Ny filazam-potoana hoavy efa dia filazam-potoana manambatra ny hoavy amin' ny fanehoan-javatra efa sady enti-milaza ny fahavitan' ny asa na fisehoan' ny asa alohan' ny asa hafa samy ao amin' ny fotoana hoavy.
Ahitana io filazam-potoana io ny fiteny latina sy ny fiteny nipoitra avy aminy toy ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny italiana sns. Amin' ireo fiteny nipoitra amin' ny fiteny latina ireo dia foronin' ny matoanteny mpanampy sy ny ova-matoanteny amin' ny endriny lasa ny filazam-potoana hoavy efa. Amin' ny fiteny frantsay izany matoanteny mpanampy izany dia ny "avoir" na ny "être". ary atao hoe futur antérieur ilay filazam-potoana.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Filazam-potoana hoavy efa, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.