Hindoisma

Ny hindoisma dia fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiainana mbola be mpanaraka, izay nipoitra tao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana, ka atao hoe Hindoa na Hindo ny mpanaraka azy.

Anisan' ireo fivavahana tranainy indrindra eran' izao tontolo izao izay mbola misy mpanaraka izy. Voasokajy ho anisan' ireo fivavahana darmika ny hindoisma. Ny ankamaroan' ny Hindoa dia mino ny fahefan' ny boky maro atao hoe Veda izay ekeny fa nambara tamin' ny olombelona "tsy araka ny fomban' olombelona" (apauruṣeya) tamin' ny alalan' ilay andriamanitra mpamorona atao hoe Brahmā (na Brahmâ) araka ny fandrenesan' ireo Rishi (izany hoe "mpahita"). Tsy fantatra ny nanoratra ny lahatsoratra ao amin' ireo Veda ireo ary ny sasany dia anganongano no ahafantarana azy tahaka an' i Vyāsa.

Hindoisma
Mari-pamantaran' ny hindoisma

Tsy manana mpanorina sy tsy misy andrim-pitantanana voalamina amin' ny fomba ranoray ny hindoisma satria ireo mpampianatra ny finoana, atao hoe Brahmana, dia samy manana ny fikambanam-pampianaram-pinoana misy azy .

Raha hatao hoe "fivavahana" fotsiny ny hindoisma dia tsy tokony hampitovina amin' ny andraisan' ny kristianisma na ny jodaisma ny hoe "fivavahana" izy satria hafa ny fandaminana hita ao na hatramin' ny ivon' ny fampianaram-pinoany aza. Mampiavaka ny hindoisma ny toetrany izay ahitana fanambarana karazana finoana sy fanao avy amin' ny fivavahana samihafa mifangaro (sinkretisma).

Ny Persiana tamin' ny taonjato faha-5 no nanome anarana ny mponin' ny vinanin' ny renirano Indo (Indus, amin' ny teny latina) amin' io anarana Hindoa io izay niita-kevitra ka lasa nilazana ny mponin' ny Zana-Kôntinenta Indiana iray manontolo. Avy amin' ny teny sankrita hoe sindhu izay midika hoe "ony" ny teny nogasina hoe hindo ka manondro indrindra ny renirano Indo izany. Tamin' ny voalohany (taonjato faha-5) ny teny persana hoe hindu (izay gasina eto hoe hindoa) dia nilazan' ny Mozilmana ny mponina ao amin' ny lemaka eo am-pivarinan' ny renirano Indo any an-dranomasina.

Ny hindoisma dia fitambaran-kevitra filôzôfika nolovaina hatrany alohan' ny nahafantarana ny tantara indiana. Ny fampiharana ny hindoisma amin' ny fiainana dia avy tamina lovantsofina tranainy dia tranainy, manakaiky ny atao hoe animisma. Azo zaraina telo ny tantaran' io fivavahana io ka ny hindoisma, araka ny ahafantarana azy amin' izao, no dingana farany taorian' ny vedisma (taona 1500 - 500 tal. J.K.) sy ny brahmanisma (600 tal. J.K. - 500 taor. J.K.). Ao amin' ny zana-kôntinenta indiana no tena betsaka mpanaraka ny hindoisma nefa ahitana azy koa ireo toerana ivelan' i India izay ahitana Indiana mpifindra monina toa an' i Afrika Atsinanana sy Atsimo, i Azia Atsimo-Atsinanana, ireo nosy Antilia ary i Angletera.

Misy firehana efatra lehibe ny ao amin' ny hindoisma dia ny visnoisma (mivavaka amin' ny andriamanitra Vishnu), ny sivaisma (mivavaka amin' i Shiva), ny saktisma (mivavaka amin' i Shakti) ary ny smartisma (mivavaka amin' andriamanitra dimy: Shiva, Vishnu, Durgâ, Surya ary Ganesh na Skanda).

Hindoisma
Fielezan' ny hindoisma maneran-tany

Tamin' ny taona 2015 dia niisa teo amin' ny 1 100 tapitrisa ny mpivavaka manaraka ny hindoisma ao amin' ny firenena 85. Izy no laharana fahatelo amin' ny fivavahana be mpanaraka indrindra aorian' ny kristianisma sy ny silamo. Ireo boky atao hoe Veda no boky masiny izay misy ny ankamaroan' ny fampianarana arahina ao. Tsy fantatra ny nanoratra azy ireo.

Ny andriamanitra ao amin' ny hindoisma

Mino ny fisian' ny andriamanitra maro ny ankamaroan' ny Hindo nefa tsy terena hivavaka amin' izy rehetra na amin' ny iray akory aza. Misy noho izany ny fisafidianan' ny isam-batanolona ny andriamanitra maro na tokana hotompoiny, ary misy koa ny olona tsy manompo na ny iray amin' izany andriamanitra maro izany.

Ny andriamanitra ao amin' ny trinite hindo

Ireto ireo andriamanitra telo ao amin' ny trinite hindo (त्रिमूर्ति / trimūrti "endrika telo"): i Brahma sy i Shiva ary i Vishnu. Ny trimurti dia tsingerim-pisehoan' izao rehetra izao sy fitehirizana izao tontolo izao ary faharavan' izao tontolo izao, ka i Brahma no mpahary, i Vishnu no mpiaro ary i Shiva no mpandrava.

Brahma

I Brahma dia andriamanitra mpahary ao amin' ny hindoisma, izy no andriamanitra voalohany ao amin' ny trinite hindo. Tsindrandray ihany i Brahma no miditra an-tsehatra amin' ny raharahan' ireo andriamanitra sy amin' ny raharahan' olombelona.

Shiva

I Shiva dia andriamanitra fahatelo ao amin' ny trinite hindo. Indraindray dia heverina fa i Shiva no andriamanitry ny iôga (yoga), izay manana ny fahalalana ny zava-drehetra. Manana anjara asa dimy lehibe ity andriamanitra ity: mpamorona, mpitahiry, mpanova, mpanafina ary mpanambara (amin' ny alalan' ny fitahiana).

Vishnu

I Vishnu dia andriamanitra fahatelo manaraka an' i Brahma sy i Shiva ao amin' ny trinite hindo. Fantatra amin' ny alalan' ny endri-pisehoany maro i Vishnu. Izy no andriamani-dehibe ao amin' ny visnoisma. I Vishnu dia matetika aseho amin' ny alalan' ny olona miloko manga manao fitafiana sy fihaingoa-mpanjaka sady manana tanana miisa efatra.

Ny andriamani-dehibe hafa malaza

Shakti

I Shakti dia andriamanibavy vadin' i Indra, ilay andriamanitry ny paradisa-tontolo (Ioka). Matetika izy no akambana amin' i Shiva, ilay angovo lahy, fa izy kosa no angovo vavy, foto-javatra miasa sy miseho ivelan' ny andriamanitra lahy.

Durgâ

I Durgâ dia iray amin' ireo endrika lehiben' ny andriamanitra reny atao hoe Devi. Andriamanitry ny fiarovana, ny hery, ny maha-reny, ny fandravana sy ny ady izy. Ny fedrà momba azy dia mitantara ny adiny amin' ny herin-demony izay nanimba ny fandriampahalemana, ny firoboroboan' ny fiharian-karena, ny ny dharma izay herin' ny tsara mandresy ny ratsy. Inoana ho nanampatra ny hatezerany amin' ny ratsy fanahy i Durga mba hanafahana ireo voageja, ka niteraka fandravana hanamafisany ny famoronana izany.

Surya

I Surya no andriamanitra masoandro, zanak' i Āditi sy i Kashyapa. Manana vady efatra izy: i Samjnâ ("fahalalana"), i Râjnî ("fiandrianana"), i Prabhâ ("fahazavana") Châyâ ("aloka"). Izy no rain' i Manu, ilay olombelona voalohany sady mpamorona lalàna ho an' ny olombelona. Rain' i Yama andriamanitry ny fahafatesana izy, sady rain' i Yamî koa, izay nanjary renirano (ny renirano Yamunâ, iray amin' ireo renirano telo masina indrindra ao amin' ny hindoisma) taorian' ny fahafatesany.

Ganesh

I Ganesh no andriamanitra izay nanafoana ny sakana rehetra, andriamanitry ny fahendrena, ny faranitan-tsaina, ny fanabeazana, ny fahamalinana, mpiahy ny sekoly sy ny mpiasan' ny fahalalana. Aseho amin' ny fananany lohan' elefanta izy, izy no andriamanitra tompoina indrindra ao India. ary ny hasiny dia mahenika ny Zana-kontinenta Indiana sy Azia amin' ny ankapobeny. Zanaka lahin' i Shiva sy i Pârvatî izy, vadiny i Siddhi ("fahombiazana") sy i Buddhi ("saina") ary i Riddhî ("harena").

Skanda na Kartikeya

I Kartikeya na Skanda dia andriamanitry ny tafiky ny andriamanitra. I Devasena no andriamanibavy vadiny. Zanak' i Shiva sy i Pârvatî izy. Vanto-jaza mandrakizay (kumâra) izy ka itsaohana nandritra ny Empira Gupta (taonjato faha-3 hatramin' ny faha-6) izy tao India Avaratra izay nanao azy ho andriamanitra mpiaro ireo Chalukya (dinastia tamin' ny taonjato faha-6 ka hatramin' ny faha-12). Ao India Atsimo no mampalaza azy, ka ao izy dia fantatra amin' ny anarana amin' ny teny tamily hoe Murugan ("zazalahy").

Sampana sy sekoly ao amin' ny hindoisma

Ny famolavolana filôzôfika, izay loharanon' ilay antsoina ankehitriny hoe "hindoisma", dia nampitaina am-bava nandritra ny taonjato maro ary nanomboka nadika an-tsoratra tamin' ny tapany voalohany amin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. Ity lamina ara-pivavahana sy ara-kolontsaina antsoina hoe hindoisma ity dia nivoatra tao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana ary mahalana no mivoaka ny sisin-taniny.

Ireo lamina ara-pilôzôfia sy ara-teôlôjia enina

Ny hindoisma dia nampandroso astika tranainy na sekoly ôrtôdôksa (satria nanaiky ny fahefan' ny Veda) momba ny filôzôfia, na shaddarshana. Ireo lamina, na "fahitana" (darshana) ireo, izay an' ny hindoisma klasika ireo, dia miisa enina; ny tsirairay amin' izy ireo dia vokatry ny fivoarana naharitra araka ny asehon' ny literatiora mivelatra be sady manana toetra sôteriôlôjika avokoa izy rehetra (izany hoe miresaka ny famonjena), mikendry ny hahatratra ny fanafahana, famotsorana amin' ny fifindrafidran' ny fanahy amin' ny vatana samihafa (मोक्ष / mokṣa):

  1. Ny Sāṃkhya, iray amin' ireo tranainy indrindra, dia lamim-pandinihana mifototra amin' ny fifanoherana (doalisma) eo amin' ny mônada mahatsiaro tena (Puruṣa) sy ny natiora tany am-piandohana (Prakriti).
  2. Ny Yoga (Râja Yoga, "Fiombonana mpanjaka"), lamina mifototra amin' ny fomba fanao asketika (momba ny etika, ny fanadiovana, ny fomba fipetraka, ny taovam-pisefoana ary ny fisaintsainana) avy amin' ny fanao tranainy indrindra nangonin' i Patanjali.
  3. Ny Vaisheshika, lamina nanolotra voalohany ny rindran-kevitra manoihana ny atômisma.
  4. Ny Nyâya, lamina momba ny lôjika tany India (ireo fepetra 16 amin' ny "fanjohian-kevitra mitombina").
  5. Ny Purva-Mimamsa (antsoina koa hoe Karma Mimansa na Mîmâmsâ), lamina mifantoka amin' ny fanazavana ny Veda.
  6. Ny Uttara Mimamsa (matetika antsoina hoe Vedānta), lamina mifototra amin' ny metafizika sy ny toetra mistika ao amin' ireo Upanishad; io no farany, araka ny filaharan' ny fivoahany, amin' ireo filôzôfia hindoa ôrtôdôksa (manaraka foto-pampianarana heverina ho marina).

Ny nâstika na sekoly tsy ôrtôdôksa (tsy manaraka foto-pampianarana heverina ho marina) — izay tsy resahina ato amin' ity lahatsoratra ity — dia ny jainisma, ny bodisma, ny sikisma ary ny tsarvaka (chârvâka), ny ateisma klasika tranainy ao India, tsy manaiky ny fahefana brahmanikan' ny Veda.

Sampana sy sekoly mino fisian' andriamanitra

Ny firehana sasany dia mihevitra ny hindoisma ho fivavahana henôteista na panenteista mihitsy aza. Ny andriamanitra sy avatara isan-karazany ivavahan' ny Hindo dia heverina ho endrika samihafa amin' ilay Iray, ilay Andriamanitra fara tampony na Brahman, endrika izay hany azon' ny olombelona fantarina (tsy tokony hafangaro i Brahman, ilay avo indrindra sady loharano ipoiran' ny herin' ny andriamanitra, ary i Brahma, ilay mpamorona an' izao tontolo izao).

Io lalana mankany amin' ny fahalana marina faratampony io (jnanamarga), izay tohanan' ny sekoly hindoista enina, dia mijanona ho tombontsoan' ny vondron' olona sangany ara-tsaina voafetra isa, ny mpino tsora anefa matetika mampifangaro ireo firehana rehetra ireo. Na izany aza, ny firehena telo lehibe amin' ny hindoisma dia misy fiavahany lehibe eo amin' ny sarangan' ny mponina rehetra: ny visnoisma sy ny sivaisma ary ny saktisma.

Ao anatin' ireo firehana ireo dia misy sekoly maro nivoatra, izay samy manana ny fahasamihafany noho ny fivoasany ny fifandraisana misy eo amin' ilay Avo Indrindra sy ny fahatsiarovan-tenan' ny tsirairay ary izao tontolo izao, ary koa noho ny fiheverana ezôterika izay avy amin' izany fahasamihafam-pivoasana izany. Ny lahatsoratra vedika (Veda, Upanishad, sns.) dia lahatsoratra anaovana tsiahy ho an' ireo firehana telo ireo, na dia samy manovana amin' ny lahatsoratra hafa (Purana, Gita, sns.) izay azy ireo manokana aza izy ireo. Ireo lahatsoratra ireo dia tsy misaraka satria ny hindoisma dia manaiky ny fiaraha-misin' ny lalana samihafa mankany amin' ny famonjena (Moksha). Noho izany, ny fisafidiana ny firehana iray dia tsy midika ho fandavana ny firehana hafa.

Misy firehana efatra lehibe ny ao amin' ny hindoisma dia ny visnoisma, ny sivaisma, ny saktisma ary ny smartisma.

Ny visnoisma

Ny visnoisma na vaisnava dia firehana miorina amin' ny rafitra ara-pilôzôfia sy ara-pivavahan' ny Vedanta. Ny andriamanitra miseho amin' ny alalan' ny endrik' i Vishnu no andriamanitra fara tampony ivavahany, izay miseho vatana amin' ny alalan' i Krishna sy i Rāma. Atao hoe Visnoita na Vaisnava ireo mpanaraka azy. Ny Bhagavad-Gita, ny Bhagavata-Purana (izay matetika antsoina hoe Shrîmad-bhâgavatam) sy ny Vishnu-Purana ary ireo Bhakti-Sutra no lahatsoratra fototra ao amin' ny visnoisma.

Ny sivaisma

Ny sivaisma dia firehana mifototra amin' ny lahatsoratry ny Purana, sady nisafidy ny andriamanitra Shiva ho andriamanitra lehibe fara tampony, ka ny mpanaraka azy dia atao hoe Sivaita na Saiva. Manao iôga (yoga) sy fampijalian-tena izy ireo sady manatantanteraka fombafomba voarakitra ao amin' ireo Agama sady iharan' ny akon' ny tantrisma.

Ny saktisma

Ny saktisma dia firehana mihevitra ny Shakti ("angovo", "herin' andriamanitra") ho ny Brahman, izay miseho amin' ny alalan' ny Andriamanibavy (atao hoe Devi) Kâli, Durgâ, Sarasvatî, Lakshmi, Bhâvanî na Lajja Gauri. Amin' ireo mpomba ny saktisma (atao hoe Sakta) dia lehibe noho i Shiva vadiny ny Andriamanibavy, izay Renin' ny zava-drehetra - Mâtâ. Manam-pifandraisana hentitra amin' ny tantrisma ny saktisma, izay ahitana fombafombam-pivavahana momba ny firaisana ara-nofo masina, nalaina tahaka amin' ny firaisan' i Shiva amin' ny Shakti, izay heverina ho anisan' ny fomba fitsaohana ny Shakti.

Ny smartisma

Ny smartisma dia fireha mihevitra an' ireo andriamanitra Shiva, Vishnu, Ganesh, Surya ary Devi (ilay Andriamanibavy) ho fisehoan' i Brahman. Ny mampianatra lehibe tao aminy dia i Adi Shankaracharya. Ity firehana ity manao ho ambony indrindra ny toetran' i Brahman izay tsy persôna sady tsy misy teny azo ilazana azy.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Hindoisma Ny andriamanitra ao amin ny hindoismaHindoisma Sampana sy sekoly ao amin ny hindoismaHindoisma Jereo koaHindoisma Loharano sy fanamarihanaHindoismaAndriamanitra (anarana iombonana)BrahmaFilôzôfiaFivavahanaFivavahana darmikaZana-Kôntinenta Indiana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MendozaRioBetsimisarakaSikidy malagasySakramentaKarbôninaDainville12 SeptambraSolitanyAmbinanitrombyVictor VasarelyIsraelyAndro faranyFianakavianaTany efitraVoasarimakiranaRy Tanindrazanay malala ôSimia1426Donatello2006Angôvon'ny masoandroFitsipi-pitenenanaNofon-tanyKanônan' ny BaibolyFoko eto MadagasikaraFahababoana tany BabilônaWikibolanaFred SavageFandrehitra1200Omby volavitaBarney & FriendsAdizaozaRova ManjakamiadanaAmbatondrazakaTamba-nosyJoshua BassettFitiavanaRanavalona IINy Avana Ramanantoanina1959HoalaSelaFompotraTôgôForbes1385Tanora Gasy VononaBaolina kitraMianmaraZanabintanaFifohazana FarihimenaGovernemanta MalagasyZavamaniryFeoFehezantenyFiloham-pirenena sy mpanjakan' i MadagasikaraGoogleFihavananaAlemainaRatsimilahoKolontsaina malagasy2004TTestamenta TalohaMpaminanyAdimizanaKanadaFox Broadcasting CompanyGrahamstownFilazantsara araka an' i LiokaReny🡆 More