Fiteny Latina

Ny fiteny latina dia fiteny taloha, fiteny italika, izay nampiasain' ny Latina tany am-boalohany tao amin' ny Latioma tany Rôma fahiny.

fiteny latina
lingua latina

Isan'ny mpiteny tsy misy intsony: ny teny latina ankehitriny malaza dia ny fiteny italiana, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny pôrtogey
Faritany Fiteny Latina Vatikana, Eorôpa Atsimo ary Andrefana
Sata fiteny ôfisialy ao Vatikana

Io fiteny io dia avy amin' ny fiteny indô-eorôpeana voalohany tahaka ny ankabeazan' ny fiteny notenenina tao Eorôpa. Atao hoe lingua latīna na latīna lingua izy amin' ny teny latina.

Ny fiteny latina sy ny fiteny rômana (izay indraindray antsoina hoe fiteny neô-latina na fiteny latina vaovao) no hany sampana amin' ny fiteny italika mbola velona. Ny sampana hafa dia voamarim-pisiana amin' ny alalan' ny tahirin-kevitra tany Italia talohan' ny vanimpotoan' ny Fanjakana Rômana, saingy nitambatra nandritra ny vanim-potoan' ny Repoblika Rômana na tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoan' ny Empira Rômana. Ny fiteny latina dia avy ao amin' ny Saikanosy Italiana. Na dia lazaina fa fiteny maty aza io fiteny io, ny fiteny rômana maro izay mbola ampiasaina ankehitriny (fiteny frantsay, espaniôla, italiana, romaniana) dia endrika nivoatra avy amin' io fiteny io. Na dia fiteny maty aza izy io dia betsaka ny olona mahafehy sy mianatra azy ary mampianatra azy eran' izao tontolo izao.

Noho ny herin' ny tafika rômana tamin' ny fotoan' androny sy noho ny fahefana nomen' ny fifehezana ny fiteny latina dia niparitaka eran' ny faritra manodidina an' i Mediteranea ny fiteny latina, izay nipoiran' ny fitenim-paritra nanome ny fiteny rômana maro ankehitriny. Taorian' ny fanjavonan' ny Empira Rômana tamin' ny taonjato fahadimy dia nihavitsy hatrany ny isan' ny olona nahay ny fiteny latina, ary noho ny havitsian' ny fampianarana dia feno teny avy amin' ny fiteny jermanika sy rômana tamin' izany fotoana izany ny fiteny latina nampiasaina tamin' ny Andro Antenatenany. Tamin' ny taonjato faha-15 hatramin' ny taonjato faha-18 dia nesorin' ny mpanoratra latina eorôpeanina ny teny avy amin' ny fiteny jermanika sy ny teny avy amin' ny fiteny rômana. Nandritra ny taonjato telo dia nampiasaina ho fiteny iraisam-pirenena sy fiteny iofanana ary fiteny ampiasain' ny siansa ny fiteny latina.

Fiteny maty ny fiteny latina satria tsy misy mpiteny teratany intsony. Na izany aza, ny fahalalana sy ny fampiasana azy dia nitohy hatramin' ny taonjato faha-21, indrindra any amin' ny oniversite sy eo anivon' ny mpitondra fivavahana: azo raisina ho toy ny "fiteny tranainy" izy. Sekoly sy oniversite maro no manohy mampianatra izany. Mbola ampiasaina amin' ny famokarana voambolana vaovao amin' ny fianakavianm-piteny maro ny fiteny latina. Mbola ampiasain' ny fiteny ankehitriny amin' ny famoronana voambolana vaovao ny fiteny latina, ary mbola ampiasaina amin' ny fanomezana anarana siantifika ny zava-miaina.

Ny abidy latina dia avy amin' ny abidy etroska sy abidy grika. Notovonana litera sy mari-tsoratra fanampiny ny abidy latina ka ampiasaina hanoratana ny fiteny velona maro ankehitriny ary nisy litera 23 tamin' ny vanim-potoana klasika, anisan' izany ny zanatsoratra efatra sy vantotsoratra roa ary renisoratra fito ambin' ny folo.

Fanasokajiana

Ny fiteny latina dia anisan' ny fiteny indô-eorôpeana, na dia misy tsy manaiky io hevitra io aza ny mpandalim-piteny.

Fiparitahana isaky ny toerana

Fiteny ôfisialin' ny Eglizy Katôlika ny fiteny latina. Ny fiteny frantsay no tenin' ny diplômasia any Vatikàna, fa ny fiteny italiana no tena ampiasaina any Vatikana.

Fiteny avy amin' ny fiteny latina

Ny fiteny rômana (toy ny fiteny espaniôla, ny fitenin' i Ôily, ny fiteny frantsay, ny fiteny italiana, ny fitenin' i Ôka (na fiteny ôksitana), ny fiteny katalàna, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny rômantsa ary ny fiteny romaniana) dia nivoatra avy amin' ny fiteny latina.

Karazana fandravonana ireo fiteny rômana ireo ny interlingua, izay azon' ny olona 900 tapitrisa (totalin' ny mpiteny rômana) avy hatrany.

Fanoratana

Ny Rômana no namorona ny abidy latina. Ireto ny litera ao amin' ny abidy latina:

A B C D E F G H I K L M N O P Q(V) R S T V X Y Z
a b c d e f g h i k l m n o p q(u) r s t u x y z
a b k d e f g h i na j k l m n o p r s t u na w [ks] y [zz]

Tags:

Fiteny Latina FanasokajianaFiteny Latina Fiparitahana isaky ny toeranaFiteny Latina Fiteny avy amin ny fiteny latinaFiteny Latina FanoratanaFiteny LatinaEorôpaFiteny (heviny mivelatra)Fiteny indô-eorôpeaninaFiteny italikaLatina (vahoaka)Rôma Taloha

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ISO 3166-1Angovo azo havaozinaSarindokotraSikidyTafi-Piarovan' i IsraelyNy Avana RamanantoaninaDokuWikiAdaloFady (malagasy)Paoly (apôstôly)NederlandyBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraWikipediaTetiandro litorjika kristianaAndriantomponimerinaAndriandahifotsy24 MeyIsaaka zanak' i AbrahamaBoky deoterôkanônika996FamadihanaFiteny ôsetiana1641SaonjoFinoanaEzekielaFanandroana malagasyReggio CalabriaPentateokaApôkalipsin' i JoanyHitoshi ShiotaIràka825Donald TrumpAlikaFanjakana RômanaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaKolontsaina malagasyRepoblika MalagasyOsyBokin' i HenôkaEorôpaBaolina kitraTestamenta VaovaoFiloham-pirenena sy mpanjakan' i MadagasikaraOlombelonaPôlitikaFaritany eto MadagasikaraNina HartleySlôvakiaJacobus ArminiusTompondakan'i Madagasikara HandballFanahy (kolontsaina malagasy)Thomas StaffordFiteny espaniôlaFanompoambeMalagasy (vahoaka)Fivavahana eto MadagasikaraKônsily Vatikàna IIVolahavana GermaineFanabeazana aizanaAmerikaTantaran' i MadagasikaraOhabolanaEdmond DebeaumarchéSiismaRazana (finoana malagasy)🡆 More