Espaina

}}

((es))
((es))
Fanjakan' i Espaina ((mg))
Sainan' Espaina Fanevan' i Espaina
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Plus Ultra
Espaina
Teny ofisialy Fiteny espaniôla
Renivohitra Madrid
40°26′N 3°42′W / 40.433°N 3.700°W / 40.433; -3.700
Tanàna ngeza indrindra Madrid
Fitondrana sy governemanta
 - mpanjaka
 - filoha ny Governemanta espaniola
Fanjakana
Juan Carlos I
José Luis Rodríguez Zapatero
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 51
504 782 km²
1,04%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 29
46.157.822 mpo.
89,38 mpo./km²

Anaran'ny mponina Espaniola
IDH (2005) (mitombo) 0,949 (ambony) 13
Sandam-bola Euro (EUR)
Faritr'ora UTC +1: (CET);
 ; UTC+2: (CEST)
Hiram-pirenena Marcha Real
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+34

I Espaina dia firenena ao Eorôpa Atsimo-Andrefana, anisan' ny firenena mandrafitra ny Saikanosy Iberika miaraka amin' i Pôrtogaly, ao amin' ny tapany atsimo amin i Eorôpa. Ny renivohiny dia i Madrid, ary ireo firenena manodidina azy dia i Frantsa sy i Andôra any avaratra, ary i Pôrtogaly any andrefana. Mamaritra ny sisin-taniny ny Ranomasina Mediteranea izay ahitana ireo nosy Baleares sy ireo nosy Canaries. Manasaraka azy amin' i Frantsa ireo tendrombohtra Pyrenea ary amin' i Afrika ny andilan-dranomasina Gibraltar. Ny 80 %n’ ny sisin-tanin' i Espaina dia morontsiraka. Firenena be tendrombohitra i Espaina. I Espaina no firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra ao amin' ny Saikanosy Iberika. Tamin' ny taona 2009 dia niisa 46 tapitrisa ny mponina tao aminy ka manahatonga azy ho firenena faha-29 be mponina indrindra eo anivon' izao tontolo izao, anisan’ ireo firenena manana mponina kely hakitroka indrindra any Eorôpa anefa i Espaina.

Vahoaka mpamboly sy ny mpiompy ny Espaniôla hatramin' izao. Tamin’ ireo taona 1960 no nampiroborobo ny taozava-baventy any aminy. Nanomboka tamin' ny nidirany tao amin' ny Fianakaviambe ara-Toekarena Eorôpeana (frantsay: Communauté Economique Européenne) tamin' ny taona 1986 no nahitan' ny toekareny fandrosoana lehibe.

Tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nanani-bohitra tao amin' io tany misy an' i Espaina io ny Iberiana sy ny Tselta. Faritany rômana i Espaina taty aoriana hatramin' ny taonjato faha-5 taor. J.K., avy eo nobodoin' ny Visigôty sy ny Maoro miozolmana. Nanao izay hahazoana an’ i Espaina indray ireo mpanjaka kristiana nanomboka tamin’ ny taonjato faha-8 ka tsy azo izy raha tsy tamin 'ny taonjato faha-19: izany no atao amin' ny teny espaniôla hoe Reconquista. Nahatratra ny fara tampon’ ny famifrapiratany i Espaina tamin’ ny tanjato faha-16; izany no atao hoe "Taonjato volamena espaniôla". Taorian’ ny nahitan’ i Christophe Colomb an’ i Amerika tamin’ ny taona 1492 dia nanjakazaka amin’ ny ampahany be amin’ izao tontolo izao, indrindra fa tamin’ i Amerika Atsimo sy Afovoany, i Espaina. Taonjato iray taorian’ izany no nampitontongana ny lazan’ i Espaina. Tamin’ ny taona 1873 no nanambaràna voalohany ny fitsanganan’ ny repoblika (Repoblika voalohany) nefa tafaverina indray ny fanjakà-mpanjaka iray taona taorian’ io. Tamin’ ny taona 1931 dia nambara indray ny fitsangann’ ny repoblika (Repoblika faharoa). Nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ ny taona 1936 izay nitondra ny jeneraly Franco teo amin’ ny fitondrana. Nipoaka ny ady an-trano, nifanandrinan’ ny miaramila sy ny mpomba ny Repoblika, izay tsy nifarana raha tsy tamin’ ny taona 1939. Ny fandresen’ ireo mpandala tanindrazana no nahafahan’ i Francisco Franco nametraka fitondrana jadona izay naharitra hatramin’ ny nahafatesany tamin’ ny taona 1975. Tafaverina indray ny demôkrasia.

Firena entin' ny mpanjaka i Espaina nefa izany fanjakà-mpanjaka izany dia fehezin-dlàm-panorenana. Hery mpanjanaka faharoa tranainy indrindra aorian' i Pôrtogaly i Espaina. Ary ny ny fiteniny, noho izy hery mpanjanaka tranainy, dia anisan' ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany.

Tantara

Ny Ibera na Iberiana no mponina tao Espaina tamin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Ary tamin’ ny taonjato faha-5, dia tonga ny Seltibera, vahoaka indô-eorôpeanina izay nipetraka tao Espaina hatramin' ny taonjato voalohany taor. J.K. Mipetraka teo amin' ny morontsiraka mediteraneanina ireo vahoaka fenisianina sy grika ary kartajinianina nanomboka tamin' ny taonjato faha-9 tal. J.K.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K., nanjaka tao Espaina ny Rômana avy any Italia ary nentiny tao ny fiteniny sy ny fombany ary ny lalàny. Ho lasa faritany rômana io faritra io mandritra ny 700 taona.

Taorian' ny faharesen' ny Rômana tamin' ny taonjato faha-5 dia nonina tao amin' ny Saikanosy Iberika ireo vahoaka jermanika: Soeva sy Vandala ary Visigôty. Nifindra tany Afrika Avaratra ny Vandala tamin’ ny taonjato faha-3. Ny Visigôty no tena nanjaka tao Espaina hatramin' ny fahatongavan' ny mponina miozolmana tamin' ny taonjato faha-7.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 (fanjavonan' ny Visigôty) hatramin' ny taonjato faha-16 dia nanjaka tao Espaina ny mponina miozolmana (Maoro, Môzarabo), teo afovoany ary tany amin' ny tapany atsimon' i Espaina indrindraindrindra.

Tamin' ny taona 756 dia nahaleotena i Espaina miozolmana, nandritra ny andro nanjakan' ny Ômeiadin’i Cordoba. Nivadika ho kalifata i Espaina miozolmana. Nihakely ny fahefan’ ilay kalifata lehibe tamin' ny taonjato faha-11, ka voazarazara ho fanjakana (taifa) madinika miisa dimy amby roapolo. Nohararaotin' ireo fanjakana espaniôla io fizarazarana io, ary io no nahafahan' ny Espaniôla nanomboka ary namarana ny Reconquista, tapitra tamin' ny taona 1492; tamin' io taona io ihany no nahitan' i Christophe Colomb ny kôntinentan' i Amerika. Vita tamin' ny taona 1512 ny fampiraisana an' i Espaina, ary tamin' io fotoana io dia nandefasana miaramila (Conquistador) maro dia maro tany Amerika handresena ireo fanjakana teratany (Azteka, Inka) ary hanorenana zanatany lehibe (Espaina Vaovao, Kastila Vaovao, Granada Vaovao).

Jeôgrafia

I Espaina dia firenena manana morontsiraka eo amin' ny Ranomasina Mediteranea sy eo amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Ao amin' ny tapany atsimon' i Eorôpa no misy azy, ao amin' ny Saikanosy Iberika. Mizara sisintany amin' i Pôrtogaly, amin' i Frantsa, amin' i Andôra, amin' ny Fanjakana Mitambatra ary amin' i Marôka i Espaina. Ireo tany espaniôla any ivelan' i Espaina dia i Ceuta sy i Melilla.

Mponina

Pôlitika

Jereo koa

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Espaina TantaraEspaina JeôgrafiaEspaina MponinaEspaina PôlitikaEspaina Jereo koaEspaina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

VarotraKaremyFizaràn-taonaFisoronana sy fanalana vintanaRadama VoalohanyFilôzôfia pôlitikaFamadihanaVarimbazahaFitenim-paritra malagasy tatsinananaZanadralamboCommunauté française500MpankafyMenalambaFiteny araoakianaZavakantoMianmaraRasoherinaJoany Mpanao BatisaCharles Paul Wilp1928Hira (maky)UtahFiteny sakalavaSaryKolontsaina malagasyTendrombohitra ÔlimpôsyFaritra BetsibokaMahitsyFaritanyMaleziaDepartamentan'i Valle del CaucaFilazantsaraFiteny kirondyNoelyTsy feteza-matyBritaina LehibeVondrona AfrikanaFiteny jermanikaRafael NadalDillingham, Alaska800ChișinăuAndré BarsacqSalamo faha-50AterinetoAlexander C. MonteithFady (malagasy)(117625) 2005 EN118BlacosHaranita-tsaina voatrolombelonaTontolo iainanaVorontsilozaHypertext Markup LanguageKabaryFiteny bantoLake Placid, New YorkKônsilyFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaOjai, KaliforniaSimiaDepartamentan'i Norte de Santander147307 (2003 AH78)FanihyPaoly (apôstôly)AntsirananaVavolombelon' i JehovahSikidy (malagasy)Repoblika MalagasyAbdellatif Fellaini1940KatôlisismaSiansaAfrikaAlakaosy🡆 More