Amerika Avaratra

I Amerika Avaratra dia zana-kaôntinanta, na kôntinanta iray, arakaraka ny fomba fijery.

I Amerika Avaratra dia fikambanana firenena telo: i Etazonia sy i Kanada ary i Meksika, na dia sokajiana ao Amerika Afovoany aza i Meksika ao amin' ny bokin-jeôgrafia somary efa taloha.

Amerika Avaratra
Amerika Avaratra

Ny Ranomasimbe Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika no ao atsinana ary ny Ranomasimbe Arktika no ao avaratra.

Mirefy 23,75 tapitrisa kilometatra toradroa ny velaran' i Amerika Avaratra; i Kanada no firenena ngeza indrindra raha ny velarany no heverina, avy eo i Etazonia (9,63 tapitrisa km²) sy i Meksika (1,97 tapitrisa km²). Miisa 443,36 tapitrisa ny isan' ny mponina ao aminy ka i Etazonia no be mponina indrindra (301 tapitrisa, manana hakitroka 31 mponina isaky ny km²) arahan' i Meksika (107 tapitrisa) sy i Kanada (31 tapitrisa).

Amerika Avaratra
Sarin' i Amerika Avaratra azo avy amin' ny zanabolana

Ny tanàna ngeza indrindra ao Amerika Avaratra dia i Mexico (ao Meksika), i New York (ao Etazonia), i Los Angeles (ao Etazonia) ary i Chicago (ao Etazonia).

Indreto ny fiteny miasa: ny fiteny anglisy (any Kanada sy any Etazonia) sy ny fiteny espaniola (any Meksika sy any amin' ny tapany atsimo amin' i Etazonia) ary ny fiteny frantsay (ao Québec, any atsinanan' i Kanada).

Fizarana jeôpôlitika

Any avaratry ny kôntinantan' i Amerika dia misy an' i Amerika Avaratra, mamondrona ny firenena manaraka:

  • Any avaratra atsinananan'ny kaontinanta, ny nosin'i Groenland ("tanimaitso"), nosy faharoa ngeza indrindran'izao tontolo izao (ao aorian' Aostralia). Ara-jeografia, izy io dia ao amin'ny kaontinantan'i Amerika Avaratra, fa raha amin'ny ara-politika, izy io dia faritany mizaka-tenan'ny fanjakan'i Danemarka.
    Amerika Avaratra 
    Sarin-tany ara-pôlitikan' i Amerika Avaratra
  • I Kanada, miaraka amin' ny nosy akaikiny
    • Ny nosin' i Vanvouver, sy ny Nosin' ny Mpanjakavavy Charlotte any andrefana,
    • Ny nosin' i Printsy Edouard, any Terre-Neuve sy ny Nosin' i Cap-Breton any atsinanana,
    • Ny tambanosy arktika kanadiana miaraka amin' ny Nosin' i Ellesmere, ny nosin' i Baffin sy ny Nosy Victoria any avaratra.
  • Ny tambanosin' i Saint-Pierre-et-Miquelon, faritany frantsay.
  • I Etazonia, miaraka amin' ny Nosy Aleota sy ny Alaska;
  • I Bermoda, faritany any ampitan-dranomasina mizaka tena an' ny United Kingdom:
  • I Meksika.

Mponina

Tantara'ny mponina

Tantara prekôlômbiana

Amerika, zanatany eoropeanina

Firenena ao Amerika Avaratra

Firenena ao Amerika Avaratra

Firenena ao Amerika Afovony

Fiteny ao Amerika Avaratra

Ny fiteny ao Amerika Avaratra dia ireo fiteny tenenin' ny mponina ao amin' io ampahan-kôntinenta io (isan' izany i Amerika Afovoany sy ireo nosy Antilia), izay ny ankamaroany dia nampidirin' ireo mpanjana-tany eorôpeana. Taloha dia niely ny fiteny amerindiana, nefa ankehitriny dia voasolon' ny fiteny eorôpeana efatra lehibe, dia ny fiteny anglisy, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny neerlandey. Manampy ireo ny fitenin' ny mpifindra monina, indrindra ny fiteny italiana, ny fiteny alemàna ary ny fiteny sinoa maro. Maro koa ireo fiteny kreôly izay niforona.

Jereo koa

Ireo kôntinenta

Faritra ao Amerika

Tags:

Amerika Avaratra Fizarana jeôpôlitikaAmerika Avaratra MponinaAmerika Avaratra Tantarany mponinaAmerika Avaratra Firenena ao Amerika Avaratra Fiteny ao Amerika Avaratra Jereo koaAmerika AvaratraAmerika AfovoanyEtazoniaKanadaMeksika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

HangulBoky ara-tantara (Baiboly)Fiteny gilakyBaibolyJesoa araka ny kristianismaKarànaHidirôzeninaMario CastoldiAntoni GaudíBokin'i JosoaLee Kuan YewSiansaFaritra Matsiatra AmbonyBetsileoPatriarka (ao amin' ny Baiboly)Marko AntônioPeter Carl GoldmarkKilalao1972Empira Babilôniana VoalohanyFiteny indônezianaAdejeAndriamasinavalonaKristianisma eto MadagasikaraTorkiaFanatontoloanaTorkmenistànaZimbaboeFaritra Atsimo-AtsinananaJodeaFihetseham-poSambofiaran' i NôaTriniteAdimizanaVenezoelaFifohazana SoatanànaFiteny kantôneyFanjakana MitambatraFaritra ItasyTontolo iainanaAntankaranaMôralyLisitry ny gazety ao MadagasikaraBragançaAmhara (vahoaka)Sung Jae-kiLeo TolstoyMesut ÖzilIvica KirinEino SoinioBodo (mpihira)Kelly MadisonVoahangyMadagasikaraEspainaBokin' i DanielaFiteny hebreoFoko eto MadagasikaraKolikolyFambolenaFiangonana Jesosy MamonjyMexicoFiangonana Malagasy Tranozozoro AntranobirikyVavakaKongonaHôlandyDokuWikiSMOTIGTopisiVoanjoDavid Pisot🡆 More