Fiendrika Sy Fitodika

Ny fiendrika sy fitodika dia toetra ara-pitsipiteny mahakasika ny fehezanteny sy ny teny atao entimilaza ary ny mpandray anjara hafa ao amin' ny fehezanteny (lazaina sy fameno).

Ny fiendrika dia endriky ny matoanteny (atao entimilaza) mandrafitra ny fehezanteny. Ny fitodika kosa dia toetran' ny fehezanteny arakaraka ny endriky ny matoanteny sy ny tsinjara asan' ny teny atao lazaina ary arakaraka ny fisian' ny karazana fameno ao amin' ny fehezanteny. Ny fiendrika fantatra indrindra ao amin' ny fiteny maro dia ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina. Ao amin' ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fiendrika añanovana. Tsy misy afa-tsy fiendrika roa ao amin' ny fiteny frantsay, dia ny fiendrika mañano (frantsay: voix active) sy ny fiendrika anoina (frantsay: voix passive). Atao amin' ny teny frantsay hoe voix ny fiendrika fa ny fitodika kosa dia atao hoe diathèse.

Fiendrika sy fitodika ao amin' ny fiteny malagasy

Nivoatra avy amin' ny fakana tahaka ny fitsipiteny tranainy mahazatra ho an' ny fiteny eorôpeana ka nankaty amin' ny fitsipiteny vokatry ny fikarohana ao amin' ny haiteny malagasy ny fandalinana ny amin' ny atao hoe fiendrika na fitodika ao amin' ny fiteny malagasy. Ny mpahay teny rehetra amin' izao anefa mbola tsy mitovy hevitra ny amin' izany, ka ny tena fantatra dia ny fitsipiteny araka ny haiteny araka anjara asa izay notarihin' i Siméon Rajaona sy ny fitsipiteny araka ny haiteny ara-piofohana tarihin-dRabenilaina Roger Bruno.

Ny fiendrika ao amin' ny fiteny malagasy

Ny fiendrika dia miankina amin' ny endriky ny tsirinteny amin' ny matoanteny tsy ampifandraisina amin' ny lazaina na ny fameno. Io no atao amin' ny teny frantsay hoe voix na amin' ny teny anglisy hoe voice. Ireto avy ireo fiendrika ireo: ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina ary ny fiendrika añanovana.

Ny fiendrika mañano

Ao amin' ny fitsipiteny ara-piofohana, izay nanitsy ny heverin' ny mpanoratra azy ho zavatra diso tao amin' ny fitsipiteny teo aloha, dia mahaleo tena ny fiendrika mañano sady tsy mahakasika afa-tsy ny matoanteny. Matetika manomboka amin' ny tsirinteny m- (na n- sy h- raha lasa na hoavy) ny matoanteny amin' ny fiendrika mañano. Araka ny haiteny ara-piofohana dia mitsinjara ara-kevitra amin' ny fitodika atao hoe "fitodika fototra" ny matoanteny amin' ny fiendrika mañano, dia ny fitodika mihatra, ny fitodika tsy mihatra, ny fitodika mamoatra ary ny fitodika mitoina.

Ohatra:

  • Mikapa hazo amin' ny antsy ny ankizy. Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon' ny mpitondra.

Ny fiendrika anoina

Ny fiendrika anoina dia endriky ny matoanteny izay matetika ahitana tovona a- na tovana -ina na -ana. Raha ny lafiny ara-kevitra no jerena dia tsy tokana ny hevitra voizin' ny fiendrika anoina fa maro, dia ireo atao hoe fitodika zoina, dia ny fitodika zoina iharana, ny fitodika zoina fitaovana, ny fitodika zoina tanty, ny fitodika zoina tolorana, ny fitodika zoina toerana ary ny fitodika zoina alalana.

Ohatra:

  • Kapain' ny ankizy amin' ny antsy ny hazo.
  • Aketsa ny vary.
  • Akapan' ny ankizy ny hazo ny antsy.

Ny fiendrika añanovana

Ny fiendrika añanovana dia endriky ny matoanteny izay foronin' ny tsirinteny sara-droa sy ny fototeny. Amin' ny fitsipiteny mahazatra dia ny fitodika toe-javatra (fitodika toe-javatra fotoana, fitodika toe-javatra toerana, fitodika toe-javatra fomba ary fitodika toe-javatra antony, araka ny haiteny ara-piofohana) no voiziny nefa mety ho fitodika zoina (fitodika zoina fitaovanana, fitodika zoina alalana, fitodika zoina toerana, fitodika zoina tolorana), izay efa hita ao amin' ny fiendrika anoina, izany .

Ohatra:

  • Ikapan' ny ankizy ny hazo ny antsy.

Ny fitodika ao amin' ny fiteny malagasy ao amin' ny haiteny araka anjara asa

Tsy navahan' ilay mpahay teny Siméon Rajaona no nampiditra ny atao hoe fitodika, araka ny ahalalana azy ankehitriny ao amin' ny fitsipi-teny malagasy. Amin' io mpahay io dia maro ny fitodika ao amin' ny fiteny malagasy, sady tsy ny fehezanteny ahitana entimilaza matoanteny ihany no voakasika fa ny fehezanteny ahitana entimilaza sahanin' ny sokajin-teny sasany toy ny anarana sy ny mpamari-toetra koa. Naorin' ilay mpahay teny amin' ny endriky ny tsirinteny ao amin' ny matoanteny na amin' ny sokajin-dreniteny hafa azo atao entimilaza sy ny karazana fameno azo atao lazaina ampiarahina aminy izany fanavahana ny karazana fitodika izany.

Fitodika mahakasika ny matoanteny

Ireto ny fitodika fototry ny feheanteny ahitana entimilaza matoanteny:

Fitodika tsy mahakasika ny matoanteny

Ireto kosa ny fitodiky ny fehezanteny tsy ahitana entimilaza matoanteny fa reniteny hafa toy ny anarana sy ny mpamari-toetra sns.

  • Fitodika tsaraina: Tsemboka ilay mpangalatra.
  • Fitodika tompon-javatra: Fotsy volo izany lehilahy izany.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tsaraina: Nahatsemboka ilay mpangalatra ny fanenjehana azy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra: Ny fahasahiranana no nahafotsy volo izany lehilahy izany.

Fitodika ao amin' ny fiteny malagasy araka ny haiteny ara-piofohana

Araka ny hevitr' ilay mpahay teny atao hoe Rabenilaina Roger Bruno dia tsy mahakasika afa-tsy ny matoanteny ny fitodika sy ny fiendrika. Ny hoe fitodika sy fiendrika dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin' ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny fehezanteny ampifandraisina amin' ny hevitry ny matoanteny sy ny mpandray anjara ao amin' ny fehezanteny.

Ny fitodika dia miankina amin' ny hevitry ny matoanteny mifandray amin' ny vara sy ny fameno ary ny teny mety mampifandray (mpampiankin-teny) ny vara matoanteny amin' ny fameno, raha atao lazaina io fameno io. Ireto avy ireo fitodika ireo izay misokajy roa, dia ny fitodika fototra sy ny fitodika sampana

Fitodika fototra

  • Fitodika mihatra: Nividy hena izahay. (misy fameno zoina iharana)
  • Fitodika tsy mihatra: Mitrena amin' ny alika ny omby. (misy fameno zoina tsy iharana)
  • Fitodika mamoatra: Nampividy hena anay ny reninay. (misy tsofoka -amp-)
  • Fitodika mitoina: Mifampijery maharitra izy roa. (misy tsofoka -if-)

Fitodika sampana

Ny fitodika toe-javatra dia misy karazany maro:

  • Fitodika toe-javatra fotoana: Isakafoanana matetika ny antoandro.
  • Fitodika toe-javatra toerana: Anangonany ahitra ny any an-tsaha.
  • Fitodika toe-javatra fomba: An-katezerana no namaliany ny fanontaniako.
  • Fitodika toe-javatra antony: Ahazoana entana maro ny fihenam-bidy.

Ny fitodika zoina dia misy karazany enina:

  • Fitodika zoina iharana: Kapohina kibay ny omby.
  • Fitodika zoina fitaovana: Akapoka ny omby ny kibay.
  • Fitodika zoina tanty: Rosoana sakafo ny olona nasaina.
  • Fitodika zoina tolorana: Ivarotako ny fiarako ilay mpanan-karena.
  • Fitodika zoina toerana: Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.
  • Fitodika zoina alalana: Anenjehana lambo ny alika.

Fiendrika sy fitodika ao amin' ny fiteny eorôpeana

Roa na telo ny fiendrika fantatra indrindra ao amin' ireo fiteny eorôpeana: ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina. Manampy azy ireo ny fiendrika tampody na ny fiendrika anelanelany.

Ny fiendrika mañano

Ny matoanteny amin' ny fiendrika mañano dia hita ao amin' ny fehezanteny manana lazaina mpanao asa na manana ilay toetra resahina ao amin' ny matoanteny entimilaza (na vara). Ny fiteny eoropeana rehetra dia ahitana io fiendrika io.

Ohatra:

  • Frantsay: Le chat mange la souris. ("Mihinana ny voalavo ny saka")
  • Anglisy: The cat eats the mouse. ("Mihinana ny voalavo ny saka")
  • Latina: Feles murem edit. ("Mihinana ny voalavo ny saka")

Ny fiendrika anoina

Amin' ny ankapobeny ny matoanteny amin' ny fiendrika mañano izay azo asiana fameno iharana mivantana dia afaka miova hanana fiendrika anoina. Izany hoe tsy ny matoanteny amin' ny fiendrika mañano rehetra no azo avadika hanana fiendrika anoina.

Ho an' ireo mpikaroka ao amin' ny haiteny ara-piofohana dia misampana avy amin' ny matoanteny mañano ny matoanteny amin' ny fiendrika anoina. Amin' ny fiteny sasany, ny fampitodihana ny fehezanteny amin' ny anoina dia mety hanova endrika ny teny (anarana na mpisolo sns) atao lazaina (ilay teny fameno ao amin' ny fehezanteny manano).

Matetika koa dia ialohavan' ny mpampiankin-teny milaza ny mpanao ny asa ilay anarana na mpisolo sns mitana ny anjara asa fameno (ilay teny nitana ny anjara asa lazaina tao amin' ny fehezanteny manano). Izany mpampiankin-teny izany dia ny hoe par ao amin' ny fiteny frantsay, by ao amin' ny fiteny anglisy, ab ao amin' ny fiteny latina sns. Ao amin' ny fiteny sasany dia ilaina ny fampiasana matoanteny mpanampy apetraka eo alohan'ny ova-matoanteny (être ao amin' ny fiteny frantsay, be ao amin'ny fiteny anglisy, sns) nefa ny fiteny sasany tsy mila an' izany.

Ohatra:

  • Frantsay: La souris est mangée par le chat. ("Hanin' ny saka ny voalavo")
  • Anglisy: The mouse is eaten by the cat. ("Hanin' ny saka ny voalavo")
  • Latina: Mus a fele editur. ("Hanin' ny saka ny voalavo")

Ny fiendrika tampody

Amin' ny fiteny eorôpeana sasany, toy ny fiteny frantsay, no ahitana io atao hoe fiendrika tampody io. Mitovy amin' ny fiendrika manano ihany izy nefa ahitana mpisolo tena fameno izay tsy misaraka amin' ilay matoanteny sady mitovy laharana amin' ny mpisolo tena lazaina. Ireto avy ny hevitra na fitodika mety hananan' ny matoanteny amin' ny fiendrika misy mpisolo:

Fitodika tampody

Ny fiteny malagasy dia mampiasa ny teny hoe tena mba hananterana ny fitampodian' izay atao amin' ny mpanao azy nefa matetika tsy ilaina izany. Ny fiteny anglisy kosa mampiasa ireto mpisolo tena ireto: myself, yourself, himself, herself, itself, ourselves, yourselves, themselves mba handikana ny fitampodian' ny asa amin' ny mpanao azy. Ao amin' ny teny frantsay dia ampiasaina ny mpisolo tena fameno hoe me, te, se, nous ary vous (izay mety hohamafisina amin' ny hoe moi-même, toi-même, soi-même, lui-même, elle-même, eux-mêmes, elles-mêmes, nous-mêmes, vous-mêmes) mba hanehoana ny fitodika tampody.

Ohatra:

  • Je me regarde dans le miroir (ara-bakiteny: "Mijery tena ao amin' ny fitaratra aho" = "Mijery fitaratra aho")

Fitodika mpifanao na mitoina

Ny fiteny malagasy dia mampiasa ny fitodika mpifanao na ny fiendrika mitoina (ahitana ny tsofolka -if-) mba handikana io endriky ny matoanteny frantsay io. Mampiasa ny teny hoe each other na one another ny fiteny anglisy mba handikany ny fifampitoinana.

Ohatra:

  • Ils s'envoient des cadeaux. ("Mifandefa fanomeana izy ireo")

Fitodika anoina na iharana

Ohatra:

  • Ce journal se vend au librairie. ("Amidy ao am-pivarotam-boky ity gazety ity", fa tsy hoe: "Mivaro-tena ...")
  • La porte s'est refermée brusquement ("Nikatona tampoka ny varavarana").

Fitodika manao na sehatra

Ohatra:

  • Elle s'en va ("Lasa izy").

Ny fiendrika na fitodika anelanelany

Ny fiendrika anelanelany (izay atao hoe koa "fiendrika anelanelany anoina") dia fiendrika hita ao amin' ny fiteny indô-eorôpeana (ohatra: ny fiteny grika taloha sy ny fiteny sanskrita sy ny fiteny latina ary ny fiteny islandey). Ny matoanteny amin' ny fiendrika anelanelany ao amin' ny fiteny grika taloha dia miafara amin'ny -ομαι (-omai) izay fiafaran' ny matoanteny amin' ny fiendrika anoina nefa tsy voatery hanana hevitra anoina.

Raha ny heviny no jerena dia ahitana azy ihany koa ny fiteny sasany ankehitriny nefa tokony hatao hoe fitodika fa tsy fiendrika izany satria mitovy amin' ny fiendrika mañano ihany. Saika hitovy amin' ny fiendrika tampody ao amin' ny fiteny frantsay izy nefa tsy mampiasa mpisolo tena fameno mitovy laharana amin' ny mpisolo tena misahana anjara asa lazaina. Indraindray koa dia atao hoe "fiendrika anelanelany" ny fiendrika tampody.

Ny fiendrika anelanelany ao amin' ny fiteny grika taloha

Ny fiteny grika taloha dia ahitana ny fiendrika manano sy anoina ary anelanelany, ka ny fiendrika anelanelany no horesahina eto.

  • Λούομαι (Loúomai) "Misasa aho",
  • Ἳσταμαι (Hístamai) "Mitsangana aho",
  • Παύομαι (Paúomai) "Mijanona aho".
  • Μάχομαι (mákhomai) "Miady aho".
  • Δέχομαι (dékhomai) "Mandray aho".

Ny fitodika anelanelany ao amin' ny fiteny eorôpeana ankehitriny

Ny fiteny eorôpeana ankehitriny dia heverin' ny mpahay teny sy ny mpanao fitsipiteny sasany fa manana io atao hoe fiendrika na fitodika anelanelany io nefa tsy amin' ny fiendrika anoina (ny an' ny fiendrika anelanelany ao amin' ny fiteny grika) ny endriky ny matoanteny fa amin' ny fiendrika mañano.

Fiteny anglisy

  • The book reads well.
  • The trousers wash easily.
  • Ripe oranges peel well.
  • The book was not selling.

Jereo koa

Rohy ivelany

Boky azo anovozan-kevitra

  • Siméon Rajaona, Structure du malgache, étude des formes prédicatives, Fianarantsoa, Ambozontany, 1972.
  • Siméon Rajaona, Eléments de morphologie inflexionnelle du malgache, les phénomènes morphologiques, Antananarivo, Ambozontany, 2004.


Tags:

Fiendrika Sy Fitodika Fiendrika sy fitodika ao amin ny fiteny malagasyFiendrika Sy Fitodika Fiendrika sy fitodika ao amin ny fiteny eorôpeanaFiendrika Sy Fitodika Jereo koaFiendrika Sy Fitodika Rohy ivelanyFiendrika Sy Fitodika Boky azo anovozan-kevitraFiendrika Sy FitodikaEntimilazaFiendrika anoinaFiendrika añanovanaFiendrika mañanoFitenyFiteny frantsayFiteny malagasyMatoanteny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fivavahana eto MadagasikaraAsa AkiraAntanandava (Ambatondrazaka)Ady an-tranoAndreas Friedrich BauerFanekem-pinoanaIbitingaJames JoyceAntsirabeCupertino, KaliforniaWalley Barnes1523Maqbool Fida HusainAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaLa Neuve-GrangeBeautotValpuiseauxBernardino ZendriniRofiaAdy Israeliana-Arabo tamin' ny taona 1948-1949Luis E. EchávarriDokuWiki1821Hermann OberthMarkus NetelerAntheuilDokotraRSSPentekôstaManambolo1 NovambraSrettha ThavisinFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraApôstôly roa ambin' ny foloFilazantsara araka an' i MatioMax ValierJodaismaKisarisary ÔfitaSomatraLalambyMaleziaRirinina1089Mari-panaSaint-Bonnet-de-ChavagneMponinaManuel FriedrichAlandurArtinsFiakaran' i Kristy any an-danitraGiampiero MainiTeknôlôjia26 MartsaPirangaAziaAldo ViscontiSeth Etherton1993Charles Franklin KetteringNGC 4088Alatsinainy BakaroEjiptaFitenim-paritra malagasyTestamenta TalohaLee David ZlotoffMartioraLe PlantayTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôSodànaBokin' ny mpaminany (Baiboly)🡆 More