Matoanteny
Ny matoanteny dia teny izay ampiasaina ao amin' ny fehezanteny na fehezankevitra mba hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika , filaza, fanehoan-javatra sns.
Ny matoanteny dia teny (sokajin-teny) izay ampiasaina ao amin' ny fehezanteny na fehezankevitra mba hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika (maneho fotoana, fiendrika (na fitodika), filaza, fanehoan-javatra sns. arakaraka ny fiteny), nefa misy koa ny fiteny tsy manova ny endriky ny matoanteny mihitsy. Ny isan' ireo antom-piovan' endriky ny matoanteny ireo dia miovaova araka ny fiteny. Mety hifandray amin' ny endriky ny teny mifandray aminy mivantana izany fiovan' endriky ny matoanteny izany ka isan' izany ny maha tokana na maro na ny maha kandahy na kambavy ny mpandray anjara (lazaina, fameno, sns), sns. Ireto misy matoanteny amin' ny fiteny malagasy: mihinana, mandehana, nifampijerena, sns. Ny tarika foronin' ny matoanteny sy ny teny na andian-teny mameno azy sady tsy azo foanana no atao hoe "tarika matoanteny".
Ny endrika ara-pitsipitenin' ny matoanteny
Endrika mifandray amin' ny asa na ny toetra tondroiny
Ny filaza
Ny filaza dia toetra ara-pitsipiteny izay maneho ny fomba fihevitry ny mpiteny momba ny votoatin' ny zavatra lazainy (asa na toetra) ka mety ho filazana fisiana marina na ahiahy na fahafahana mitranga izany. Ny fiteny malagasy dia ahitana ny filaza tsotra sy ny filaza mandidy.
Ohatra, tsy mitovy endrika ny matoanteny malagasy manapaka sy manapaha satria tsy mitovy filaza: ny voalohany amin' ny filaza tsotra fa ny faharoa amin' ny filaza mandidy.
Ireto koa ny filaza sasany mety ho hita amin' ny fiteny hafa: ny filaza ifampiankinana sy ny filaza mihonohono (na mifampiankina) ary ny filaza mirary. Amin' ny voambolan' ny fitsipiteny eorôpeana dia isaina ho filaza koa ny endri-matoanteny toy ny endrika tsy mitanisa sy ny ova-matoanteny ary ny filaza toe-javatra.
Ny fanehoan-javatra
Ny fanehoan-javatra na faneho dia toetra ara-pitsipiteny izay ahafahan' ny mpiteny maneho ny fomba fijeriny manoloana ny fivoaran' ny ny asa na ny toetra resahina (fanombohany, fizotrany, fahavitany sns) ao amin' ny matoanteny na ny teny rehetra mety hatao entimilaza. Ny mariky ny filazam-potoana amin' ny fiteny sasany dia mariky ny fanehoan-javatra ihany koa ka mahatonga ireo fiteny ireo hoatry ny manana filazam-potoana maro dia maro.
Ohatra, tsy mitovy endrika ny matoanteny malagasy mitapaka sy voatapaka satria tsy mitovy fanehoan-javatra: ny voalohany amin' ny fanehoan-javatra tsy efa fa ny faharoa amin' ny fanehoan-javatra efa.
Ireto ny karazana fanehoan-javatra fahita matetika amin' ny fiteny maro: ny fanehoan-javatra efa, ny fanehoan-javatra mitohy, ny fanehoan-javatra mifintina ary ny fanehoan-javatra mifetra sy ny mifanohitra amin' ireo.
Ny filazam-potoana
Ny filazam-potoana dia toetra ara-pitsipiteny izay manampy amin' ny fahafantarana ny fotoana nisehoan' ny asa na ny toetra amin' ny alalan' ny fiovan' endrika, ka izany fotoana izany dia mety ho ny iray amin' ireto telo ireto: ankehitriny sy lasa ary hoavy. Tsy ny fiteny rehetra no manana fomba ara-pitsipiteny hilazany fotoana, ary amin' izay manana izany dia ao ireo tsy mizara afa-tsy fotoana roa (lasa vs tsy lasa, hoavy vs tsy hoavy), ary ao ireo mizara izany mihoatra ny telo.
Ohatra, tsy mitovy endrika ny matoanteny malagasy manapaka sy nanapaka ary hanapaka satria tsy mitovy filazam-potoana: ny voalohany amin' ny filazam-potoana ankehitriny, ny faharoa amin' ny filazam-potoana lasa ary ny fahatelo amin' ny filazam-potoana hoavy.
Ny fiendrika
Ny fiendrika na fitodika dia toetra ara-pitsipiteny izay hita taratra amin' ny fiovan' endrik' ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin' ny lazaina. Ny fiendrika na fitodika fantatra indrindra ao amin' ny fiteny maro dia ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina. Arakaraka ny mpahay teny no anavahana na tsia ny atao hoe fitodika sy ny hoe fiendrika.
Ohatra, tsy mitovy endrika ny matoanteny malagasy manapaka sy notapahina ary anapahana satria tsy mitovy fiendrika: ny voalohany amin' ny fiendrika manano, ny faharoa amin' ny fiendrika anoina ary ny fahatelo amin' ny fiendrika ananovana.
Endrika misy ifandraisana amin' ny mpandray anjara
Ny mpandray anjara ao amin' ny fehezanteny dia mety hitana ny anjara asa lazaina na iray amin' ny anjara asa fameno.
Fifandraisana amin' ny laharan' ny mpandray anjara
Ny endriky ny matoanteny amin' ny fiteny sasany dia miovaova arakaraka ny laharan' ny mpandray anjara ka matetika dia ny mpandray anjara misahana ny anjara asa lazaina izany nefa koa mety ho ny iray na maro amin' ireo mpandray anjara mitana ny anjara asa fameno: laharana voalohany na faharoa na fahatelo.
Amin' ny fiteny frantsay dia miovaova arakaraka ny laharana na ny vondron-daharana ara-pitsipitenin' ny lazaina ny endriky ny matoanteny, indrindra eo amin' ny fanoratana. Ohatra ny matoanteny hoe croire ("mino"): nous croyons ("mino izahay/isika"), vous croyez ("mino ianareo"), ils/elles croient ("mino izy (ireo)").
Fifandraisana amin' ny isan' ny mpandray anjara
Ny endriky ny matoanteny amin' ny fiteny sasany koa dia miovaova arakaraka ny filaza isan' ny mpandray anjara isan' anjara asa ka matetika dia ny mpandray anjara misahana ny anjara asa lazaina izany nefa koa mety ho ny iray na maro amin' ireo mpandray anjara mitana ny anjara asa fameno: endrika milaza tokana na endrika milaza maro sns.
Amin' ny fiteny frantsay dia miovaova arakaraka ny isan' ny mpandray anjara lazaina ny endriky ny matoanteny, indrindra eo amin' ny fanoratana. Ohatra amin' ny matoanteny hoe croire ("mino"), ampitahao ny je crois ("mino aho") sy ny nous croyons ("mino izahay/isika"); ny tu crois ("mino ianao") sy ny vous croyez ("mino ianareo"); ny il/elle croit ("mino izy") sy ny ils/elles croient ("mino izy (ireo)").
Fifandraisana amin' ny kilahivavin' ny mpandray anjara
Ny endriky ny matoanteny amin' ny fiteny sasany dia miovaova arakaraka ny kilahivavin' ny ny mpandray anjara ka matetika dia ny mpandray anjara misahana ny anjara asa lazaina izany nefa koa mety ho ny iray na maro amin' ireo mpandray anjara mitana ny anjara asa fameno: kandahy na kambavy sns.
Amin' ny fiteny frantsay dia miovaova arakaraka ny kilahivavin' ny mpandray anjara lazaina na faneno ny ova-matoanteny lasa amin' ny tranga sasany, indrindra eo amin' ny fanoratana.
Ohatra:
- Le garçon s'est assis devant moi. ("Nipetraka teo anoloako ilay zazalahy": mifandray amin'ny lazaina: kandahy)
- La fille s'est assise devant moi. ("Nipetraka teo anoloako ilay zazavavy": mifandray amin'ny lazaina: kambavy)
- Les informations que j'ai transmises ... ("Ny vaovao nampitaiko ...": mifandray amin' ny fameno: kambavy)
- Le message que j'ai transmis... ("Ny hafatra nampitaiko ...": mifandray amin' ny fameno: kandahy)
Fiteny manana matoanteny tsy miova endrika
Misy fiteny maro izay tsy manavaka ny matoanteny sy ny anarana ka ny anjara asa am-pehezanteny no manan-danja kokoa noho ny fanasokajiana ny teny. Ireto avy ireo fiteny ireo: fiteny ao Azia Atsinanana: ny fiteny mandarina, ny fiteny vietnamiana, ny fiteny taý, ny fiteny monda; fiteny ao Afrika: ny fiteny oôlôfo.
Ny fiteny anglisy koa dia mikisaka mankany amin' ny fampitovian' endrika ny anarana sy ny matoanteny. Ohatra: water ("rano") vs water ("mameno rano"), pen ("penina") vs pen ("manoratra amin' ny penina"), baby ("zazamena") vs baby ("mikarakara zazamena") sns.
Jereo koa:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Matoanteny, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.
In other languages:
- Afrikaans: Werkwoord - Wiki Afrikaans
- Suisse allemand: Verb - Wiki Alemannisch
- Aragonais: Verbo - Wiki Aragonés
- Arabo: فعل - Wiki العربية
- Asturien: Verbu - Wiki Asturianu
- Aymara: Parliri - Wiki Aymar aru
- Azerbaïdjanais: Feil - Wiki Azərbaycanca
- South Azerbaijani: فعل - Wiki تۆرکجه
- Bachkir: Ҡылым - Wiki башҡортса
- Balinais: Kruna kria - Wiki Basa Bali
- Bavarois: Verb - Wiki Boarisch
- Samogitien: Veikruodis - Wiki žemaitėška
- Bielorosy: Дзеяслоў - Wiki беларуская
- Belarusian (Taraškievica orthography): Дзеяслоў - Wiki беларуская (тарашкевіца)
- Biolgara: Глагол - Wiki български
- Bengali: ক্রিয়াপদ - Wiki বাংলা
- Breton: Verb - Wiki Brezhoneg
- Bosniaque: Glagoli - Wiki Bosanski
- Catalan: Verb - Wiki Català
- Sorani: کار (ڕێزمان) - Wiki کوردی
- Tseky: Sloveso - Wiki čeština
- Tchouvache: Глагол - Wiki чӑвашла
- Gallois: Berf - Wiki Cymraeg
- Danois: Udsagnsord - Wiki Dansk
- Dagbani: Bachiniŋda - Wiki Dagbanli
- Alemanina: Verb - Wiki Deutsch
- Zazaki: Wextqıse - Wiki Zazaki
- Bas-sorabe: Werb - Wiki Dolnoserbski
- Grika: Ρήμα - Wiki Ελληνικά
- Emiliano-Romagnolo: Vêreb - Wiki Emiliàn e rumagnòl
- Anglisy: Verb - Wiki English
- Espéranto: Verbo - Wiki Esperanto
- Espaniola: Verbo - Wiki Español
- Estonien: Tegusõna - Wiki Eesti
- Basque: Aditz - Wiki Euskara
- Estrémègne: Verbu - Wiki Estremeñu
- Persa: فعل - Wiki فارسی
- Finnois: Verbi - Wiki Suomi
- Féroïen: Sagnorð - Wiki Føroyskt
- Frantsay: Verbe - Wiki Français
- Frison occidental: Tiidwurd - Wiki Frysk
- Gaélique écossais: Gnìomhair - Wiki Gàidhlig
- Galicien: Verbo - Wiki Galego
- Gun: Nuwàgbe - Wiki Gungbe
- Mannois: Breear - Wiki Gaelg
- Hébreu: פועל (בלשנות) - Wiki עברית
- Hindi: क्रिया (व्याकरण) - Wiki हिन्दी
- Hindi fidjien: Verb - Wiki Fiji Hindi
- Croate: Glagoli - Wiki Hrvatski
- Haut-sorabe: Werb - Wiki Hornjoserbsce
- Créole haïtien: Vèb - Wiki Kreyòl ayisyen
- Hongroà: Ige (nyelvészet) - Wiki Magyar
- Arménien: Բայ - Wiki հայերեն
- Interlingua: Verbo - Wiki Interlingua
- Indonezianina: Verba - Wiki Bahasa Indonesia
- Islandais: Sagnorð - Wiki íslenska
- Italianina: Verbo - Wiki Italiano
- Japoney: 動詞 - Wiki 日本語
- Javaney: Tembung kriya - Wiki Jawa
- Géorgien: ზმნა - Wiki ქართული
- Kabyle: Amyag - Wiki Taqbaylit
- Kabiye: Lakaɣ - Wiki Kabɩyɛ
- Kazakh: Етістік - Wiki қазақша
- Khmer: កិរិយាស័ព្ទ - Wiki ភាសាខ្មែរ
- Kannada: ಕ್ರಿಯಾಪದ - Wiki ಕನ್ನಡ
- Koreanina: 동사 (품사) - Wiki 한국어
- Komi-permiak: Кадакыв - Wiki перем коми
- Cachemiri: کرٛاوُت - Wiki कॉशुर / کٲشُر
- Kurde: Lêker - Wiki Kurdî
- Cornique: Verb - Wiki Kernowek
- Kirghize: Этиш - Wiki кыргызча
- Latin: Verbum (temporale) - Wiki Latina
- Luxembourgeois: Verb - Wiki Lëtzebuergesch
- Lingua franca nova: Verbo - Wiki Lingua Franca Nova
- Limbourgeois: Wèrkwaord - Wiki Limburgs
- Lombard: Verb - Wiki Lombard
- Lingala: Likelelo - Wiki Lingála
- Lao: ຄຳກຳມະ - Wiki ລາວ
- Lituanien: Veiksmažodis - Wiki Lietuvių
- Latgalien: Laikvuords - Wiki Latgaļu
- Letton: Darbības vārds - Wiki Latviešu
- Mokcha: Глаголсь - Wiki мокшень
- Eastern Mari: Койыш мут - Wiki олык марий
- Macédonien: Глагол - Wiki македонски
- Malayalam: ക്രിയ (വ്യാകരണം) - Wiki മലയാളം
- Mongol: Үйл үг - Wiki монгол
- Marathi: क्रियापद - Wiki मराठी
- Malay: Kata kerja - Wiki Bahasa Melayu
- Birmana: ကြိယာ - Wiki မြန်မာဘာသာ
- Erzya: Теввал - Wiki эрзянь
- Bas-allemand: Verb - Wiki Plattdüütsch
- Bas-saxon néerlandais: Waarkwoord - Wiki Nedersaksies
- Nepale: क्रियापद - Wiki नेपाली
- Newari: यासु - Wiki नेपाल भाषा
- Holandey: Werkwoord - Wiki Nederlands
- Norvégien nynorsk: Verb - Wiki Norsk nynorsk
- Norvégien bokmål: Verb - Wiki Norsk bokmål
- Occitan: Vèrbe - Wiki Occitan
- Ossète: Мивдисæг - Wiki ирон
- Penjabi: ਕਿਰਿਆ - Wiki ਪੰਜਾਬੀ
- Poloney: Czasownik - Wiki Polski
- Piémontais: Verb - Wiki Piemontèis
- Western Punjabi: فعل - Wiki پنجابی
- Pontique: Ρήμαν - Wiki Ποντιακά
- Portiogey: Verbo - Wiki Português
- Quechua: Ruray rimana - Wiki Runa Simi
- Romanianina: Verb - Wiki Română
- Rosianina: Глагол - Wiki русский
- Ruthène: Часослова - Wiki русиньскый
- Iakoute: Туохтуур - Wiki саха тыла
- Santali: ᱠᱟᱱᱣᱟ - Wiki ᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤ
- écossais: Verb - Wiki Scots
- Sindhi: فعل - Wiki سنڌي
- Same du Nord: Vearba - Wiki Davvisámegiella
- Serbo-croate: Glagol - Wiki Srpskohrvatski / српскохрватски
- Simple English: Verb - Wiki Simple English
- Slovaque: Sloveso - Wiki Slovenčina
- Slovène: Glagol - Wiki Slovenščina
- Same d’Inari: Verbâ - Wiki Anarâškielâ
- Shona: Chiito - Wiki ChiShona
- Albanais: Folja - Wiki Shqip
- Serbe: Глагол - Wiki српски / srpski
- Saterlandais: Tiedwoud - Wiki Seeltersk
- Soisa: Verb - Wiki Svenska
- Swahili: Kitenzi - Wiki Kiswahili
- Tamoila: வினைச்சொல் - Wiki தமிழ்
- Tadjik: Феъл - Wiki тоҷикӣ
- Taioaney: คำกริยา - Wiki ไทย
- Tagalog: Pandiwa - Wiki Tagalog
- Tiorka: Fiil - Wiki Türkçe
- Tatar: Фигыль - Wiki татарча / tatarça
- Touvain: Кылыг сөзү - Wiki тыва дыл
- Okrainianina: Дієслово - Wiki українська
- Ordò: فعل - Wiki اردو
- Ouzbek: Feʼl - Wiki Oʻzbekcha / ўзбекча
- Vénitien: Verbo - Wiki Vèneto
- Vietnamianina: Động từ - Wiki Tiếng Việt
- Wallon: Viebe - Wiki Walon
- Waray: Tigpanhitabo - Wiki Winaray
- Wu: 动词 - Wiki 吴语
- Xhosa: Isenzi - Wiki IsiXhosa
- Yiddish: ווערב - Wiki ייִדיש
- Yôrobà: Ọ̀rọ̀ ìṣe - Wiki Yorùbá
- Sinoa, Mandarin: 动词 - Wiki 中文
- Chinois littéraire: 動詞 - Wiki 文言
- Minnan: Tōng-sû - Wiki Bân-lâm-gú
- Cantonais: 動字 - Wiki 粵語