novambra
Zodiakan-kintana 16 Aogositra - 15 Septambra 16 Septambra -  15 Oktobra 16 Oktobra - 15 Novambra
Zodiaka mikisaka 23 Jolay - 22 Aogositra 23 Aogositra -  22 Septambra 23 Septambra - 22 Oktobra

Ny vintana Asombola

Toerany

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahenina ny Asombola ka ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin' ny Alohotsy sy miarina eo amin' ny Alahamady ny vintana Asombola. Baben' ny renivintana Adimizana ny zanabintana Asombola. Ao amin' ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro roa ny Asombola, dia ny vava Asombola (na vavan' Asombola) sy ny vody Asombola (na vodin' Asombola). Zanabintana ny Asombola.

Fombany

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintam-bola sy vintan' ny olona tia harena ny Asombola.

Vava Asombola

Ny zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena.

Vody Asombola

Ny zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena.

Ny volana Asombola

Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Asombola ho volana fahenina amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Manomboka amin' ny vava Asombola ka miafara amin' ny vody Alahasaty ny volana Asombola raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alahasaty dia miafara amin' ny vava Asombola ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Asombola io dia mifarana amin' ny vody Asombola ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Asombola Fiavian ilay anaranaAsombola Ny vintana Asombola Ny volana Asombola Jereo koaAsombola Loharano sy fanamarihanaAsombolaAdimizanaAlahasatyFanandroana malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kabary tera-baoAsa (mpanjakan' i Jodà)BaraMumbaiEvan'ny zodiakaTokyoRalaimongo JeanSorabeRangitaTsindrimandry (fivavahana)Natalie PortmanFanekem-pinoana apôstôlikaFifohazana (kristianisma malagasy)Sakramentan' ny fanambadianaOniversiteFiteny malagasyFahaterahanaFiteny tamilyFanomezana fiton' ny Fanahy MasinaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraFehezantenyArgonautesFiraisana ara-nofoAlahamadySihanakaMasikoroVarotraMozikaVolana (fotoana)ZairaFilazantsara araka an' i MarkaAdy Lehibe FaharoaAntsirabeTononkaloTanalaMerinaHaikyuBootjack, KaliforniaTailandyKolontsainaFitenim-paritra malagasyVintana (finoan-drazana malagasy)BareinaSamuel RatanySakafo malagasyKabaryAveloTobilehibeGovernemantaApôkalipsy gnôstikan' i PeteraRatsimilahoRioFiteny jeôrjianaVadin' i MohamadyISO 4217Prôtektôrata Frantsain' i MadagasikaraFanatontoloanaAbdellatif FellainiPôlitika eto MadagasikaraRova ManjakamiadanaMpampiankin-tenyTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014Prôtestantisma eto MadagasikaraFianarantsoaNikôdemôsyDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)New YorkAmerika LatinaRajoelina AndryJAndrianampoinimerina🡆 More