Aotrisy

Malagasy editions of Wiki, an online encyclopedia

Republik Österreich ((de))
((de))
Repoblikan' i Aotrisy ((mg))
Sainan’ AotrisyEvan’ Aotrisy
(Antsipirihany)(Antsipirihany)
Teny filamatra : Tsy misy
EU-Austria.svg
Teny ofisialyfiteny alemana (tenim-pirenena) ; fiteny magyar sy fiteny slovena (tenim-paritra)
RenivohitraVienne
48°12′N 16°21′E / 48.200°N 16.350°E / 48.200; 16.350
Tanàna ngeza indrindraVienne
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Chancelier
Repoblika federaly
Alexander Van der Bellen
Karl Nehammer
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 112
83 879 km²
0,84 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2021)
 - hakitroka
faha 88
8 932 664 mpo.
106 mpo./km²


Anaran'ny mponinaAotrisianina
IDH (2019)Mihakatra 0,922 (ambony) faha 15
Sandam-bolaEuro (EUR)
Faritr'oraUTC +1
Hiram-pirenenaLand der Berge, Land am Strome
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+43

Ny Aotrisy na Repoblikan' i Aotrisy, dia firenena any Eorôpa Afovoany, tsy manana morontsiraka, voafaritr' i Soisa sy i Liktenstaina any andrefana, i Italia sy i Slôvenia any atsimo, i Hôngria sy i Slôvakia any atsinanana ary i Alemaina sy ny Repoblika Tseky any avaratra. Firenenana mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeanina mampiasa ny sandam-bola Euro i Aotrisy. I Vienna no renivohiny ary ny fiteny ôfisialiny dia fiteny alemana.

Firenena tsy manana moron-tsiraka i Aotrisy. Be tendrombohitra ny vohon-taniny: ireo tendrombohitra Alpa Aotrisiana izay mandrakotra ny 80 %n' ny taniny.

Miompana amin' ny taozava-baventy sy ny fizahàn-tany ny toekaren' i Aotrisy.

Manana tantara lava i Aotrisy. Ireo faritra any Aotrisy ankehitriny dia tafiditra tao amin' ny Empira Rômana. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-13 i Aotrisy dia teo ambany fifehezan' ny Empira Masina Rômana Jermanika. Lasa empira matanjaka i Aotrisy taty aoriana izay nahatatra ny fara tampon' ny tanjany tamin' ny taona 1848 hatramin' ny 1916. Nanomboka tamin' ny taona 1867 izy dia lasa nantsoina hoe Empira Aostrô-Hôngariana. Tamin' ny 26 Jona 1914 dia nisy namono i François-Ferdinand zana-drahalahin' ny emperora izay tokony handova ny fitondrana, ka izany no nampipoaka ny Ady Lehibe Voalohany. Rava ny Empira Aostrô-Hôngariana tamin' ny fiafaran' izany ady izany ka tetraka ny Repoblika Aotrisiana, izay naharitra teo anelanelan' ny taona 1918 sy 1938. Nakamban' i Hitler tamin' i Alemaina i Aotrisy taty aoriana. Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa anefa dia ny tafik' ireo firenena niady amin' ny nazisma no nibodo ny tanin' i Aotrisy. Lasa fanjakana nanana ny fiandrianany indray i Aotrisy tamin' ny taona 1955, tafatsangana indray ny Repoblika Aotrisiana ary niala amin' izay ireo firenena nibodo azy. Niditra ho  mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana i Aotrisy tamin’ ny taona 1995.

Tantara

Toetany

Toe-karena

Jereo koa

  • Empira Aostrô-Hongarianina
  • Dinastian' ny Habsbourg
  • Lisitra ny gazety Aotrisianina
  • Schiling Aotrisianina

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Kôsôvô - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Rohy ivelany

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Aotrisy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.

In other languages:

/** SHOW / HIDE SECTION**/function mfTempOpenSection(getID) {var x = document.getElementById("mf-section-"+getID); if (x.style.display === "none") { x.style.display = ""; } else { x.style.display = "none"; }}