Ady Lehibe Faharoa

Ny Ady Lehibe faharoa (AL2) dia ady mitam-piadanana maneran-tany izay nanomboka tamin' ny 1 Septambra 1939 hatramin' ny 2 Septambra 1945.

Io ady eran-tany io dia nampifanandrina toby roa: ny Mpiray Dina izay ahitana ny firenena tandrefana toa an' i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra ary i Etazonia, ary ireo amin' ny Aksisy izay ahitana an' i Alemaina sy i Italia ary i Japana.

Ady Lehibe Faharoa
Polonia. 17.09.1939, araka ny fifanarahana miavina nataon'i Molotov (FRSS) sy Ribbentrop (Alemaina)

Ny ady lehibe faharoa dia avy amin' ny tsi-fahafaham-po nateraky ny famahana ny ady lehibe voalohany ary ny nofinofim-piitarana ary ara-panjanahan' ny firenena telo lehibe ao amin' ny Aksisy. Ny fiaingan' ny AL2 dia ny fitambaran' ny ady an-trano espaniôla nanomboka tamin' ny taona 1936, sy ny ady sinoa-japôney tamin' ny taona 1937, ary ny fanafihan' i Alemaina an' i Pôlônia tamin' ny Septambra 1939. Nanao fifanekena ny tsy hifanafika ny Firaisana Sôvietika (FRSS) sy i Alemaina nazi tamin' io fotoana io. Nivadika tamin' ny Sôvietika ny Alemàna taorian' ny fanafihana an' i Pôlônia, ka lasa nifanafika indray ny FRSS sy i Alemaina.

Niditra an' ady i Etazonia tamin' ny 7 Desambra 1941 taorian' ny fanafihan' i Japana an' i Pearl Harbor any Hawaii.

Nitranga teny amin' ny zanatanin' ny firenena eorôpeanina ihany koa ny ady. Ao ny fanafihan' i Alemanina an' i Libia, ny fanafihan' ny Britanika ny firenena ao Afovoany Atsinanana ary koa ny fanafihany an' i Madagasikara tamin' ny 5 Mey 1942.

Fahatongavana any amin' ny ady

Ny nahatonga ny ady lehibe faharoa tao Eorôpa dia ny tsifahafaham-pon' ny Alemanina tamin' ny fifanarahana tao Versailles (1919), ary ny krizy tamin' ny taona 1929 izay nampaharatsy ny toe-javatra ara-toekaren' ny firenena vao miarina tamin' ny Ady Lehibe Voalohany. Betsaka ny vola voatery naloan' i Alemaina ho fanatambazana ny Mpiray Dina (Angletera, Frantsa, Rosia, Etazonia). Very noho io fifanarahana io ihany koa ny zanatany alemanina tao Afrika.

Niverina ho amin' i Frantsa ny singam-paritanin' i Alsace sy Moselle (Lorraine) izay nozanahin' i Bismarck taorian' ny ady tamin' ny taona 1870. Niharan' ny ady an-trano i Rosia noho ny Revôlisiôna Bôlsevika. Taorian' io revôlisiôna io dia niongana ny fanjakan' ny Tsar (mpanjaka rosiana).

Ny firenena telo nifanaiky (Alemaina, Aotrisy-Hôngria, Italia, Empira Ôtômana) dia samy very tany avy. Maro amin' ny faritra atsinanana amin' i Alemaina no very, ireo foko tao amin' ny Empiran' i Aotrisy-Hôngria ihany koa dia lasa samy nomena fahaleovantena, ny tanin' ny Empira Ôtômana dia nozarazarain' ny firenena mpandresy, afa-tsy i Torkia izay nahazo ny fahaleovantenany. Niongana ny Empira Alemàna ary natsangana ny Repoblikan' i Weimar.

Ny krizy ara-toe-karena tamin' ny 1929 dia vokatry ny famokarana be loatra, izay nampidina ny vidin-javatra ary nampitontongona ny toe-karena amerikanina. Ny fampodiana ny fampiasam-bola amerikanina lehibe tany Alemaina dia nampitontongana ihany koa ny toe-karena alemàna izay nampahamafy kokoa ny krizy efa tonga tao Eorôpa. Maro ireo firenena eorôpeana nandray fepetra ary niezaka hanoherana ny vokatry ny krizy, toa ny New Deal amerikanina. Nahamora ny fiakaran' ireo Sôsialista Nasiônalista (Nazi) teo amin' ny fitondrana ny krizy ara-toekarena tao Alemaina sy Italia. Nanohana ny asa tamin' ny alalan' ny fampiasana ny tsy an' asa amin' ny indostria ara-tafika sy tamin' ny tetikasa lehibe ireo firenena roa ireo.

Ny toe-javatra ara-toekarena sy ny fanetrena niainan' ny firenena resy tamin' ny Ady Lehibe Voalohany no nahatonga ireo firenena ireo hiala amin' ny SDN ary hanamafy ny tafiny hamaliana ny hitsaka.

Mpiady

Mpikambana ao amin' ny Aksisy

Ny firenena tao amin' ny Aksisy dia:

Mpanohitra ny Akisy

Ny firenena mpanohitra ny Aksisy dia:

Firaisana Sôvietika

Rehefa nanafika an' i Pôlônia ny Firaisana Sôvietika (FRSS) ny 17 Septambra 1929 araky ny fifanarahana ny tsy hifanafika alemàna-sôvietika, ny sehatra nisy azy, raha avy amin' ny fomba fijery pôlôney, dia mitovy amin' i Alemaina. Tsy nanambara ny hiady amin' i Frantsa na ny Fanjakana Mitambatra kosa anefa izy io. Nahatonga an' i FRSS ho voaroaka an' i SDN izany fanafihana izany tamin' ny 1939. Nandritry ny fifanarahana ny tsy hifanafika, dia nanome hanina ary solitany an' ny Reich Alemàna ny Sôvietika izay nahafahan' ny Reich hanodina ny fanakanan' ny Mpiray Dina. Kômonista alemàna amam-polony ihany koa no naverin' ny FRSS amin' ny Reich.

Noho ny fanafihan' i Alemaina ny FRSS tamin' ny 22 Jiona 1941, diai lasa niaraka tamin' ny Mpiray Dina ny FRSS. Nahazo indrana amerikanina izy ho takalon' ny volamenan' ny Bankim-panjakan' ny FRSS. Tsy nanokatra sehatr' ady vaovao ny Amerikanina fa nanome fanampiana lehibe tamin' ny FRSS ny Mpiray Dina, fanampiana izay mandalo amin' ny Lalan-tsambo arktika.

Arak' i Raymon Cartier ary John Keegan nanome fiaramanidina miisa 1 825, tanky miisa 2 249, basy milina miisa 81 287, telefaonina fiadiana miisa 56 500 ary taribin-telefaonina mirefy 380 000 mily iraisam-pirenena avy tamin' i Etazonia ny FRSS tamin' ny Ôktôbra 1941 hatramin' ny Jona 1942. Tamin' ny 1943 dia nahazo kamiao 427 000 ny Tafika Mena. Ankoatra izany dia nanome kiraro miisa 13 tapitrisa, sakafo milanja 5 tapitrisa taonina na loha-lamasinina miisa 2 000, fiaran-dalamby miisa 11 000 ary vin-dalamby milanja 54 000 taonina. Avy any Etazonia ny telo ampahaefatry ny varahina sôvietika. Nanome solitany ihany koa izy io hampanidina ny fiaramanidina.

Herin' ny mpiady amin' ny AL2 nandritry ny taona 1940-1945

Isan' ny miaramila
Taona 1940 1941 1942 1943 1944 1945
Reich Fahatelo 5 000 000 7 200 000 8 600 000 9 500 000 9 500 000
Japana 1 723 000 2 411 000 2 829 400 3 808 200 5 365 000 7 193 200
Fanjakana Mitambatra 2 212 000 3 278 000 3 784 000 4 300 000 4 500 000 4 653 000
Etazonia 458 000 1 795 000 3 844 000 8 918 000 11 240 000 11 858 000
FRSS 500 000 4 027 000 9 000 000 10 000 000 12 400 000 10 800 000
Frantsa 5 500 000 25 000 50 000 100 000 150 000 550 000
Belzika 700 000 -- -- -- -- 100 000
Kanada 92 296 260 553 454 418 692 953 747 475 761 041

Famintinana ny asa ara-miaramila

Fahombiazan' ny herin' ny Aksisy

Efa nifanaraka tamin' ny fihatombohan' ny AL2 ny ankamaroan' ny tantarata Tandrefana. Izany daty izany dia ny 3 Septambra 1939 izay andro nanafihan' i Alemaina an' i Pôlônia. Niady i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra araka ny fifanarahan' ny Fanjakana Mitambatra sy i Frantsa ary i Pôlônia.

Sehatr' ady atsinanana (1939-1940)

Ny sehatr'ady atsinanana tamin' ny taona 1939 sy 1940 dia niadian' i Alemaina sy FRSS amin' i Pôlônia.

Notafihan' ny Alemanina ny 1 Septambra 1939 tamin' ny 4 ora 45 i Pôlônia. Tamin' ny 17 Septambra 1939, araka ny fifanarahana miavina nataon' i Molotov sy i Ribbentrop (fifanarahana alemanina-sôvietika) dia manafika ny lafy atsinanan' i Pôlônia ny tafika sôvietika. Rakotra tanteraka ny tafika pôlôney.

Noho ny fandavan' i Finlandy hanakalo ny tany ao atsimotsimony hiarovana tsara kokoa ny tanànan' i Leningrad dia nanafika an' i Finlandy ny Firaisana Sôvietika tamin' ny 30 Nôvambra 1939. Nahery ny fanoheran' ny Finlandey ary betsaka ny olona sy fitaovana verin' ny Sôvietika, ary naharitra hatramin' ny 12 Marsa 1940 ny adin-dririnina. Nifarana tamin' ny fifanarahan' i Môskao izy io ny 12 Marsa 1940 ary nametraka fotoana voafetra tsy hisy ady intsony amin' ny firenena roa. Azon' ny Sôvietika ny andilan-tanin' i Carelia izay miaro ny fidirana ao Leningrad ary ny nosy maro ao amin' ny helodranon' i Finlandy. Araka ny fifanarahana alemanina-sôvietika foana dia nanafika ary nanjanakana ny firenena baltika ny Firaisana Sôvietika.

Sehatr' ady andrefana (1940)

Sehatr' adin' i Balkana (1941)

Sehatr' adin' i Pasifika sy ny Atsinanana Indrindra (1941)

Te hamaly mafy ny fanitsahan' i Frantsa tamin' i Siam tamin' ny taona 1893 sy 1904 an' i Tailandy ary lasa nanafika ny faritra Indôsina Frantsay ny tafika tailandey, izay nahatonga ny ady frantsay-tailandey. Tsy nisy ny tena naharesy, ary i Japana izay efa tao avaratr' i Indôsina no nandidy tamin' ny Septambra 1940, ary izay nanome ny singan' i Laôsy sy ampahan' i Kambôdia. Tamin'ny 7 Desambra 1941, lasa nanafika an' i Etazonia ny Empiran' i Japana izay miara-miasa amin' i Alemaina nanomboka tamin' ny taona 1936 ary miady amin' ny Repoblikan' i Sina, izay tsy mbola niditra an' ady. Rava tao Pearl Harbor  ny ankamaroan' ny hery an-dranomasin' i Etazonia tao amin' ny Ranomasimbe Pasifika. Nandritra izany fotoana izany dia natomboka ny fanafihana an' i Malezia Britanika. Lasa nanafika ny Commonwealth an' i Filipina sy India Atsinanana Nerlandey ny tafika imperialy japôney.

Fiovan-dehibe tamin' ny taona 1942

Nahatonga ny fidiran' i Etazonia an' ady ny fanafihana an' i Pearl Harbor, fidirana an' ady izay narahan' i Meksika sy fanjakana amerikanina latina hafa. Natokana ho an' ny ady avokoa ny hery indostrialin' i Etazonia ary vetivety taorian' ny fanafihana an' i Pearl Harbor dia afaka mamaly hitsaka hatrany. Nanomboka tamin' ny volana Jona 1942 dia very mpitondra fiaramanidina efatra ny Empiran' i Japana tamin' ny ady an-dranomasin' ny nosy Midway, izay voatery niaro tena eo amin' ny sehatr' ady tao Pasifika. Miady amin' ny Japôney eo amin' ny Ranomasimbe Pasifika ny Amerikanina ary lasan' ny Amerikanina ny nosy tsirairay nanjakazakan' ny Japôney.

Fandresen' ny Mpiray Dina sy faharesen' ny Aksisy (1943-1945)

Toeram-piadiana

Eorôpa

Afrika

Azia

Fahafahana arak' adin' ny mpiady

Fitaovam-piadiana

Statistika

Eorôpa tamin' ny fanjakazakan' ny Nazi

Fanandevozana sy fanjakazakana ara-toekarena

Fiaraha-miasa sy fanoherana tao Eorôpa

Famonoana, fanaovana sesitany, fitanana am-ponja

Azia Atsinanana nanjakazakan' i Japana

Fonja sy fanandevozana

Vokany ara-tantara

Eorôpa

Herisetra sy heloka bevava an' ady

Fahasimbana ara-kolontsaina

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Ady Lehibe Faharoa Fahatongavana any amin ny adyAdy Lehibe Faharoa MpiadyAdy Lehibe Faharoa Famintinana ny asa ara-miaramilaAdy Lehibe Faharoa Toeram-piadianaAdy Lehibe Faharoa Fahafahana arak adin ny mpiadyAdy Lehibe Faharoa Eorôpa tamin ny fanjakazakan ny NaziAdy Lehibe Faharoa Azia Atsinanana nanjakazakan i JapanaAdy Lehibe Faharoa Vokany ara-tantaraAdy Lehibe Faharoa Herisetra sy heloka bevava an adyAdy Lehibe Faharoa Fahasimbana ara-kolontsainaAdy Lehibe Faharoa Jereo koaAdy Lehibe Faharoa Loharano sy fanamarihanaAdy Lehibe Faharoa1 Septambra1939AlemainaEtazoniaFanjakana MitambatraFrantsaItaliaJapana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Repoblika Fahefatra (Madagasikara)PentekôstaNicole StottEmpira BizantinaAnton PfefferKolontsaina malagasyFambolenaJesoa ara-tantaraPoplar Hills, KentuckyVondrona Eorôpeana1960ArkanjelyMilenarismaTantaran' i MadagasikaraRavitoto sy henakisoaFeldspataKanadaEvekaDidy FoloFanafoanana ny fanjanahantanyBetsimisarakaSiraTrondro maina sy anamalaoOlombelonaKôngô-BrazzavilleA. Ernest Fitzgerald1194Fifohazana (kristianisma malagasy)Andriamasinavalona1559AntankaranaBapaumeSodàna AtsimoRanomasina AvaratraRafaela (arkanjely)Herbert KilpinTambintenyKalandrie araboTakamoa elekitrikaMorgan SpurlockAppleSikidy (malagasy)IndiaBazaltaFiangonana hita masoListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysAdy an-tranoFiolonolonanaFilazantsara araka an' i MatioBooker WoodfoxClovellyGregor MendelMediaWikiRosiaFiteny anglisyBasyAndoharanomaintsoSokaidîtra19042000BaibolySydneyFiteny antankaranaKabary famangianaRosanna ArquetteRadama VoalohanyJodeaPrôtestantismaFanjakan' AndriamanitraAdaoroRoger HuntFilazam-potoana lasa🡆 More