Fitsipiteny Filaza Isa

Ny filaza isa dia marika amin' ny teny izay milaza na tokana na maro sns ny zavatra tondroina amin' io teny io na amin' ny teny mifandray aminy.

Arakaraka ny fiteny no mety hahitana filaza isa amin' ny sokajin-teny iray ka ny fahita matetika ao amin' ireo fiteny eorôpeana dia ny anarana, ny mpamaritra, ny mpisolo tena ary ny matoanteny tanisaina amin' ny filaza sasany. Ao amin' ny teny misy filaza isa dia miova endrika ilay marika, ka ao ny endrika milaza tokana sy ny endrika milaza maro. Amin' ny fiteny sasany dia misy koa ny endrika milaza telo na milaza efatra aza.

Ao amin' ny fiteny malagasy dia sokajin-teny vitsy no ahitana filaza isa ka anisan' izany ny mpisolo tena (ohatra: izaho vs isika/izahay) sy ny mpisolo tompon-javatra (ohatra: anao vs anareo) ary ny mpisolo manondro (ohatra: io vs ireo).

Ao amin' ny fiteny frantsay dia anisan' ireo sokajin-teny ahitana filaza isa ny anarana (ohatra: cheval vs chevaux), ny mpamari-toetra (ohatra: matinal vs matinaux), ny mpisolo tena (ohatra: je vs nous) ary ny matoanteny (ohatra: il va vs ils vont).

Ao amin' ny fiteny anglisy dia anisan' ireo sokajin-teny ahitana filaza isa ny anarana (ohatra: horse horses), ny mpisolo tena (ohatra: I vs we); tsy maneho filaza isa ny mpamari-toetra ao amin' ny teny anglisy, ny matoanteny koa dia tsy ahitana izany.

Jereo koa

Tags:

AnaranaFilaza (fitsipiteny)FitenyFiteny ao EorôpaMatoantenyMpamaritra (fitsipiteny)Mpisolo tena (fitsipiteny)Sokajin-tenyTeny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Samuel RatanyKuroisoAsa AkiraFivavahana amin' ny razanaOmbySonismaVolafotsyJFokom-pirenen' i DanaMediaWikiPôlitika eto MadagasikaraBrezilaToyotaMadagasikaraAdaoroMpampitohy (fitsipiteny)Lisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyTrombaKalandrie sinoaBetsileoISO 4217NizeriàAdy an-trano1899Abidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenena1964Tongolo gasyRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaKônfirmasiônaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)PakistànaFahaizana mamaky sy manoratraAnjely potrakaAnjara (finoana)SiriaFahasalamanaFiteny indônezianaAnaranaMôralySakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaThomas LamKatroRianaratraTenim-pinoanaThéophile SeyrigFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaRavelonjanaharyAmbohimangaFokom-pirenen' i EfraimaFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaHasidismaTaom-baovao malagasy1901JobilyAfrika AndrefanaAdolf HitlerArktikaAogostino avy any HipônaAndrianaFilipina11 AprilyFivavahan-drazana malagasyHaisoratraMpisolo toerana (fitsipiteny)DokuWikiFanandroanaLalànaOndryFiteny soedoàAnjelôlôjiaAndriamangariraLouis XVI🡆 More