Ny atao hoe Empira Bizantina dia ny empira kristiana grika tatsinanana izay mpandova ny Empira Rômana Atsinanana nitoetra teo amin’ny faritra atsinanan’ i Eorôpa nandritra ny taonjato faha-4 hatramin’ ny taona 1453.
Tamin’ ny taona 330, dia noforonin’ i Kônstantino I ny tanànan’ i Kônstantinôpla izay natao ho "Rôma Vaovao" teo amin’ ny toerana nisy an’ i Bizansa taloha. Nosarahan’ i Teodôsio ho empira roa samy manana ny renivohiny ny Empira Rômana tamin’ ny taona 395. Tsy naharitra ela anefa ny Empira Rômana Andrefana fa nitontongana tanteraka tamin’ ny taina 476 noho ny fanafihan’ ny vahoaka jermanika izay nonina teo moron’ ny sisintanin’ ny Empira Rômana Tandrefana. Nahatohitra ireo mpanafika jermanika ireo ny Empira Rômana Atsinanana ka noho ny tsifisian’ ny Empira Rômana Andrefana intsony dia natao hoe Empira Bizantina no anarany.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Empira Bizantina, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.