Jean Verdi Salomon Razakandrainy Dox

I Dox, izay atao hoe Jean Verdi Salomon Razakandraina amin' ny anarany feno, dia teraka tamin' ny 13 Janoary 1913 tao Manankavaly.

Dox
Ankapobeny
Anarana Dox
Teraka 13 janoary 1913
Maty 14 jona 1978
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Madagasikara
Asa : Mpanoratra sy mpanao hosodoko
Fiainana manokana
Seha-pitiavana Vadiny : Razanabololona Perle

Azo lazaina ho anisan' ny pôety malagasy fanta-daza indrindra amin' izao andro izao i Dox.

Tantaram-piainana

Teraka tamin' ny 13 Janoary 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany. Ny dokotera Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin' Antsirabe no tena fiaviany.

Sekoly maro no nianaran' i Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly prôtestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao amin' ity kôlejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin' ny gazety nifanaovan' izy samy mpianatra tao izy, ka tamin' izay no nakany ny solon' anarana hoe "Dox" (mifanohitra amin' ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an' io noho izy tsy mba tia "paradoxe").

Tao amin' ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy. Tao aorian' izay no nanomboka nisesy ny famoahany boky, ao koa ny tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky, ary ny dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin' ny teny malagasy vita pôezia.

Nampianatra tany Antsirabe i Dox, ary tamin' izany no nahafantarany an-dRazanabololona Perle izay tonga vadiny tamin' ny taona 1943. Nipetraka tao Mandoto izy ireo talohan' ny nifindrany tao Antananarivo indray noho ny antony ara-pahasalamana.

Taom-pahoriana ho an' i Dox ny folo taona nanomboka teo satria maty tamin' ny Nôvambra 1945 ny zanany voalohany. Nodimandry tamin' ny Febroary 1949 ny zanany fahatelo, ary iray volana taorian' io dia maty koa ny rainy tamin' ny Marsa 1949. Tsy ela taorian' ireo, tamin' ny taona 1954, no nodimandry Razanabololona Perle vadiny.

Maty tamin' ny 14 Jona 1978 tao Antananarivo i Dox, ary milevina ao amin' ny fasan-drazany ao Anjanapara Antsirabe.

Tsara ho fantatra fa disoan' ny olona matetika ny fanoratra ny anarany. Razakandraina no tena izy fa tsy Razakandrainy. Ny hevitr' izany anarana izany dia mifototra amin' ny hoe "andrandraina", araka ny filazan' i Dox azy.

Ny mampiavaka azy

Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin' ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin' ny Nôvambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Janoary 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin' ny Jolay 1954). Tsy mahagaga raha maro ny tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana.

Ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin' ny soratr' i Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin' ny nofo eo anoloan' ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan' ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana.

Ny fomba fanoratr' i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin' ny teny misy sary sy loko.

I Dox dia:

  • manoratra tononkalo mendrika "sonnet" 4-4-3-3, izany hoe ny andininy roa voalohany andalana efatra ary ny andininy roa faharoa andalana telo;
  • mpanankato "bohemien", izany hoe mandehandeha;
  • nikalo ny zava-boahary.

Ny asa-sorany

Ny boky sy amboaran-tononkalo navoakany:

  • Ny Hirako (1940),
  • Izy mirahavavy (1946),
  • Hira va (1948),
  • Solemita (1949),
  • Rakimalala (1955),
  • larivo (1956),
  • Voninkazon' ny Tanteraka (1956),
  • Ny Fitiavany (1957),
  • Apokalipsy,
  • Izy mirahalahy (1958),
  • Fahatsiarovan-tena (1958),
  • Amina Batsola (1958),
  • Mavo handray fanjakana (1958),
  • Telomiova (1960)

Marihina etoana fa maro ny tononkalony izay navadika ho hira, toy ny "Ny hirako" nataon' i Ramaroson William, niaraka amin' ny mpilalao mozika "Sorajavona". Ny amboaran-tononkalo nosoratany tamin' ny teny frantsay dia mitondra ny anarana hoe Chants capricornien ary novitainy tamin' ny taona 1971. Tsy natonta anefa izy io raha tsy tamin' ny taona 1991 ary naverina natonta indray tamin' ny taona 1995.

Ny tantara fampiseho ambony lampihazo:

  • Solemita (1949)
  • Apokalipsy (1957)
  • Estera (1958)
  • Ombalahibemaso
  • Ombalahy savika ombalahy (1958).

Ireo dikana teatra malaza nataony:

  • Le Cid - Corneille (nadika avy amin' ny teny frantsay)
  • Andromaque - Racine (nadika avy amin' ny teny frantsay)
  • Tononkalon' i Victor Hugo sy Ronsard (nadika avy amin' ny teny frantsay)
  • Romeo and Juliette - Shakespeare (nadika avy amin' ny teny anglisy)

Ny zanany

Niteraka dimy i Dox: i Fontaine Ratiaray Solohery Salomon, i Elie Ramasindraibe Salomon, i Josué Andrianandraina Salomon, i Roger Andriamamparanony Salomon (Dede Salomon eo amin' ny sehatry ny zavakanto), ary i Paulette Rasoamampianina Salomon. Ny zanany atao hoe Ratsitolora Arthur Salomon sy Rahantavololona Aimee Salomon dia ireo maty fony mbola zaza menavava.

Ilay mpanoratra fantatry ny maro amin' ny anarana hoe Hanitrony, izay filohan' ny sampana Havatsa-UPEM any Frantsa, dia tsy zanak' i Dox fa zafikeliny ary zanak' i Roger Andriamamparanony Salomon.

Rohy ivelany

Sokajy hafa

Jean Verdi Salomon Razakandrainy Dox 
AstronomiaBiolojiaHay TanyEkolojiaFahasalamànaFizika • Informatika • KajySimiaFanisanaMatematikaToe-tsaina


Jean Verdi Salomon Razakandrainy Dox 
TantaraFambolena • Taozava-baventy • GovernemantaLalànaMaritrano • Fitsaboana • Politika • Raharaham-bahoaka • Raharaha • Rindran'asa • Teknolojia


Jean Verdi Salomon Razakandrainy Dox 
ArkeôlojiaJeografiaFitenyFikarohana momban'ny fitenyAnganoFiaraha-moninaToe-Karena


Jean Verdi Salomon Razakandrainy Dox 
Fomban-drazana • Fivavahana • Foto-pinoana • Fiangonana


Jean Verdi Salomon Razakandrainy Dox 
Fialamboly • Fizahan-tany • Haisoratra • Asa-tanana • Fialam-boly • HosodokoInternetLalaoMozika • Nahandro • Opera • Filazam-baovao • Sarimihetsika • Sokitra • Tononkalo • Fisokajiana araka ny lohateny • Disiplina akademika • Alimanaka • Tabilao ny Tsiahy • Tantaram-piainana (biôgrafia) • Toro Lalana

Tags:

Jean Verdi Salomon Razakandrainy Dox Tantaram-piainanaJean Verdi Salomon Razakandrainy Dox Ny mampiavaka azyJean Verdi Salomon Razakandrainy Dox Ny asa-soranyJean Verdi Salomon Razakandrainy Dox Ny zananyJean Verdi Salomon Razakandrainy Dox Rohy ivelanyJean Verdi Salomon Razakandrainy Dox Sokajy hafaJean Verdi Salomon Razakandrainy DoxMalagasy (vahoaka)Pôeta

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TokyoEndrika araka anjara asaVolamenaRakotozandry DanielFahefana mpanatanterakaFiteny malagasyMorondavaAsan' ny ApôstôlyAdy Lehibe FaharoaNjakatianaSakalavaFiteny antemoroAnjara asa (fitsipiteny)BaibolyBokin' i RotaThe Coca-Cola CompanyAbidy araboZon' olombelonaWuhanFaritany eto MadagasikaraIndôneziaFilazantsara araka an' i MarkaAntemoroFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 20141971Fitsipi-pitenenanaKhadija al-SalamiMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyAntambahoakaRirininaKameronaTestamenta Vaovao1167Sakramenta ao amin' ny prôtestantismaMpandrindra milinaRakibolanaTranonkalaWiki FoundationDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)AndriantompokoindrindraSakramentan' ny fanambadianaFandikan-tenySiliaApôkalipsin' i StefanaFiteny betsimisaraka avaratraFiteny anglisyOniversiteKabary tera-baoAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFaritra AnosyAndrianjakaFandroahana fanahy ratsyFihavananaBoky voalohan' ny MakabeoWellington PointMadagasikaraRepoblika MalagasySikidy malagasyArintany mahazatraAlakaraboVaryIowaBob KhannaAsa (mpanjakan' i Jodà)AntalaotraApôkalipsin' i Petera74Menalamba🡆 More