Ny filaza mandidy dia endriky ny teny (ny matoanteny indrindra) izay atao hilazana baiko na fandraràna.
Ao amin' ny fiteny maro dia anambaràna fiangaviava na fanasana, torohevitra na firariana, tsodrano na ozona koa ny filaza mandidy.
Matetika miavaka amin' ny filaza tsotra ny filaza mandidy amin' ny tsy fahitana ny teny atao lazaina (mpisolo tena na anarana na hafa) izay manondro ny olona itenenana na ny mpisolo tena manam-pifandraisana aminy.
Ny fiteny maro dia manana endrika mandidy ho an' ny mpisolo tena faharoa milaza tokana sy milaza maro. Ohatra, tsy miavaka ny an'ny fiteny malagasy sy ny an' ny fiteny anglisy ary an' ny fiteny maro hafa koa:
Ny fiteny maro dia manana endrika mandidy ho an' ny mpisolo tena faharoa milaza tokana sy milaza maro. Tsy miavaka ny an' ny fiteny malagasy fa ny an' ny fiteny latina dia miavaka.
Ny fiteny sasany dia manana endrika mandidy ho an'ny mpisolo tena voalohany milaza maro. Toy izany ny fiteny frantsay:
Ao amin' ny fiteny malagasy, raha tsy amin' ny fiendrika manano ny matoanteny dia azo atao amin' ny filaza mandidy amin' ny lahara-mpandray anjara lazaina rehetra ny matoanteny.
Ampio
Manampia
Ao amin' ny fiteny tiorka dia ahazoana filaza mandidy avokoa ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny rehetra.
Amin' ny fiteny maro dia tsy ny matoanteny ihany no azo atao amin' ny filaza madidy fa ny mpamari-toetra na sokajin-teny hafa koa. Toy izany no mitranga ao amin' ny fiteny malagasy.
Amin' ny fiteny malagasy dia tsy amin' ny filaza mandidy fa amin'ny filaza tsotra ny matoanteny na ny mpamari-toetra raha amin' ny endrika mandà ny fehezanteny ka ny fandavana dia asehon' ny mpanampy aza.
Amin' ny fiteny latina koa dia ahitana zavatra sahala amin' izany ka ny teny hoe nōlī ("aza ... ianao") na nōlīte ("aza ... ianareo") no mitondra ny mariky ny filaza mandidy sy ny fandavana:
Amin' ny fiteny maro dia tsy manana afa-tsy filazam-potoana tokana ny filaza mandidy. Ny fanavahana atao hoe "lasa" (frantsay: impératif passé) sy "ankehitriny" (frantsay: impératif présent) ao amin' ny filaza mandidy, toy ny hita ao amin' ny fiteny frantsay, dia fanavahana ara-panehoan-javatra ka tokony hantsoina hoe "filaza mandidy efa" (frantsay: impératif accompli) sy "filaza madidy tsy efa" (frantsay: impératif non accompli) ireo endrika roa ireo.
Misy anefa ireo fiteny manavaka ny ankehitriny amin' ny hoavy, eny fa na amin' ny lasa koa aza. Ao amin' ny fiteny latina dia ahitana filaza mandidy ankehitriny sy filaza mandidy hoavy, ka ilay atao hoe ankehitriny dia mitaky fanatanterahana eo no ho eo ny zavatra andidiana fa ilay atao hoe hoavy dia tsy mitaky izany eo no ho eo fa any amin' ny fotoana hoavy. Amin'io endrika hoavy io vao mitranga ny endrika mifandraika amin' ny olona na zavatra tenenina (laharana fahatelo).
Filaza mandidy ankehitriny:
Filaza mandidy hoavy:
Ao amin' ny fiteny neerlandey dia ahitana filazam-potoana lasa ny filaza mandidy:
Ao amin' ny fiteny sasany dia matetika tsy mitovy ny filahatry ny teny ao amin' ny fehezanteny amin' ny filaza tsotra sy ny ao amin' ny fehezanteny amin'ny filaza mandidy na ao amin' ny fehezanteny amin' ny filaza mandidy mandà (mandrara). Izany no mitranga ao amin' ny fiteny frantsay.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Filaza mandidy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.