Ny matoanteny andry dia matoanteny ampiasaina hampitohizana ny lazaina amin' ny entimilaza.
Maro ny fiteny mampiasa matoanteny andry ka isan' izany ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy rehefa tsy matoanteny ny teny (loha-tarika) ao amin' ny entimilaza. Ny fiteny frantsay dia mampiasa indrindra ny matoanteny être fa ny fiteny anglisy kosa dia mampiasa ny matoanteny be. Tsy afangaro amin' ny anjara asa mpanampy ny anjara asa andry. Tsy ny fiteny rehetra no manana matoanteny andry ary misy ireo izay tsy mampiasa azy raha tsy amin' ny lafin-javatra sasany ara-pitsipiteny ihany. Ny fiteny rosiana dia tsy mampiasa matoanteny andry amin' ny fehezanteny amin' ny filazam-potoana ankehitriny sy amin' ny endri-pehezanteny manambara.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Matoanteny andry, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.