Fiteny Pôrtogey

Ny fiteny pôrtogey dia fiteny ao amin' ny ratsana rômanan' ny vondrom-piteny indô-eorôpeana.

Atao hoe Lozôfôna ny mpiteny pôrtogey. Laharana fahasivy ny fiteny pôrtogey raha heverina isan' ny olona manana io teny io ho fiteny nibeazana. Io teny io no teny voalohany indrindra be mpampiasa any Amerika Atsimo (51 %), ka noho izany dia fiteny miasa indrindra any amin' ny Ila-bolantany atsimo izy. Aty Afrika dia izy io no linga franca manan-danja ao amin' ireo firenena nozanahin' ny Pôrtogey taloha.

Fiteny Pôrtogey
Faritra eto amin' izao tontolo izao itenenana pôrtogey

Mahatratra 227,9 tapitrisa ny fitambaran' ny mpiteny manao ny fiteny pôrtogey ho tenin-dreny eto amin' izao tontolo izao ary noho izany dia io no fiteny eorôpeana fahatelo be mpampiasa indrindra amin' ny maha-tenin-dreny azy aorian' ny fiteny espaniôla (406 tapitrisa) sy ny fiteny anglisy (335 tapitrisa). Izy koa no fiteny fahadimy amin' ny isan' ny firenena manao ny fiteny pôrtogey ho fiteny ôfisialy ary fahafito amin' ny isan' ny fandikan-teny ho amin' ny fiteny pôrtogey.

Ao amin' ny fianakaviam-piteny iberô-rômana ny fiteny pôrtogey ary misy fitoviana maro amin' ny fiteny kastilana. Any Galicia (Espaina) no itenenana ny fiteny galisiana, izay mifandray akaiky aminy.

Tenenina any Brezila, any Pôrtogaly, any Madera, any Asaora, any Angôla, any Môzambika, any Kapvera, any Ginea Bisao, any Ginea Ekoatôrialy, any Saô Tôme e Prinsipe, any Timôro Atsinanana, any Goa (India), any Daman sy any Diu (India) ary any Macao (Sina) io fiteny io.

Fiteny Pôrtogey
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

AfrikaAmerika AtsimoFitenyFiteny indô-eorôpeaninaIla-bolantanyTeny nibeazana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AviavyAndy MurrayNikolai TrubetzkoySaint Paul, MinnesotaMario Basler132010 OktobraJitànaRafael NadalHaranita-tsaina voatrolombelonaRosiaRay aman-drenyEduard ShevardnadzeMataróRy Tanindrazanay malala ôFrederick the GreatTetiandro gregôrianaRocourt-Saint-MartinTantala (metaly)WikiBetsileoBiraom-panisan'i EtazoniaBaoksitaLitiômaSorona masinaAdama sy EvaSilamo eto MadagasikaraGliosidaAngatra (aretina)VolambitaCarl HoefkensVoronaparadisaVarennes-JarcyRanavalona IIIKiboboGoogleAfrikaSilamoFiarahamoninaBokin' ny MpitsaraKolontsainaAngovo azo havaozinaSaint-Maurice-d'ArdècheWolfgang Amadeus MozartFinoanaWilliam KamkwambaMosavy (finoana malagasy)Fanekem-pinoana nikeanaSamuel RatanyMiksa DériFamadihanaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôVoltora mainty eorazianaMpisolo tena (fitsipiteny)Terny-SornyFitiavanaFikambanan'ny Firenena any Azia Atsimo-AtsinananaMitra (andriamanitra)Orlando, FloridaGidroFifohazana (kristianisma malagasy)Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)LufthansaPlotoHenri RatsimbazafyFiteny akadianaAlohotsyPapelika (vorona)Zhuge LiangFacebookFoko eto Madagasikara🡆 More