I San-Marîno dia firenena ao Eorôpa Atsimo, tsy manana morontsiraka, mihitsoka tanteraka eo anelanelan’ ny faritanin’ i Émilie Romagne sy ny faritanin’ i Marches ao amin’ ny tapany avaratra-atsinanan’ i Italia.
Ny tanàna lehibe indrindra dia i Dogana. Mirefy 61,2 km2 ny velaran-taniny ary miisa 32 576 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 31 Jolay 2012. Ny faritr' ora dia +1. Katôlika ny ankamaroan’ ny mponina ao San-Marino.
Ao amin’ ny fototr’ ireo tendrombohitra Apennino no misy an' i San-Marîno. Fifandimbiasana havoana anjakan’ ireo tendro vaton’ i Titano (izay manana haambo 739 m) ny vohon-tany any amin' io firenana io.
Tamin’ ny taonjato faha-14 no niorina i San-Marîno izay repoblika afaka tranainy indrindra eto an-tany. Na dia mihitsoka ao amin’ ny tanim-pirenen’ i Italia aza i San-Marîno dia manana fahefana mahaleo tena sy manana ny fiandrianany.
Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article San-Marîno, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.