Ny Ranomasimbe Pasifika, na Ôseana Pasifika, mivelatra amina velarana 166 241 700 km², dia ranomasimbe mivelatra indrindra eto an-tany.
Mamaritra an' i Ôseania izy ary nosy sy tamba-nosy sasantsasany an' i Azia (Japàna, Filipina, Insolindia). Voarafaritr' i Azia, i Aostralia, i Amerika sy ny Ranomasimbe Atsimo izy. Ny sisiny amin' ny Ranomasimbe Atsimo dia eo amin' ny laharam-pehintany faha 60. Ny Ranomasimbe Pasifika atsinanana sy andrefana dia voasaraky ny laharan-jarahasina faha 180.
Ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika no ahitana ny tevana lalina indrindra eto an-tany, ny halalin' izy ireo dia mety mahatratra 10 km mahery, ohatra ny tevan' i Korily, i Marianina, ary i Filipina. Betsaka ihany koa ny harandriaka ohatra ny Nosy Krismasy, izay atoll mivelatra indrindra ary antitra indrindra eto an-tany.
I Pasifika dia be toerana ivoahan' ny vatomiempo mafana avy any anivon-tany (hotspot). Ny hotspot dia mampisy ny tamba-nosy toy ny nisy Hawaii-Empereur ary ny tendrombohitra ambany ranomasina Louisville.
Ny sisin' ny Ranomasimbe Pasifika dia ny Fehin' Afo (ceinture de feu) afatsy ny atsimo mankany amin' i Antarktika. Avy amin' io Fehin' Afo io ny horohorontany mampisy ny tsonamy. Tamin' ny tapna 1900 ka hatramin' ny 2004, tsonamy 796 no hita, ary 17 % tamin' izy ireo no nisy tany Japàna. Ny ivontoerana iraisam-pirenena fanairana, ny Pacific Tsunami Warning Center, dia asaina mitazana sy manaitra ny mponina na ny governemanta raha mety hitera-doza ny tsonamy.
Ny ranomasimbe | ||||
Arktika | Atlantika | Antarktika | Indianina | Pasifika |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ranomasimbe Pasifika, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.