Alakaosy

Ny Alakaosy no vintana fahasivy amin' ny fanandroam-bolana malagasy.

Ny Alakarabo no eo alohany ary ny Adijady no manaraka azy. Ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia atahorana hahafaty izay lehibe noho izy ka ahohoka ho faty.

Alakaosy
Sampy

Fiavian' ilay anarana

Fiavian' ilay anarana

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe اقوس / Al-Kaus ("mpitifitra tsipìka") ny hoe Alakaosy.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Sagittarius na amin' ny teny frantsay hoe Sagittaire io anarana io. Amin' ny teny soahily dia atao hoe Kausi na Mshale io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Kaus na Pemanah ihany koa izy.

Alakaosy 
Antokon-kintan'ny Mpitifitra Tsipìka

Ny antokon-kintana Mpitifitra Tsipìka sy ny zôdiaka

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Mpitifitra Tsipìka dia amin' ny 18 Desambra hatramin' ny 18 Janoary. Eo amin' ny 16 Desambra hatramin' ny 14 Janoary ny fari-potoan' ny Mpitifitra Tsipìka ao amin' ny zôdiakan-kintana fa amin' ny 22 Novambra hatramin' ny 21 Desambra izany araka ny zôdiaka mikisaka. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.

Vintana Alakaosy

Toerany

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahasivy ny Alakaosy ka ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Zanabintana ny Alakaosy. Mifandratra amin' ny Adizaoza sady miarina sy miandriana eo amin' ny Asorotany ny Alakaosy. Baben' ny renivintana Adijady ny Alakaosy. Mitondra tonon' andro roa ny Alakaosy, dia ny vava Alakaosy (na vavan' Alakaosy) sy ny vody Alakaosy (na vodin' Alakaosy).

Fombany

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery indrindra ny Alakaosy ka raha tsy ahohoka ho faty na alam-bintana (apetraka eo am-bavahadin' omby sns.) ny zaza teraka aminy dia atahorana hahafaty izay lehibe noho izy. Amin' ny vava Alakaosy amin' ny volana Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry ody mahery sy sampy. Nisy ny vehivavy tsy niandry ny fahaterahan' ny zanany fa nanala zaza noho ny fatahorany ny ho hiteraka amin' ny andro Alakaosy.

Vava Alakaosy

Atao hoe Alakaosibe ny vava Alakaosy ao amin' ny volana Alakaosy. Amin' ny vava Alakaosy amin' ny volana Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry ody mahery sy sampy. Ny vehivavy mbola tokony hiteraka dia tsy mihinan-kanina amin' ny vava Alakaosy mba tsy hiteraka Alakaosy. Ny zaza teraka vava Alakaosy dia hanoto ray aman-dreny, ka ahohoka ho faty na alam-bintana mba ho tratra antitra sy ho lehibe ary ho mpanan-karena.

Vody Alakaosy

Tsy mifankaiza firy amin' ny vava Alakaosy ny vody Alakaosy.

Nisy fotonana nandefasan' ny Fanjakana Merina miaramila namono ireo zaza rehetra teraka Alakaosy manerana ny tany nofeheziny eto Madagasikara noho ny fatahoran' ny mpanjaka io andro ratsy io.

Volana Alakaosy

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alakaosy ho volana fahasivy amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Alakaosy ka miafara amin' ny vody Alakarabo ny volana Alakaosy raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alakarabo dia miafara amin' ny vava Alakaosy ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alakaosy io dia mifarana amin' ny vody Alakaosy ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Alakaosy Fiavian ilay anaranaAlakaosy Vintana Alakaosy Volana Alakaosy Jereo koaAlakaosy Loharano sy fanamarihanaAlakaosyAdijadyAlakaraboFanandroana malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)19 AprilyLa Ferté-ChevresisJames JoyceKristianismaBootjack, KaliforniaLisitry ny zavatra madinidinika 15001-16000Ralaimongo JeanJang JinMikhaïl Dolivo-DobrovolskiSiansaRodomeAurangzebAubersNGC 4448SarielaPtôlemaiôsy VIIITiffany MynxMitchell te VredeAdy Lehibe FaharoaRanavalona IILôtaMaleziaBurbank, OhioBoky faharoan' ny TantaraFanjakana MitambatraKarolina AvaratraFitsanganan' i Jesoa ho velonaHaintenyBaiboly prôtestantaFossé, ArdennesTetiandro malagasyÅge HareideTriniteArbusignyFiteny finoàfiompianaLloyd KaufmanLuiz Inácio Lula da SilvaSodànaTantaraEpistily ho an' ny RômanaFiteny gbePirangaFilazantsara araka an' i JoanyJodaisma1866Tetiandro gregôrianaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraAsabotsyNevada City, KaliforniaKameronaLee David ZlotoffAntananarivoFitenim-paritra malagasyAnjara (finoana)Angôvon'ny masoandroMerinaLalan-jazaFahaleovantenaPeter Stebbings19 NovambraRepoblika Demokratika MalagasyAlan Arkin🡆 More