Alakarabo

Ny Alakarabo no vintana fahavalo amin' ny fanandroana malagasy.

Ny Adimizana no eo alohany ary ny Alakaosy no manaraka azy. Ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy.

Alakarabo

Ny fiavian' ilay anarana

Ny fiavian' ilay anarana

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe اعقرب / Al-Akrab ("maingoka") ny hoe Alakarabo.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Scorpius na amin' ny teny frantsay hoe Scorpion ("maingoka"). Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Akarabu na Nge io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Akrab na Kala ihany koa izy.

Alakarabo 
Antokon-kintan'ny Maingoka

Ny antokon-kintana Maingoka sy ny zôdiaka

Eo amin' ny 20 Novambra hatramin' ny 29 Novambra ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Maingoka. Amin' ny 23 Oktobra hatramin' ny 22 Novambra ny fari-potoan' ny Maingoka ao amin' ny zôdiaka mikisaka fa amin' ny 16 Novambra hatramin' ny 15 Desambra izany araka ny zôdiakan-kintana. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.

Ny vintana Alakarabo

Toerany

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahavalo koa izy ka ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Zanabintana ny Alakarabo. Miarina eo amin' ny Alahamady sady mifandratra amin' ny Adaoro ny vintana Alakarabo.

Fombany

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana tsara ny Alakarabo satria andron' ny fahavokarana.

Vava Alakarabo

Tokony misoronana akondro vokatra ny olona amin'ny vava Alakarabo amin' ny maha vintam-bokatra azy. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Voalaza fa teraka tamin' ny vava Alakarabo ny mpanjaka Ranavalona II.

Vody Alakarabo

Ny zazavavy teraka vody Alakarabo dia ho maro anaka ihany koa ary ny zazalahy ho tratra antitra.

Ny volana Alakarabo

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alakarabo ho volana fahavalo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin'ny vava Alakarabo ka miafara amin' ny vody Adimizana ny volana Alakarabo raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adimizana dia miafara amin' ny vava Alakarabo ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alakarabo io dia mifarana amin' ny vody Alakarabo ny volana izay misy 30 andro. Isan' ny olona teraka tamin' ny vava Alakarabo ny mpanjaka Ranavalona II.

Jereo koa

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Alakarabo Ny fiavian ilay anaranaAlakarabo Ny vintana Alakarabo Ny volana Alakarabo Jereo koaAlakarabo Loharano sy fanamarihanaAlakaraboAdimizanaAlakaosyFanandroana malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Farao ao amin' ny BaibolyFiteny japôneyQasr-e QandFambolenaFirenenaTestamenta VaovaoPaskaWikipediaAhidambo16 JolayAntom-pisian'ny olonaFrantsaFivavahanaAl-Biruni1431MontanaKolontsainaBootjack, KaliforniaFANJAKAN’ I MADAGASIKARAFiloham-pirenena sy mpanjakan'i Madagasikara748EorôpaMosesy MaimonidaFanjanahantanyÔksizeninaMerinaSampan-tenyTantaran' i MadagasikaraAdizaozaFanahin' ny vatanaLatakiaFiangonana ôrtôdôksa tatsinanana2007AotrisySoson-drivotry ny tanyFiteny iranianaAdaoroFehezantenyLetôniaTrombaMaorisyEpistily ho an' ny RômanaPôlinezia FrantsayFiteny romantsaJapànaKyivFilazantsaraZanabintanaMosavy (finoana malagasy)MatoantenyApôlinarisma12001945Fiteny katalànaAveloRano21 MeyFandriam-pahalemanaISO 4217Fidangan' ny vidim-piainanaPellevoisin1417Foko eto MadagasikaraHaisoratra439Fiteny grikaAnaranaBatisaKharg (nosy)Fiteny aromanianaEkoadôraTanzania🡆 More