Ny fivavahana eto Madagasikara dia mitovitovy amin' ny an' ireo firenena aty Afrika atsimon' i Sahara ahitana ny fifanojoan' ny fivavahana maro samihafa izay miteraka fanao ara-pivavahana isan-karazany.
Ny tena be mpanaraka dia ny fivavahan-drazana sy ny fivavahana kristiana ary ny finoana silamo. Hita koa ny fivavahana hafa toy ny bahaisma sy ny hindoisma. Efa eto Madagasikara koa izao ny jodaisma.
Ny Malagasy mandala ny fivavahana nentim-paharazana dia mivavaka amin' i Zanahary sy amin' ny razana. Mihoatra ny 52 %n' ny mponina no manaraka ny fivavahan-drazana izay fivavahana manantitra ny fifandraisan' ny velona sy ny maty (Razana).
Tsy misaraka amin' ny tontolon' ny velona ny tontolon' ny Razana izay ivavahana ka izany no ahitana Malagasy manao fomba isan-karazany amin' ny fanamboaram-pasana sy amin' ny fanatanterahana ny famadihana amonosan-damba indray ny maty sy andevenana azy indray aorian' izay. Any Imerina sy any amin' ny faritra Betsileo no tena ahitana ny fanaovana famadihana. Izany fivavahana amin' ny razana izany dia matetika miaraka amin' ny fanandroana sy ny sikidy.
Miantso an' Andriamanitra na an' i Zanahary mpamorona sy zanahary na andriamanitra maro hafa koa ny Malagasy mandala ny fivavahan-drazana rehefa misy zavatra ataony.
Ny 41 %n' ny Malagasy dia Kristiana ka ny tena misongadina, raha amin' ny lafiny isa, dia ny Katôlika sy ny Prôtestanta.
Tamin' ny nahatongavan' ny misiônera prôtestanta anglisy, dia i David Jones sy i Thomas Bevan, izay nirahin' ny London Missionary Society (LMS) tamin' ny taona 1820, no nanombohan' ny fitoriana ny Filazantsara teto Madagasikara. Nanaraka izany teo antenatenan' ny taonjato faha-19 ireo misiônera nôrveziana sy misiônera katôlika izay nanorina fiangonana sy sekoly.
Mandray anjara amin' ny raharaham-pirenena ny fiangonana kristiana malagasy ka ny fantatra indrindra amin' izany dia ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ahitana ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) ary ny Eklesia Episkôpaly Malagasy (EEM) izay mandray anjara amin' ny famahana ny olana pôlitika eo amin' ny firenena malagasy. Hita ao koa ny Fiangonana ôrtôdôksa izay misy mpino eo amin' ny 20 000 eo sady miaraka amin' ny Patriarkatan' i Aleksandria , ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany (misy mpino miisa 8 000 eo ho eo), ny Vavolombelon' i Jehovah, ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito sy ny hafa koa.
Efa tany amin' ny Andro Antenatenany no nisy Arabo sy mpivarotra sômaliana mozilmana nanorina sekoly silamo tamin' ny morontsiraka atsinananan' i Madagasikara. Ny fanandroana arabo no niely manerana ny Nosy fa ny fivavahana silamo kosa dia tsy tafapetraka afa-tsy tamin' ny toerana vitsy dia vitsy tany amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara.
Ny 1 %n' ny mponin' i Madagasikara dia Mozilmana tamin' ny taona 2010. Tamin' ny taona 2020 dia eo anelanelan' ny 10 % sy 13 % amin' ny mponin' i Madagasikara ny Mozilmana eto amin' ny Nosy. Kômôriana sy Karàna (Indiana sy Pakistaney) ny ankamaroany dia any amin' ny tapany avaratra-andrefan' ny Faritanin' i Mahajanga sy any amin' ny Faritanin' Antsiranana. I Mohammed V, mpanjakan' i Marôka, izay nialokaloka teto Madagasikara, no nahataona Malagasy sasany ho lasa Mozilmana.
Nanomboka tamin' ny taona 2010 dia nihanitombo ny integrisma mozilmana izay vatsian' ny firenena any amin' ny Hoala Persika sy avy any Pakistàna vola. Manahy noho izany ny Mozilmana mpanaraka ny finoana silamo tranainy sy ny mpandraharaha mozilmana. Tsara ho marihina koa fa mitombo tanjaka ny salafisma ao amin' ny Tangoronosin' i Kômôro.
Anisan' ireo fivavahana misy eto Madagasikara ny finoana bahay. Tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1953 ny mpisava lalana bahay ka niteraka ny fiovam-pinoan' ny Malagasy sasany ho amin' izany finoana izany. Tamin' ny taona 2005 ny Association of Religion Data Archives dia nilaza fa misy mpino bahay 17 900 eto Madagasikara, izany hoe 0,1 % amin' ny mponina rehetra.
Efa miorina eto Madagasikara koa ny fivavahana jiosy na jodaisma izay miseho amin' ny endriny maro. Mitombo isa noho izany ny Jiosy malagasy ara-pivavahana. Tamin' ny volana Mey 2016 no nisy Malagasy miisa 121 noraisina ho amin' ny jodaisma.
Taty aoriana vao niditra teto Madagasikara ny hindoisma tamin' ny alalan' ireo mpifindra monina avy any Saurashtra any India tamin' ny faran' ny taonjato faha-19. Ny ankabetsahan' ny Hindoa eto Madagasikara dia miteny gojaraty sy hindy. Vitsy ny Hindoa eto Madagasikara ka ny ankamaroany dia mpandraharaha moninana eto Madagasikara efa hatramin' ny taranaka maro nifandimby.
Amin' izao fotoana izao dia mbola misy ireo Malagasy izay mampirafy finoana ka mampifangaro ny fivavahana kristiana na silamo na hafa amin' ny fivavahan-drazana. Ohatra raha misy maty dia entina any am-piangonana ny razana avy eo rehefa any am-pasana dia atao ny fandevenana manaraka fomban-drazana na antsoina ny mpitondra fiangonana hanome endrika kristiana ny famadihana .
Finoana sy fomba malagasy:
Fivavahana eto Madagasikara:
Hafa
Fivavahan-drazana
Fivavahana jiosy
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fivavahana eto Madagasikara, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.