Ova-Matoanteny

Ny ova-matoanteny dia endriky ny matoanteny izay sady afaka mitana ny anjara asan' ny matoanteny no afaka mitana ny anjara asan' ny mpamari-toetra.

Filazam-potoana sy fanehoan-javatra

Filazam-potoan' ny ova-matoanteny

Ao amin' ny fitsipiteny mahazatra dia anarany fotsiny ny filazana ny endriky ny ova-matoanteny ho manana filazam-potoana. Amin' ny ankapobeny, na ny "ova-matoanteny ankehitriny" na ny "ova-matoanteny lasa" dia tsy milaza fotoana fa milaza fanehoan-javatra: ny ankehitriny ho an' ny fanehoan-javatra tsy efa fa ny lasa ho an'ny fanehoan-javatra efa.

Ny ova-matoanteny ankehitriny (participe présent) ao amin' ny fiteny frantsay dia miafara amin' ny -ant (ohatra: marchant, parlant, mangeant, perdant, finissant) fa ny ova-matoanteny lasa (participe passé) dia manana endrika isankarazany arakaraka ny matoanteny (ohatra: marché, parlé, mangé, perdu, fini).

Ny ova-matoanteny ankehitriny (present participle) ao amin' ny fiteny anglisy dia miafara amin' ny -ing (ohatra: walking, speaking, eating) fa ny ova-matoanteny lasa (past participle) dia manana endrika isankarazany arakaraka ny matoanteny (ohatra: walked, spoken, eaten).

Amin' ny fiteny sasany toy ny fiteny latina dia misy koa ny ova-matoanteny hoavy, ankoatry ny ova-matoanteny ankehitriny sy ny ova-matoanteny lasa ka azo raisina ohatra ny hoe morituri ("ireo izay ho faty") izay ova-matoanteny hoavin' ny hoe morire ("maty").

Ova-matoanteny enti-mamorona endri-pilazam-potoana

Ao amin' ny fiteny sasany dia ampiasaina miaraka amin' ny matoanteny andry ny ova-matoanteny mba hahazoana ny filazam-potoana na/sy ny fanehoan-javatra sasany.

Ao amin' ny fiteny frantsay dia ampiasaina miaraka amin' ny matoanteny mpanampy avoir (na être) ny ova-matoanteny lasa (participe passé) mba hahazoana ireo filazam-potoana amin' ny fanehoan-javatra efa toy ny passé composé sy ny plus-que-parfait sns.

Ao amin' ny fiteny anglisy dia ampiasaina miaraka amin' ny matoanteny mpanampy have ny ova-matoanteny lasa (past participle: -ed, sns) mba hahazoana ireo filazam-potoana amin' ny fanehoan-javatra efa toy ny present perfect sy ny pluperfect na past perfect sns.

Ao amin' ny fiteny anglisy ihany dia ampiasaina miaraka amin' ny matoanteny mpanampy be ny ova-matoanteny ankehitriny (present participle: -ing) mba hahazoana ireo filazam-potoana amin' ny fanehoan-javatra mitohy toy ny filazam-potoana ankehitriny mitohy (present continuous) sy ny filazam-potoana lasa mitohy (past continuous) sns.

Ova-matoanteny sy fiendrika

Fiendriky ny ova-matoanteny

Ao amin' ny fiteny sasany misy an' io endri-matoanteny io dia misy karazany roa ny ova-matoanteny raha ny fiendrika no resahina, dia ny atao hoe ova-matoanteny mañano sy ny ova-matoanteny anoina.

Amin' ny fiteny frantsay, ho an' ireo matoanteny mihatra dia amin' ny fiendrika manano ny ova-matoanteny ankehitriny (ohatra: La fille chantante) fa amin' ny fiendrika anoina kosa ny ova-matoanteny lasa (ohatra: Les chansons chantées). Toraka izany koa ny miseho amin' ny fiteny anglisy, ho an' ny matoanteny mihatra dia amin' ny fiendrika manano ny ova-matoanteny ankehitriny fa amin' ny fiendrika anoina kosa ny ova-matoanteny lasa.

Ova-matoanteny ampiasaina hahazoana fiendrika

Ao amin' ny fiteny sasany koa dia ampiasaina miaraka amin' ny matoanteny mpanampy ny ova-matoanteny lasa mba hahazoana ny fiendrika anoina mifandraika amin' ny matoanteny amin' ny fiendrika mañano. Ao amin' ny fiteny frantsay dia ampiasaina ny matoanteny mpanampy être ampiana ny ova-matoanteny lasa (participe passé) mba hahazoana ny fiendrika anoina (voix passive). Ao amin' ny fiteny anglisy dia ampiasaina toy izany koa ny matoanteny mpanampy be ampiana ny ova-matoanteny lasa (past participle: -ed, sns) mba hahazoana ny fiendrika anoina (passive voice).

Ova-matoanteny ao amin' ny fiteny rosiana

Ao amin' ny fiteny rosiana dia miavaka tsara ny filazam-potoana sy ny fiendrika raha ny ova-matoanteny no resahina, ka misy ny ova-matoanteny ankehitriny manano sy ny ova-matoanteny ankehitriny anoina sy ny ova-matoanteny lasa manano ary ny ova-matoanteny lasa anoina. Ankoatra izany dia mifandrindra amin' ny filaza isa sy ny kilahivavy ny ova-matoanteny rosiana.

Ohatra: matoanteny чита́ть ("mamaky")

Ova-matoanteny ankehitriny manano

  • читающий ("mamaky")

Ova-matoanteny lasa manano

  • читавший ("namaky")

Ova-matoanteny ankehitriny anoina

  • читаемый ("vakina")

Ova-matoanteny lasa anoina

Ireto misy fehezanteny atao ohatra;

  • Де́вушка, чита́ющая тут кни́гу, – моя́ сестра́ ("Ilay zazavavy mamaky an' ity boky ity dia anabaviko") (Ova-matoanteny ankehitriny manano).
  • Де́вушка, чита́вшая тут кни́гу, забы́ла свой телефо́н ("Nanadino ny findainy ilay zazavavy namaky an' ity boky ity") (Ova-matoanteny lasa manano).

Jereo koa

Tags:

Ova-Matoanteny Filazam-potoana sy fanehoan-javatraOva-Matoanteny Ova-matoanteny sy fiendrikaOva-Matoanteny Ova-matoanteny ao amin ny fiteny rosianaOva-Matoanteny Jereo koaOva-MatoantenyAnjara asa (fitsipiteny)MatoantenyMpamari-toetra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

WuhanKelsôsyFaraoFiteny alemànaWIamblikôsyMarovatoRanomasina MaintyAostraliaFiteny malaiô-pôlineziana andrefanaMozikaFifandraisan-davitraFaritra SavaJorge GonzálezTrixie Gardner, Baroness Gardner of ParkesAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaMpisolo manontanySakafoThomas MannVohitr' andrianaValve CorporationKômôroBola (jeômetria)TalataSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaMpanoritraEorôpa AndrefanaFiteny daryFaritra Atsimo-AndrefanaArthur C. ClarkeVirjiniaParashaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraArkôntikaHijraKanadaFiteny malaiô-pôlinezianaArkônta (gnôstisisma)SolosainaBootjack, KaliforniaAndriamanitra (tokana)Bokin' i RotaTantaran' i MadagasikaraLisitry ny filohan' i MadagasikaraLahatra (finoana malagasy)1 JonaSabelio1145Adama sy EvaFiteny fôrmôzanaLovantsofinaOntarioNy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraAbidy grikaFasismaFanafodyNy Sôfian' i Jesoa KristySalamon' i SalômônaJapànaFilôzôfiaAntanosy1887Alakaosy1866Fiteny masikoroRégis Rajemisa RaolisonJames Dewey WatsonPastona (vahoaka)ParakyFiteny indônezianaJackson PollockFahaterahana🡆 More