I Antigoa-sy-Barboda dia firenena ao Amerika Afovoany, anisan’ ireo nosy Antilia ao amin' ny Ranomasina Karaiba.
Ny renivohiny dia i Saint John's. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 440 km2 ny velaran-taniny ary miisa 81 799 ny mponiny. Ny faritr' ora dia -4. Atao hoe Antigua and Barbuda izy amin' ny teny anglisy.
Tangoro-nosy kely dia kely i Antigoa-sy-Barboda izay ahitana nosy telo, dia i Antigua ao atsimo sy i Barbuda ao avaratra ary i Redonda ao atsimo-andrefana. Ny vohon-tanin' i Antigua dia somary fisaka, nefa misy tendrombohitra manana haavo 470 m. I Barbuda kosa, izay hodidinin' ny haran-driaka, dia nosy manana vohon-tany fisaka sady misy tora-pasika manify. Na dia toetanin-jana-pehin-tany aza ny toetany any dia indraindray ianjadian' ny haintany ireo nosy ireo.
Saika ny mponina manontolo ao no manam-piaviana afrikana. Ny anglikanisma no fivavahan' ny ankamaroan' izy ireo. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy. Atao hoe Antigoaiana ny mponina ao.
Miompana amin' ny fambolena sy ny fizahàn-tany ny toekaren' i Antigoa-sy-Barboda.
Zanatany britanika taloha i Antigoa-sy-Barboda izay nahaleo tena nanomboka tamin' ny taona 1981 sady mpikambana ao amin' ny Commonwelth. Ara-keviny dia governera jeneraly misolo tena ny mpanjaka britanika no tokony mpampihatra ny fahefana nefa ny praiministra, izay avy ao amin' ny Antenimiara, no tena manatanteraka izany.
Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Antigoa-sy-Barboda, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.