I Santa-Kity-sy-Nevisy dia firenena ao Amerika Afovoany, ao amin' ireo nosy Antilia, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaîba.
Mirefy ny velaran-taniny 261 km2 ary i Basseterre no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Ny faritr' ora dia -4. Nisy mponina miisa 53 821 tao tamin' ny taona 2020. Atao hoe Saint Kitts and Nevis izy amin' ny teny anglisy.
I Santa-Kity-sy-Nevisy dia fitambaran' ny nosy Saints-Kitts sy ny nosy Nevis. Ireo nosy roa ireo dia avy amin' ny afotroa. Anjakan' ny tendrombohitra anirian-kazo ny tanin' io firenena io. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetany ao ka mahatonga ny rotsakorana ho mandavan-taona.
Taranaka afrikana sy eorôpeana ny ankamaroan' ny mponina ao. Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' io firenana io. Mandroso koa ny fizahan-tany. Nahazo ny fahaleoavan-tenany i Santa-Kity-sy-Nevisy tamin' ny taona 1983. Mpikambana ao amnin' ny Commonwealth io firenena io. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.
Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haitỳ - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Santa-Kity-sy-Nevisy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.