Fiteny espaniôla
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Espaniola, Espaniôla, Española Español | |
Isan'ny mpiteny | mahery ny 400 tapitrisa |
Faritany | ![]() |
Sata | Teny ôfisialin' ny Firenena Mikambana |
Ny fiteny espaniôla, na koa fiteny kastilianina, dia fiteny iray ao Eorôpa. Io fiteny io dia ao amin’ ny vondrona rômana, ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeanina. Miaraka amin’ ny fiteny frantsay sy italianina ary pôrtogey, io fiteny io no anisan’ ny fiteny nisampana avy amin' ny fiteny latina, fiteny taloha nampiasaina manerana an’ i Eorôpa sy i Azia Andrefana amin' ny fifandraisana.
Ny fiteny espaniôla dia avy amin’ ny fiteny latina, ary niavaka tamin’ ilay fiteny latina ny fiteny espaniôla taloha nanomboka tamin’ ny taonjato faha-9, noho ny havitsian’ ny fifandraisana tamin’ ny Andro Antenatenany. Ao amin’ ny faritra afovoan’ i Espaina no niavian’ ny fiteny kastilianina ankehitriny. Ary tsy io irery no fiteny notenenina ao amin’ ny Saikanosy Iberika nanomboka tamin’ ny fisarahany tamin’ ny fiteny latina hatramin’ izao fotoana izao: ao ny fiteny pôrtogey, izay tenenina any Pôrtogaly sy any Brazila, ao ny fiteny katalàna, izay tenenina any Katalônia, manan-drenivohitra an' i Barselôna, ao ny fiteny eoskarata izay tenenina any amin’ ny farany andrefan’ ny Pirenea, ao koa ny fiteny galisiana izay anisan’ ny fiteny niavian’ ny fiteny pôrtogey any Galisia.
Ankehitriny ny fiteny espaniôla dia anisan’ ny fiteny ôfisialin’ ny Firenena Mikambana miaraka amin’ ny fiteny frantsay, anglisy, sinoa ary rosiana. Any ivelan’ i Espaina, io no fiteny ôfisialin’ ny firenena ao Amerika Afovoany ary amin’ ny faritra andrefan’ i Amerika Atsimo. Ny isan’ ny mpiteny espaniôla manerana izao tontolo izao, raha isaina ny olona mianatra azy fa tsy nobeazina tamin' ilay fiteny dia eo amin’ ny 600 tapitrisa eo ho eo no isan’ ireo olona mahazo azy na miteny azy.
Tantara

Ny fiteny espaniôla dia fiteny rômana, izany hoe fiteny avy amin’ ny fiteny latina fampiasan’ ny vahoaka (latina: sermo vulgaris latinus) tamin’ ny andron’ ny Empira Rômana. Ny fiteny latina fampiasan’ ny daholobe dia somary samihafa amin’ ny fiteny latina an-tsoratra noho izy moramora kokoa.
Ny fiteny espaniôla taloha izany dia avy amin’ io fiteny latina fampiasan’ ny vahoaka io, ary nanomboka niavaka tamin’ ny fiteny latina tamin’ ny taonjato faha-8 sy ny taonjato faha-9. Tsy io irery no fiteny vokatr’ ilay fiavahana, fa efatra, dia ny fiteny kastilianina (fiteny espaniôla ôfisialy ankehitriny), ny fiteny katalàna (any atsinanan’ ny Pirenea), ny fiteny aragôney izay eo amin’ ny faritra misy an’ i Zaragoza ankehitriny, ny fiteny leôney (ao amin’ ny faritra afovoan’ i Kantabrika), sy ny fiteny galisianina (any amin’ ny faritra avaratra-andrefan’ ny Saikanosy Iberika, niteraka ny fiteny pôrtogey taty aoriana).
Ireo fiteny avy amin’ ny fiteny latina fampiasan’ ny vahoaka ireo dia nipoitra tao amin’ ny faritra avaratr’ i Espaina ankehitriny. Ny faritra afovoany sy ny faritra atsimo ao Espaina tamin’ izany fotoana izany dia nozanahan’ ny Maoro, mponina mozilmana tonga avy any Afrika Avaratra tao Espaina, ary ny fiteny nampiasaina tao amin’ ny faritra mozilmana tao Espaina tamin’ izany fotoana izany dia ny fiteny môzarabo, fiteny avy amin’ ny fiteny latina ihany koa fa be voambolana avy amin’ ny fiteny arabo ary soratana amin’ ny alalan’ ny abidy arabo. Tsy misy intsony ny mpiteny môzarabo ankehitriny ao Espaina ao.
Nandritra ny Reconquista espaniôla sy noho ny "toerana banga" navelan’ ny mpiteny môzarabo sy ny mpiteny arabo tao amin’ ny faritra atsimo sy afovoany ao Espaina, dia nandroso nianatsimo ny endri-piteny latina maron' ny mponina kristianina tany amin’ ny farany avaratr’i Espaina: naka ny toerany ankehitriny ny fiteny kastilàna, katalàna, aragôney ary galisiana (fiteny niavian’ ny fiteny pôrtogey). Nandritra ny taon-jato faha-14 hatramin’ izao fotoana izao, mihamitombo ny tsindrin’ ny fiteny kastilianina amin’ ny fiteny hafa, afa-tsy ao Pôrtogaly, nivadika ho Fanjakana mizaka-tena tamin’ ny taonjato faha-10.
Nandritra ny taonjato faha-16 hatramin’ ny taonjato faha-18, noho ny fahitan-dehibe sy ny fanjanahana an’ i Amerika Latina ankehitriny, dia lasa fiteny fampiasa any ampitan-dranomasina ny fiteny kastilianina. Ary izay no tena nahatonga azy ho anisan’ ny fiteny fampiasa indrindra any Amerika ary manerana izao tontolo izao sady anisan’ ny fiteny ôfisialin’ ny Firenena Mikambana.
Antsoina hoe fiteny kastilianina taloha ny fiteny kastilianina nialoha ny taonjato faha-15; aorian’ izany, fiteny espaniôla tsotra izao no fiantsoana ilay fiteny, na fiteny kastilianina ankehitriny. Mifanakaiky ireo endrika ireo ary ny fampiasana ny renifeo fotsiny no mahasamihafa azy ireo, satria betsaka ny fiovana natao mahakasika ny renifeo tamin’ ny taonjato faha-15.
Endrika
Ny fiteny espaniôla dia fiteny misimisy fitovizana amin’ ny fiteny frantsay sy ny fiteny italianina, noho izy ireo avy amina fiteny iray. Sarotra ny fifankahazoana rehefa Espaniôla sy Frantsay no miresaka, noho ny lalam-pivoarana tsy mitovy, an-tsoratra izy ireo no mety mifankahazo noho ny fiteny frantsay nitazona ny tsipeliny somary "antitra"; manakaiky ny fiteny italianina ny fiteny espaniôla, na am-bava na an-tsoratra, ary mety mifankahazo ny mpiteny italianina sy ny mpiteny espaniôla. Misy koa ny fifankahazoana amin’ ny mpiteny pôrtogey, an-tsoratra sy am-bava, na dia sarotsarotra kokoa aza izany.
Mitazona ny fivoarana entin’ ny fiteny latina fampiasan’ ny vahoaka ny fiteny espaniôla, izany hoe tsy fisian’ ny endrika araka anjara asa, tsy fisian’ ny halavan-janapeo, ary tsy fisian’ ny matoanteny tsy amin' ny fiendrika mañano.
Ny fivoaran’ ny fiteny espaniôla dia :
Voambolana
Ny voambolan’ny fiteny espaniôla dia avy amin’ ny fiteny latina. Noho ny fanjanahantany arabo nandritry ny taonarivo iray manontolo anefa dia betsaka ireo voambolana avy amin’ ny fiteny arabo (teny nindramina maherin' ny 4 000).
Fanoratana
Tahaka ireo fiteny rômana avy amin’ ny fiteny latina fampiasan’ ny vahoaka, ny abidy latina no anoratana ny fiteny espaniôla miampy mari-tsoratra ho an’ ny tsindrim-peo tsy manara-pitsipika. Ny maha tokana ny fiteny espaniôla dia ireo digrama (renifeo roa mikambana) ch sy ll atao ho litera manokana manaraka ny c sy ny l. Taorian’ ny fiovana tamin’ ny 2010 dia ireo litera ireo dia tsy atao litera manokana intsony.
Jereo koa
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiteny espaniôla, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.
In other languages:
- Abkhaze: Аиспан бызшәа - Wiki аԥсшәа
- Aceh: Bahsa Seupanyo - Wiki Acèh
- Adyguéen: Испаныбзэ - Wiki адыгабзэ
- Afrikaans: Spaans - Wiki Afrikaans
- Akan: Spanish - Wiki Akan
- Alemannisch: Spanische Sprache - Wiki Alemannisch
- Amharika: እስፓንኛ - Wiki አማርኛ
- Aragonais: Idioma castellano - Wiki Aragonés
- Ancien anglais: Spēonisc sprǣc - Wiki Ænglisc
- Angika: स्पेनिश भाषा - Wiki अंगिका
- Arabo: اللغة الإسبانية - Wiki العربية
- Araméen: ܠܫܢܐ ܐܣܦܢܝܐ - Wiki ܐܪܡܝܐ
- Arabe marocain: صبليونية - Wiki الدارجة
- Arabe égyptien: لغه اسبانى - Wiki مصرى
- Asturien: Idioma castellanu - Wiki Asturianu
- Avar: Испан мацӀ - Wiki авар
- Aymara: Kastilla aru - Wiki Aymar aru
- Azerbaïdjanais: İspan dili - Wiki Azərbaycanca
- South Azerbaijani: ایسپانیا دیلی - Wiki تۆرکجه
- Bachkir: Испан теле - Wiki башҡортса
- Balinais: Basa Spanyol - Wiki Basa Bali
- Bavarois: Spanische Sproch - Wiki Boarisch
- Samogitian: Ispanu kalba - Wiki žemaitėška
- Central Bikol: Tataramon na Espanyol - Wiki Bikol Central
- Bielorosy: Іспанская мова - Wiki беларуская
- Belarusian (Taraškievica orthography): Гішпанская мова - Wiki беларуская (тарашкевіца)
- Biolgara: Испански език - Wiki български
- Bhojpuri: स्पेनिश भाषा - Wiki भोजपुरी
- Banjar: Bahasa Spanyol - Wiki Banjar
- Bambara: Espankan - Wiki Bamanankan
- Bengali: স্পেনীয় ভাষা - Wiki বাংলা
- Tibétain: སེ་པན་སྐད། - Wiki བོད་ཡིག
- Breton: Spagnoleg - Wiki Brezhoneg
- Bosniaque: Španski jezik - Wiki Bosanski
- Bugi: ᨅᨔ ᨔᨄᨎᨚᨒ - Wiki ᨅᨔ ᨕᨘᨁᨗ
- Russia Buriat: Испани хэлэн - Wiki буряад
- Catalan: Castellà - Wiki Català
- Chavacano: Lengua Español - Wiki Chavacano de Zamboanga
- Min Dong Chinese: Să̤-băng-ngà-ngṳ̄ - Wiki 閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄
- Tchétchène: Испанхойн мотт - Wiki нохчийн
- Cebuano: Kinatsila - Wiki Cebuano
- Chamorro: Españót - Wiki Chamoru
- Cherokee: ᏍᏆᏂ ᎧᏬᏂᎯᏍᏗ - Wiki ᏣᎳᎩ
- Cheyenne: Mé'šeeséve'ho'énestse - Wiki Tsetsêhestâhese
- Sorani: زمانی ئیسپانی - Wiki کوردی
- Corse: Lingua spagnola - Wiki Corsu
- Tatar de Crimée: İspan tili - Wiki Qırımtatarca
- Tseky: Španělština - Wiki čeština
- Kachoube: Szpańsczi jãzëk - Wiki Kaszëbsczi
- Slavon d’église: Їспанїискъ ѩꙁꙑкъ - Wiki словѣньскъ / ⰔⰎⰑⰂⰡⰐⰠⰔⰍⰟ
- Tchouvache: Испан чĕлхи - Wiki чӑвашла
- Gallois: Sbaeneg - Wiki Cymraeg
- Danois: Spansk (sprog) - Wiki Dansk
- Alemanina: Spanische Sprache - Wiki Deutsch
- Zazaki: İspanyolki - Wiki Zazaki
- Bas-sorabe: Špańšćina - Wiki Dolnoserbski
- Maldivien: އިސްޕެނިޝް - Wiki ދިވެހިބަސް
- éwé: Spangbe - Wiki Eʋegbe
- Grika: Ισπανική γλώσσα - Wiki Ελληνικά
- Emiliano-Romagnolo: Spagnôl - Wiki Emiliàn e rumagnòl
- Anglisy: Spanish language - Wiki English
- Espéranto: Hispana lingvo - Wiki Esperanto
- Espaniola: Idioma español - Wiki Español
- Estonien: Hispaania keel - Wiki Eesti
- Basque: Gaztelania - Wiki Euskara
- Estrémègne: Lengua castellana - Wiki Estremeñu
- Persa: زبان اسپانیایی - Wiki فارسی
- Finnois: Espanjan kieli - Wiki Suomi
- Võro: Hispaania kiil - Wiki Võro
- Féroïen: Spanskt mál - Wiki Føroyskt
- Frantsay: Espagnol - Wiki Français
- Francoprovençal: Castilyan - Wiki Arpetan
- Frison septentrional: Spoonsk spriak - Wiki Nordfriisk
- Frioulan: Lenghe spagnole - Wiki Furlan
- Frison occidental: Spaansk - Wiki Frysk
- Irlandais: An Spáinnis - Wiki Gaeilge
- Gagaouze: İspan dili - Wiki Gagauz
- Gan: 西班牙語 - Wiki 贛語
- Créole guyanais: Èspangnòl - Wiki Kriyòl gwiyannen
- Gaélique écossais: Spàinntis - Wiki Gàidhlig
- Galicien: Lingua castelá - Wiki Galego
- Gilaki: ايسپانيايي زوؤن - Wiki گیلکی
- Guarani: Karaiñe'ẽ - Wiki Avañe'ẽ
- Gotique: 𐌷𐌴𐌹𐍃𐍀𐌰𐌽𐌾𐌰𐍂𐌰𐌶𐌳𐌰 - Wiki 𐌲𐌿𐍄𐌹𐍃𐌺
- Goudjarati: સ્પેનિશ ભાષા - Wiki ગુજરાતી
- Wayuu: Alijunaiki - Wiki Wayuunaiki
- Mannois: Spaainish - Wiki Gaelg
- Haoussa: Yaren Sifen - Wiki Hausa
- Hakka: Sî-pân-ngà-ngî - Wiki 客家語/Hak-kâ-ngî
- Hawaïen: ʻŌlelo Kepania - Wiki Hawaiʻi
- Hébreu: ספרדית - Wiki עברית
- Hindi: स्पेनी भाषा - Wiki हिन्दी
- Hindi fidjien: Spanish bhasa - Wiki Fiji Hindi
- Croate: Španjolski jezik - Wiki Hrvatski
- Haut-sorabe: Španišćina - Wiki Hornjoserbsce
- Créole haïtien: Lang panyòl - Wiki Kreyòl ayisyen
- Hongroà: Spanyol nyelv - Wiki Magyar
- Arménien: Իսպաներեն - Wiki հայերեն
- Interlingua: Lingua espaniol - Wiki Interlingua
- Indonezianina: Bahasa Spanyol - Wiki Bahasa Indonesia
- Interlingue: Hispan - Wiki Interlingue
- Ilocano: Pagsasao nga Espaniol - Wiki Ilokano
- Ingouche: ХӀиспаной мотт - Wiki гӀалгӀай
- Ido: Kastiliana linguo - Wiki Ido
- Islandais: Spænska - Wiki íslenska
- Italianina: Lingua spagnola - Wiki Italiano
- Inuktitut: ᓯᐸᐃᓂᑎᑐᑦ - Wiki ᐃᓄᒃᑎᑐᑦ / inuktitut
- Japoney: スペイン語 - Wiki 日本語
- Créole jamaïcain: Panish - Wiki Patois
- Lojban: sanbau - Wiki La .lojban.
- Javaney: Basa Spanyol - Wiki Jawa
- Géorgien: ესპანური ენა - Wiki ქართული
- Karakalpak: Ispan tili - Wiki Qaraqalpaqsha
- Kabyle: Tutlayt taspenyult - Wiki Taqbaylit
- Kabarde: Испаныбзэ - Wiki адыгэбзэ
- Kabiye: Ɛsɩpaañɔlɩ kʊnʊŋ - Wiki Kabɩyɛ
- Kikongo: Kispanya - Wiki Kongo
- Kazakh: Испан тілі - Wiki қазақша
- Khmer: ភាសាអេស្ប៉ាញ - Wiki ភាសាខ្មែរ
- Kannada: ಸ್ಪ್ಯಾನಿಷ್ ಭಾಷೆ - Wiki ಕನ್ನಡ
- Koreanina: 스페인어 - Wiki 한국어
- Komi-permiak: Эспаннёл кыв - Wiki перем коми
- Karatchaï balkar: Испан тил - Wiki къарачай-малкъар
- Kölsch: Schpanische Sproch - Wiki Ripoarisch
- Kurde: Zimanê spanî - Wiki Kurdî
- Komi: Испан кыв - Wiki коми
- Cornique: Spaynek - Wiki Kernowek
- Kirghize: Испан тили - Wiki кыргызча
- Latin: Lingua Hispanica - Wiki Latina
- Ladino: Lingua kastilyana - Wiki Ladino
- Luxembourgeois: Spuenesch - Wiki Lëtzebuergesch
- Lak: Спанс маз - Wiki лакку
- Lezghien: Испан чӀал - Wiki лезги
- Lingua franca nova: Espaniol (lingua) - Wiki Lingua Franca Nova
- Limbourgeois: Castiliaans - Wiki Limburgs
- Ligure: Lengua spagnòlla - Wiki Ligure
- Ladin: Lingaz spanuel - Wiki Ladin
- Lombard: Lengua spagnöla - Wiki Lombard
- Lingala: Lispanyoli - Wiki Lingála
- Lao: ພາສາແອສປາໂຍລ - Wiki ລາວ
- Lituanien: Ispanų kalba - Wiki Lietuvių
- Latgalien: Spanīšu volūda - Wiki Latgaļu
- Letton: Spāņu valoda - Wiki Latviešu
- Maïthili: स्पेनी भाषा - Wiki मैथिली
- Mokcha: Испаниянь кяль - Wiki мокшень
- Eastern Mari: Испан йылме - Wiki олык марий
- Maori: Reo Pāniora - Wiki Māori
- Minangkabau: Bahaso Spanyol - Wiki Minangkabau
- Macédonien: Шпански јазик - Wiki македонски
- Malayalam: സ്പാനിഷ് ഭാഷ - Wiki മലയാളം
- Mongol: Испани хэл - Wiki монгол
- Manipuri: ꯁ꯭ꯄꯦꯅꯤꯁ ꯂꯣꯟ - Wiki ꯃꯤꯇꯩ ꯂꯣꯟ
- Marathi: स्पॅनिश भाषा - Wiki मराठी
- Mari occidental: Испани йӹлмӹ - Wiki кырык мары
- Malay: Bahasa Sepanyol - Wiki Bahasa Melayu
- Maltais: Lingwa Spanjola - Wiki Malti
- Mirandais: Lhéngua spanhola - Wiki Mirandés
- Birmana: စပိန်ဘာသာစကား - Wiki မြန်မာဘာသာ
- Erzya: Испанонь кель - Wiki эрзянь
- Mazandérani: ایسپانیولی - Wiki مازِرونی
- Nauruan: Dorerin Pain - Wiki Dorerin Naoero
- Nāhuatl: Caxtilahtlahtolli - Wiki Nāhuatl
- Napolitain: Lengua spagnuola - Wiki Napulitano
- Bas-allemand: Spaansche Spraak - Wiki Plattdüütsch
- Bas-saxon néerlandais: Spaans - Wiki Nedersaksies
- Nepale: स्पेनी भाषा - Wiki नेपाली
- Newari: स्पेनी भाषा - Wiki नेपाल भाषा
- Holandey: Spaans - Wiki Nederlands
- Norvégien nynorsk: Spansk - Wiki Norsk nynorsk
- Norvégien bokmål: Spansk - Wiki Norsk bokmål
- Novial: Spanum - Wiki Novial
- Norman: Espangnô - Wiki Nouormand
- Sotho du Nord: Sespan - Wiki Sesotho sa Leboa
- Navajo: Naakaii bizaad - Wiki Diné bizaad
- Chewa: Chispanezi - Wiki Chi-Chewa
- Occitan: Espanhòu - Wiki Occitan
- Livvi-Karelian: Ispanien kieli - Wiki Livvinkarjala
- Ossète: Испайнаг æвзаг - Wiki ирон
- Penjabi: ਸਪੇਨੀ ਭਾਸ਼ਾ - Wiki ਪੰਜਾਬੀ
- Pangasinan: Salitan Espanyol - Wiki Pangasinan
- Pampangan: Espanyol (amanu) - Wiki Kapampangan
- Papiamento: Spaño - Wiki Papiamentu
- Picard: Éspaingnol - Wiki Picard
- Pennsilfaanisch: Schpaanisch - Wiki Deitsch
- Allemand palatin: Spanische Sprache - Wiki Pälzisch
- Pali: एस्पन्योलषा - Wiki पालि
- Norfuk / Pitkern: Spanish - Wiki Norfuk / Pitkern
- Poloney: Język hiszpański - Wiki Polski
- Piémontais: Lenga spagneula - Wiki Piemontèis
- Western Punjabi: ہسپانوی - Wiki پنجابی
- Pachto: اسپانیایي ژبه - Wiki پښتو
- Portiogey: Língua castelhana - Wiki Português
- Quechua: Kastilla simi - Wiki Runa Simi
- Romanche: Lingua spagnola - Wiki Rumantsch
- Romanianina: Limba spaniolă - Wiki Română
- Aromanian: Limba ispańolâ - Wiki Armãneashti
- Tarantino: Lènga spagnole - Wiki Tarandíne
- Rosianina: Испанский язык - Wiki русский
- Ruthène: Шпанєльскый язык - Wiki русиньскый
- Roande: Icyesipanyole - Wiki Ikinyarwanda
- Sanskrit: स्पैनिशभाषा - Wiki संस्कृतम्
- Iakoute: Испаан тыла - Wiki саха тыла
- Santali: ᱥᱯᱮᱱᱤᱥ ᱯᱟᱹᱨᱥᱤ - Wiki ᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤ
- Sarde: Limba ispagnola - Wiki Sardu
- Sicilien: Lingua spagnola - Wiki Sicilianu
- écossais: Spainish leid - Wiki Scots
- Sindhi: اسپيني ٻولي - Wiki سنڌي
- Same du Nord: Spánskkagiella - Wiki Davvisámegiella
- Sango: Espanyöl - Wiki Sängö
- Serbo-croate: Španski jezik - Wiki Srpskohrvatski / српскохрватски
- Chleuh: Tutlayt Taṣbnyulit - Wiki Taclḥit
- Cingalais: ස්පාඤ්ඤ භාෂාව - Wiki සිංහල
- Simple English: Spanish language - Wiki Simple English
- Slovaque: Španielčina - Wiki Slovenčina
- Slovène: Španščina - Wiki Slovenščina
- Samoan: Faʻa Sipaniolo - Wiki Gagana Samoa
- Same d’Inari: Espanjakielâ - Wiki Anarâškielâ
- Shona: ChiSpanish - Wiki ChiShona
- Somalianina: Af-Isbaanish - Wiki Soomaaliga
- Albanais: Gjuha spanjolle - Wiki Shqip
- Serbe: Шпански језик - Wiki српски / srpski
- Sranan tongo: Spanyorotongo - Wiki Sranantongo
- Swati: Sipanishi - Wiki SiSwati
- Sotho du Sud: Sepanishe - Wiki Sesotho
- Saterlandais: Spoanske Sproake - Wiki Seeltersk
- Soundanais: Basa Spanyol - Wiki Sunda
- Soisa: Spanska - Wiki Svenska
- Swahili: Kihispania - Wiki Kiswahili
- Silésien: Szpanielskŏ gŏdka - Wiki ślůnski
- Tamoila: எசுப்பானியம் - Wiki தமிழ்
- Toulou: ಸ್ಪ್ಯಾನಿಷ್ ಪಾತೆರೊ - Wiki ತುಳು
- Télougou: స్పానిష్ భాష - Wiki తెలుగు
- Tétoum: Lia-español - Wiki Tetun
- Tadjik: Забони испониёӣ - Wiki тоҷикӣ
- Taioaney: ภาษาสเปน - Wiki ไทย
- Tigrigna: ቋንቋ ስጳንኛ - Wiki ትግርኛ
- Turkmène: Ispan dili - Wiki Türkmençe
- Tagalog: Wikang Kastila - Wiki Tagalog
- Tswana: Sespan - Wiki Setswana
- Tok pisin: Tok Spen - Wiki Tok Pisin
- Tiorka: İspanyolca - Wiki Türkçe
- Tsonga: Xipaniya - Wiki Xitsonga
- Tatar: Испан теле - Wiki татарча / tatarça
- Tumbuka: ChiSpanish - Wiki ChiTumbuka
- Twi: Spanish - Wiki Twi
- Tahitien: Reo Paniora - Wiki Reo tahiti
- Touvain: Испан дыл - Wiki тыва дыл
- Oudmourte: Испан кыл - Wiki удмурт
- Ouïghour: ئىسپان تىلى - Wiki ئۇيغۇرچە / Uyghurche
- Okrainianina: Іспанська мова - Wiki українська
- Ordò: ہسپانوی زبان - Wiki اردو
- Ouzbek: Ispan tili - Wiki Oʻzbekcha / ўзбекча
- Venda: Spanish - Wiki Tshivenda
- Vénitien: Łéngua spagnoła - Wiki Vèneto
- Vepse: Ispanijan kel' - Wiki Vepsän kel’
- Vietnamianina: Tiếng Tây Ban Nha - Wiki Tiếng Việt
- Flamand occidental: Spoans - Wiki West-Vlams
- Volapük: Spanyänapük - Wiki Volapük
- Wallon: Espagnol (lingaedje) - Wiki Walon
- Waray: Kinatsila - Wiki Winaray
- Wolof: Wu-ispaañ - Wiki Wolof
- Wu: 西班牙语 - Wiki 吴语
- Kalmouk: Эспанмудин келн - Wiki хальмг
- Xhosa: IsiSpain - Wiki IsiXhosa
- Mingrélien: ესპანური ნინა - Wiki მარგალური
- Yiddish: שפאניש - Wiki ייִדיש
- Yôrobà: Èdè Spéìn - Wiki Yorùbá
- Zhuang: Vah Sihbanhyaz - Wiki Vahcuengh
- Zélandais: Spaons - Wiki Zeêuws
- Sinoa, Mandarin: 西班牙语 - Wiki 中文
- Classical Chinese: 西班牙語 - Wiki 文言
- Chinese (Min Nan): Se-pan-gâ-gí - Wiki Bân-lâm-gú
- Cantonese: 西班牙文 - Wiki 粵語
- Zolò: IsiSpeyini - Wiki IsiZulu