I Mayotte na Maoré na Mahôry dia tamba-nosy sady departemanta frantsay any andrefan' ny Tamba-nosin' i Kômôro, any avaratra andrefan' i Madagasikara.
Ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika no misy azy; ny renivohiny dia i Mamoudzou, izay tanàna lehibe indrindra any. Manana velarana mirefy 376 km2 ilay tamba-nosy. Tamin' ny taona 2023 izy dia nisy mponina 310 022.
Ny anaran' i Mayotte dia avy amin' ny teny pôrtogey Mayotta, fandikana ny teny soahily hoe Maouti, izay lazaina fa avy amin' ny teny arabo hoe جزيرة الموت / Jazirat al Mawet izay midika hoe "nosim-pahafatesana" (angamba noho ny fisian' ny haran-dranomasina manodidina ilay nosy izay efa hatry ny ela no mampidi-doza ho an' ny sambo). Amin' ny fiteny simaôre (fitenim-paritra avy amin' ny fiteny soahily), dia antsoina hoe Maoré ilay nosy.
Manana nosy kely maromaro i Mayotte: i Mtsamboro, i Mbouzi ary i Bandrélé; ny kaody ara-departemanta ôfisialiny dia 976. Misy telo ny fitenin' ny olona ao, dia ny fiteny frantsay (fiteny indô-eorôpeana) sy ny fiteny simaôre na kimaôre (fiteny banto) ary ny fiteny sibosy na kibosy (fiteny aostrôneziana). Amin' ny teny frantsay i Maiôty dia atao hoe Mayotte, fa amin' ny fiteny simaôre kosa dia Maore.
Tamin' ny nanjakan' i Louis-Philippe I (mpanjakan' i Frantsa) dia navarotr' i Andriantsoly, soltana faran' i Mayotte izay natahotra ny fandrahonan' ny fanjakana manodidina azy, tamin' ny Frantsay ilay nosy tamin' ny 25 Avrily 1841, mba hahazoany fiarovana. Tamin’ ny taona 1848 dia nakambana amin' ny Repoblika Frantsay ilay nosy. Tamin' ny taona 1886 dia nivadika prôtektôrata ny nosin' i Kômôro Lehibe (na Ngazidja) sy i Môhely (na Mwali) ary i Njoany (Njdwani) izay notantanin' ny governoran' i Mayotte. Nivadika departemanta andafin' i Frantsa i Mayotte tamin' ny 30 Marsa 2011. Ataon' ny Malagasy hoe Antimahôry na Antemahôry ny mponina ao Mayotte.
Ny nosy manan-danja ao amin' ny tamba-nosin' i Mayotte dia ireto:
Nosy ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro:
Hafa
I Wiki Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Mayotte |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Mayotte, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.