Misiona Evanjelika Teratany Eto Madagasikara

Ny Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara, izay hafohezina hoe METM, dia isan' ireo fiangonana nohavaozina eto Madagasikara izay naorin' ny Pastora Rakotobe Andriamaro tamin' ny taona 1955.

Niara-niasa tamin' ny Société Evangélique Missionnaire de Paris (SEMP) io pastora io hatramin' ny taona 1955. Ny fampianaran' ny Fiangonana nohavaozina no hita ao. Niisa 105 000 ny mpiangona tamin' ny taona 2004 ary ahitana paroasy miisa 450 manerana ny Nosy sy Sinodam-paritany miisa 28. Ny taona 2022 dia nahatratra 38 ny Sinodam-paritany misy. Miisa 210 ny mpitandrina voatokana. Atao batisa na ny zazakely na ny olondehibe. Amin' ny maha samy fiangonana nohavaozina dia miara-miasa ny METM sy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).


ECCLESIA SEMPER REFORMANDA” (ry Fiangonana nohavaozina ! Mihavaoza hatrany ianao !!!


1.  NY REVEREND DOCTEUR RAKOTOBE ANDRIAMARO, MPITANDRINA TAO AMIN’NY LONDON MISIONARY SOCIETY

Ny Rev. Dr. RAKOTOBE Andriamaro, teraka tamin’ny 12 Novambra 1912 tao Fiakarana Ambohitrimanjaka Antananarivo, izay Mpitandrina tao amin’ny LMS no ray namorona ny METM. I Ramatoa RASOA-ZANANY Justine no vadiny ary telo mianadahy no zanany ; vavy iray sy lahy roa: Ramatoa RAKOTOBE Andriamaro Vololoniaina ; ny zanany mirahalahy kosa dia Rev. Dr. Ny Ony RAKOTOBE Andria-maro sy Dr. ANDRIATSIROMBAKA RAKOTOBE Andriamaro.

Ny 29 Aogositra 1987 no maty ny vadiny ary iray volana latsaka kely tao aorian’izay, ny 17 Septambra 1987, koa dia nodimandry ny Rev. Dr. RAKOTOBE Andriamaro. Samy tao amin’ny “FJKM Mana-rintsoa-Finoana” no natao veloma farany ny nofomangatsiakan’izy mivady, satria io no Fiangonana naoriny voalohany.

2.  NY ANTOM-PISIAN’NY METM

Ny hitory any anindrana no fikasàn’ny Rev. Dr. RAKOTOBE Andriamaro nony vita ny fianarany ho Mpitandrina tamin’ny 30 Novambra 1941 tao amin’ ny MPF (Mission Protestante Française), saingy tao amin’ny Paroasy Alarobia Ambatomanga no nanendrena azy voalohany. Rehefa iny niakatra tao Antananarivo iny izy ka nandalo ny faritr’Isotry dia onena tokoa ny fony nahita ny vonoan’olona mahatsiravina teny ka, nampitsiry ny vina tao anatiny fa tokony hitoriana ny Filazantsara ihany koa ny faritra iva. Dia tapaka ny hevitr’izy mivady fa hametra-pialàna amin’ny MPF sy ny Paroasy Alarobia Ambatomanga ka andeha hitory Filazantsara eny, notanterahin’izy ireo izany nanomboka tamin’ny taona 1946.

3.  NY FIANGONANA NAORIN’I REV. DR. RAKOTOBE ANDRIAMARO VOALOHANY

Rehefa nidina nitondra ny Filazantsara teny amin’ny faritr’Isotry izy ireo dia nahazo ny santa-bokatra, ka vehivavy enina mianaka no olona tonga tamin’ny fotoam-pivavahana voalohany, izany dia notanterahina tany an-tokantrano. “Sikajy dimy sy Ariary ary Lasy roa” (na 8Francs 50) no rakitra voavory voalohany. Io vola io no nentina nanangana ny Fiangonana Manarintsoa Isotry. Niantomboka tamin’ny anarana hoe “Fiangonam-Baovao Manarintsoa”, ary avy eo dia lasa hoe “LMS Manarintsoa Finoana” ary niafara ho “FJKM Mana-rintsoa” izany tamin’ny taona 1968 izay taona niorenan’ny FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara).

4.  NY FOTOANA NANANGANANY NY FIANGONANA MITONDRA NY ANARANA HOE “MISIONA EVANJELIKA”

Tany Strasbourg no namita ny fianarany izay nahazoana ny “Diplôme Doctorat és-Lettres” izy; ary ny taona 1954 no nanana ny vina hanangana ny Misiona eto Antananarivo. Nony tafaverina teto an-tanindrazana izy dia notanterahiny avy hatrany izany ka trano fiangonana telo avy hatrany no naoriny ny taona 1955 : “Zoara-Famonjena-Antohomadinika ; Betesda-Fahasoavana-Ambilanibe ; Nazareta-Fitiavana-67Ha”. Maromaro ihany ny fotoana nanaovan’ny fanjakana fanadihadiana manokana azy (Enquêtes) tamin’ny fananganany Fiangonana satria efa nisy ny LMS, MPF, FPM, Loteranina…teto an-toerana.

Sociéte Evangelique de Tananarive” no anaran’ny Fiangonana teny am-piandohana, nahazoana alalana tamin’ny Repoblika Frantsay (Pour le Haut Commissaire et par Délegation, le Directeur en Chef de Classe Excèptionnelle de la FOM) ny 21 Aprily 1955. Sady Mpitandrina ara-dalàna ny Rev. Dr. RAKOTOBE Andriamaro no nanorina ihany koa “Sociéte Evangelique de Tananarive”. Niova ho MET (Mission Evangélique de Tananarive) izany tato aoriana kely.

5.  NY FIVELARAN’NY VINA SY NY FITORIANA NY FILAZANTSARA

Nihamaro hatrany ny Fiangonana MET ka tsy tetỳ andrefan’ Antananarivo ihany no nanorenana izany fa, nahazo ny ilany Avaratra Atsinanana ka nivoaka ny Faritra Antananarivo ary nipaka hatrany amin’ny Faritany.

Ny fototra niorenan’ny MET dia ny “Hitory ny Filazantsara eny amin’ny Faritra Iva sy hanangana Fiangonana amin’ireo toerana mbola tsy misy Fiangonana sy saro-dalana”.

Rehefa maty ny Rev. Dr. RAKOTOBE Andriamaro rainy dia ny zanany Rev. Dr. Ny Ony RAKOTOBE Andriamaro no nandimby azy ny taona 1987.

6.  NY FIHAVAOZANA MITOHY TEO AMIN’NY TANTARA

Tamin’ny fivorian’ny “Isan-kerintaona”, Aogositra 1994 tany Ambaiboho Ambatondrazaka no nanovàna ny anarana MET ho lasa METM (Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara). Ankehitriny dia manenika ny Nosy ny Fiangonana ary miha-maro hatrany, indrindra fa amin’ny faritra ambanivohitra sy ny toerana saro-dalana indrindra. Mahatratra 700 eo ho eo no isany, izay mitsinjara ho Sinodam-paritany 38. Manana Mpitandrina 300 isa sy mpino kristianina mihoatra ny 700 000 (tamin’ny fivoriana,Sinoda Lehibe faha-VIII, Fianarantsoa, 2012).

Ny taona 2021 no nankalazana ny faha-65 taonan’ny METM, nandritra ny Sinoda Lehibe faha-12 natao tao amin’ny METM “Vavahadin’ny Lanitra Antsoso – Antsirabe (SP 21), dia ny Mpitandrina RANDRIAMANANJARA Philibert Mpitandrina no lany tamin’ny fifidianana ho Filoha hitondra ny Misiona.

7.  NY TOERANA FANOMANANA MPITANDRINA SY NY FOIBE METM

Ankehitriny dia manana toeram-panomanana Mpitandrina miisa telo ny METM, dia ny « Kolejy Pastoraly », “Kolejy Teolojika”, “Faculté de Théologie de la METM” . Ny Foiben-toerana misy ny Komity na ny Mpiandraikitra Foibe, dia eo akaikin’ny METM « Mandroseza-Finoana », BP 1390 Antananarivo 101, Madagasikara.

8.  NY RAFIM-PITANTANANA SY FITONDRANA

Ny rafim-pitondrana « PRESBYTERO-SYNODALE » no iainan’ny METM. Ny “SUN” midika hoe “Miaraka” ary ny “ODOS” midika hoe “Lalana”, lazaina hoe Sinodaly ny Fiangonana rehefa ny fiombonana no mavesa-danja sy misongadina ao amin’ny rafitra mitondra sy mandamina azy. Tsy misy ny toe-tsaina samy maka ho azy na ny fiolonolonana. Miara-dalana hatrany ny rehetra eo amin’ny fanatontosana ny asa Misiona iombonana amin’ Andriamanitra sady anehoana ny fiainana maha-Fiangonana.

9.  IREO FOTO-KEVITRA MAHA FIANGONANA PROTESTANTA

Toetra roa hoy izy no mampiavaka ny Fiangonana, zanaky ny reformasiona, hoy i André Gounelle, teolojiana Protestanta, dia ny 1) Fiandaniana amin’Andriamanitra hanoherana ireo zavatra manova na manafina ny maha-Izy Azy ary ny 2) Fiandaniana amin’ny olombelona hanoherana ireo zavatra manimba na manapotika azy.

Manana fampianarana fototra izay iavahana amin’ny Fiangonana hafa ny Protestanta, hatramin’ny taon-jato faha-16 ka mandraka ankehitriny. Fonjan-kevitra enina no ambaran’ny FPF (Fédération Protestante de France) fa iombonan’ny Fiangonana Protestanta rehetra sy ny fikambanana mpiara-miasa aminy amin’izany teolojia izany. Ao anatin’izany ny METM. Ireto avy ireo fonjan-kevitra ireo :

1°) I Jesosy Kristy irery ihany no Mpanamarina ny mpino, nadika amin’ny teny Latinina hoe “SOLUS CHRISTUS”; (Jao 14, 6 ; Asa 4, 12) ; 2°) Ny fahasoavana irery ihany no anamarinana ny mpino, nadika hoe “SOLA GRATIA”(Efs 2, 8-10) ; 3°) Ny finoana irery ihany no antoka ahazoana ny famonjena, nadika hoe “SOLA FIDES” (Heb 11, 6) ; 4°) Ny Soratra Masina irery ihany, nadika hoe “SOLA SCRIPTURA” (II Tim 3, 16-17) ; 5°) Ny voninahitra dia natokana ho an’Andriamanitra irery ihany, nadika hoe “SOLI DEO GLORIA” (Rom 1, 23 ; 8, 30). 6°) Ny fanompoan’ny mpino rehetra eo anivon’ny Fiombonana, nadika hoe “SACERDOCE UNIVERSEL” (I Pet 2,9) ; 7°) Ny fanavaozana mitohy, nadika hoe “SEMPER REFORMANDA(Fanampiny).Ry Fiangonana noha-vaozina ô, mihavaoza hatranyianao!”.


Ny Filazantsara iainana dia manery ny Fiangonana hanao fanakianana sy hametra-panontaniana ny amin’ny fomba fandaminana ; ny tsirairay dia samy tsy maintsy mandray ny anjara-andraikiny ary mijoro ho vavolombelon’ny Tenin’Andriamanitra.


Maro ihany koa ireo karazam-panompoana natsangan’i Calvin, toy ny fanompoana maha Mpitandrina, Mpampianatra, Loholona, Diakona. Napetrany ihany koa ny “Rafitra Presbiterianina Sinodaly”, dia ny fiaraha-miasan’ny Mpitandrina sy ny Laika. Misy ny fivorian’ny Sinoda Lehibe ny Fandaminana isaky ny Sinoda-paritany ary ny Fitandremana.

Jereo koa

Loharano

Tags:

BatisaFiangonana nohavaozinaMadagasikara

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Horatio Herbert KitchenerKroazada voalohanyHoratio Nelson1536RosiaNikolai TrubetzkoyAbbas JamalipourSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaCincinnatiZhuge Liang1790William III an'i Angletera1148MalaoỳTsinyRanomasinaLegiomaKing VidorBokin' i AmôsaVavaka dimy fanao isan' andro (silamo)SeptambraMasay (vahoaka)NjakatianaVondrona EorôpeanaSora-madinikaLe RenouardPergamôsyAterinetoOmbiasaSafet SušićAmbatolaona1976Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)AntemoroAdaloMartsaFanahy (kolontsaina malagasy)DubaiToetanin-jana-pehin-tanyHindoismaVictor SkoumineFilazantsaraAdaoroJean-Joseph RabeariveloSamaritanismaTononkaloBokin' ny Mpaminany 12Ady Lehibe VoalohanyMediawikiAntoko pôlitika malagasyFianarantsoaFilipinaRononoBodisma vajraianaAndro faranyZairaLavaka maintyBetsimisarakaAntamba1815Courcelles-lès-Montbard1637EvekaDesambraAkangaAsabotsyVolanaTetiandro litorjika kristianaFiainan-tsi-hita🡆 More