Isam-ponina

Ny isan'ny mponina dia ny fitambaran'ny isan'ny olona

  • Miaina ao amin'ny faritany iray (tanàna, faritany, firenena, kaontinenta, tontolo).
  • Mahazo alalana ofisialy miaina eo amin'ny faritany iray.
Isam-ponina
Ny fiitatry ny isam-ponina eny amin'ny firenena mandroso sy ny eny amin'ny firenena ambany fandrosoana

Ny olana mahakasika ny isan'ny mponina dia dinihan'ny demografia na siansa mahakasika ny mponina. Dinihana amin'ny sôsiôlojia, amin'ny ekonomia ary amin'ny jeografia ny fihetsiky ny olombelona. Matetika ampiasaina amin'ny marketing ny tahirin-kevitra demografika.

Tamin'ny 2006, ny fiitatry ny isan'ny mponina erak'izao tontolo izao dia 1,14% monja.

Isan'ny mponina erak'izao tontolo izao

Araka ny kaontinenta

Fizarazaran'ny isan'ny mponina erak'izao tontolo izao
Kaontinenta Isan'ny mponina Isan-jaton'ny
isan'ny mponina
Azia 4 030 000 000 60,5 %
Afrika 965 000 000 14,0 %
Eoropa 731 000 000 11,3 %
Amerika latina sy Karaiba 572 000 000 8,6 %
Amerika avaratra 339 000 000 5,1 %
Oseania 34 000 000 0,5 %

18,3%n'ny isan'ny mponina eto an-tany no mipetraka eny amin'ny firenena mandroso, ary 81,7% mipetraka eny amin'ny faritany ambany fandrosoana.

Fivoaran'ny isan'ny mponina araky ny fandrosoan'ny taona

Isam-ponina
Ny isam-ponina teto an-tany tamin'ny 1800 hatramin'ny faminavinana ho an'ny taona 2100.

Vinavinaina ihany ny habetsaky ny olona eto an-tany. Ho an'ny isan'ny mponina talohan'ny taonjato faha 19, vinavinaina ny hakitroky ny mponina amin'ny alàlan'ny taham-pamokaran'ny tany volena.

Tanaty lahatsoratra iray tamin'ny 1995 (nohavaozina tamin'ny 2002), ny demografita Carl Haud avy amin'ny Biraom-panisan'i Etazonia, dia naminavina fa 106 miliara ny isan'ny olona niaina teto an-tany.

Ny faminavinana ny isan'ny mponina araka ny fandrosoan'ny taona dia mifototra amin'ny fandravonana navoakan'nny Biraom-panisan'i Etazonia ho an'ny fe-potoanna manomboka amin'ny taona -10000 hatramin'ny taona 1940. Ny fandalinan'i Gregory Cochran mahakasikan'ny ADN ara-mitokondria dia ahafahana maminavina ny isam-ponina amin'ny taona mbola talohan'ny taona -10000.

Rehefa dinihana akaiky ny isan'ny mponina, dia hita fa ambany ny fiitany, nandritry ny taonarivo maro dia maro. Tamin'ny fotoana maoderina ny isam-ponina no nanomboka niitatra : 650 tapitrisa tamin'ny 1750, lasa 1,2 miliara izy zato taona taoriana, ary 2,5 tapitrisa tamin'ny 1950.

Tratra tamin'ny volana Oktobra tamin'ny 1999 ny enina tapitrisa mponina.

Tantara

Noho ny voina lehibe nitranga (jereo ny voin'i Toba) tamin'ny taona faha-70000 talohan'i Jesoa Kristy, nihavitsy ny mponina teto an-tany. Taorian'io voina io hatramin'ny fanabeazana ny fambolena, vinavinaina eo amin'ny iraika tapitrisa eo ho eo ny isan'ny mponina miaina erak'izao tontolo izao. Ireo olona ireo talohan'ny fanabeazana ny fambolena, dia mitady sakafo amin'ny alàlan'ny fihazanana, ary ny fihotiana. Rehefa kely ny hakitroky ny mponina, dia mbola mahafeno ny kibo ny fihotiana sy ny fihazanana. Nitombo ny isan'ny mponina nandritry ny taonarivo faha 7 TJK hatramin'ny taonjato faha 4 : 55 tapitrisa tany ho any ny isan'ny mponina ao amin'ny Empira Romana. Taorian'ny fanonganana ny Empira Romana tamin'ny taonjato fahadimy, mijanona ny fitomboan'ny isan'ny mponina. Noho ny aretina tononina hoe pestan'i Jostiniana tamin'ny 540, nihidina ny isam-ponina tao amin'ny Empira Romana Atsinanana (Empira Bizantina). Io pestan'i Jostinina io dia pesta nahavono olona indrindra tao Eoropa alohan'ny Pesta mainty valonjato taona taty aoriana.

Isan'ny mponina amin'ny firenena be mponina indrindra

BrazilaAmerika LatinaEtazoniaAmerika AvaratraRosiaVondrona EoropeanaEoropaNigeriaAfrikaBangladesaPakistanaIndoneziaIndiaRepoblika entim-bahoakan'i SinaAziaIsam-ponina

Firenena ambony hakitroka

Isam-ponina
Hakitroky ny mponina ; sarintany tamin'ny 1994
Ny faritany 10 be hakitroka indrindra
Laharana Firenena/Faritany Isan'ny mponina Velarantany (km2) Hakitroka (i.-p. / km2) Tsiahy
1 Isam-ponina Monako 32 719 1.95 16 779
2 Isam-ponina Singapaoro 4 620 657 707,1 6 535
3 Endrika:Country data Vatican Vatikana 824 0.44 1 873
4 Endrika:Country data Maldives Maldiva 385 375 298 1 293
5 Isam-ponina Malta 404 032 316 1 279
6 Endrika:Country data Bahrain Baharainy 723,967 665 1,089
7 Isam-ponina Bangladesa 157 813 124 147 570 1 069
8 Endrika:Country data Palestinian territories Tany palestiniana 4 223 760 6 020 702
9 Isam-ponina Naoro 13 918 21 663
10 Endrika:Country data Taiwan Taiwan 22 955 395 36 190 634
Firenena milahatra ambony amin'ny isan'ny mponina manontolo (mahery ny 15 tapitrisa mponina) ary amin'ny hakitroky ny mponina :
Laharana Firenena Isam-ponina Velarantany (km2) Hakitroka (i.-p./km2) Tsiahy
1 Endrika:Country data India India 1 190 720 000 3 287 240 362 Taham-piitarana ambony
2 Isam-ponina Bangladesa 157 813 124 143 998 1 069 Taham-piitarana ambony be
3 Isam-ponina Japana 127 170 110 377 873 337 Taham-piitarana miiba
4 Endrika:Country data Philippines Filipina 93 843 460 300 076 313 Taham-piitarana ambony be
5 Endrika:Country data Vietnam Vietnam 85 789 573 331 689 259 Isam-ponina miitatra
6 Isam-ponina Fanjakana Mitambatra 62 041 708 243 610 255 Isam-ponina ambany fiitarana
7 Isam-ponina Korea Atsimo 49 354 980 99 538 493 Isam-ponina ambany fiitarana
8 Endrika:Country data Taiwan Taiwan 22 955 395 35,980 639 Isam-ponina ambany fiitarana
9 Isam-ponina Sri Lanka 20 238 000 65 610 309 Taham-piitarana ambony
10 Endrika:Country data Netherlands Nederlanda 16 630 000 41 526 400 Isam-ponina ambany fiitarana

Fiitatra

Isam-ponina
Ny isan'ny zaza ananan'ny vehivavy
Isam-ponina
Ny isam-ponina (avy amin'ny data omen'ny FM.

Samihafa araka ny kaontinenta ny fiitatry ny isan'ny mponina. Ny isan'ny mponin' Azia izao dia nahazo 237 tapitrisa tanenalenan'ny taona 2000 hatramin'ny taona 2005.

Tamin'ny taonjato faha roapolo, niitatra be mihitsy ny isan'ny mponina noho ny fihatsaran'ny fitsaboana sy ny fandrosoan'ny siansa sy ny teknolojia amin'ny lafin'ny fitsaboana, miaraka amin'ny fihabetsahan'ny vokatry ny saha.

Tamin'ny 2000 ny Firenena Mikambana dia naminavina ny taham-piitaran'ny isan'ny mponina ho 1,14 isan-jato ary isan-taona (+75 tapitrisa mponina). Ny isan'ny mponina tamin'ny taona roa arivo dia im-polon'ny isan'ny mponin'ny tany tamin'ny 1700. Araka ny ambaran'ny CIA World Factbooks miampy 211 090 eo ho eo ny isan'ny mponina isan'andro tamin'ny 2000 ary 220 980 tamin'ny 2009.

Amin'ny ankapobeny, nidina ny taham-piitaran'ny isan'ny mponina manerana ny tany, afatsy ny any amin'ny faritra Afrika Sobsahariana, any Amerika Latina ary any Azia Andrefana.

Demografia

Jereo koa

Rohy ivelany

Tsiahy

  1. The Monaco government uses a smaller surface area figure resulting in a population density of 18,078 per km².
  2. 2,0 et 2,1 Population density calculated using surface area and population figures from the CIA World Factbook Archived Janoary 10, 2019 at the Wayback Machine.
  3. mohammed al a'ali (April 1, 2008). Population surge 'threat to economy'. gulf Daily News. Retrieved on 2008-04-21.
  4. Latest figure from the World Bank Development Indicators Database is 1,090 per km².
Isam-ponina
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

This article uses material from the Wiki Malagasy article Isam-ponina, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.

Tags:

Isan'ny mponina erak'izao tontolo izao Isam-ponina

Isan'ny mponina amin'ny firenena be mponina indrindra Isam-ponina

Firenena ambony hakitroka Isam-ponina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Luis BuñuelFiteny sinoaIngmar BergmanGiovanni AgustaOkrainaYuri GagarinGouverneur K. WarrenA.J. PierzynskiLibiaRoko BelicTalus-Saint-PrixGrisyJean-Claude BrialyRobert SchapireHelmut SchreyerMakurazakiZaridainaEleanor RooseveltHubert SchardinCesserasArthur LegatEdmond FuchsBrian MayOlombelonaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôTantaran' i MadagasikaraWMadagasikaraSAdimizanaPKabary famangianaYTVKQJKolontsaina malagasyFiraisana ara-nofoXMIABDokuWikiZOFRGEHUFoko eto MadagasikaraAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaDKabary am-panambadianaFatidraCFanandroana malagasyOmbiasaAziaNFilazam-potoana (fitsipiteny)Fiteny malagasyBetsimisarakaAntemoroZivaKalandrie persanaLFiteny anglisyFangitra ara-jeografiaAterinetoDidy Folo🡆 More