Fitsipiteny Filaza Isa

Ny filaza isa dia marika amin' ny teny izay milaza na tokana na maro sns ny zavatra tondroina amin' io teny io na amin' ny teny mifandray aminy.

Arakaraka ny fiteny no mety hahitana filaza isa amin' ny sokajin-teny iray ka ny fahita matetika ao amin' ireo fiteny eorôpeana dia ny anarana, ny mpamaritra, ny mpisolo tena ary ny matoanteny tanisaina amin' ny filaza sasany. Ao amin' ny teny misy filaza isa dia miova endrika ilay marika, ka ao ny endrika milaza tokana sy ny endrika milaza maro. Amin' ny fiteny sasany dia misy koa ny endrika milaza telo na milaza efatra aza.

Ao amin' ny fiteny malagasy dia sokajin-teny vitsy no ahitana filaza isa ka anisan' izany ny mpisolo tena (ohatra: izaho vs isika/izahay) sy ny mpisolo tompon-javatra (ohatra: anao vs anareo) ary ny mpisolo manondro (ohatra: io vs ireo).

Ao amin' ny fiteny frantsay dia anisan' ireo sokajin-teny ahitana filaza isa ny anarana (ohatra: cheval vs chevaux), ny mpamari-toetra (ohatra: matinal vs matinaux), ny mpisolo tena (ohatra: je vs nous) ary ny matoanteny (ohatra: il va vs ils vont).

Ao amin' ny fiteny anglisy dia anisan' ireo sokajin-teny ahitana filaza isa ny anarana (ohatra: horse horses), ny mpisolo tena (ohatra: I vs we); tsy maneho filaza isa ny mpamari-toetra ao amin' ny teny anglisy, ny matoanteny koa dia tsy ahitana izany.

Jereo koa

Tags:

AnaranaFilaza (fitsipiteny)FitenyFiteny ao EorôpaMatoantenyMpamaritra (fitsipiteny)Mpisolo tena (fitsipiteny)Sokajin-tenyTeny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Hajjiabad, HormozganWayback MachineFilazantsara araka an' i LiokaIrànaKyivOzbekistànaMpampiankin-tenySokyFanahyEtazonia19271960160317 MartsaFanandroana malagasySekolyAzerbaijànaJean NarivonyFanenomanaAmerika AtsimoTantaran' i AlemainaVikingy (vahoaka)AntankaranaBetelaAntom-pisian'ny olonaZanahary (finoan-drazana malagasy)Fiteny romantsaFiteny araboSimiaLavarsLouis PasteurFANJAKAN’ I MADAGASIKARA1942Seleokosy IMpandrindra milinaSampan-tenyFivavahanaAmbohimangaPaskaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraIsam-poninaTMohamadyLouis-Claude VincentFamoronana (finoana sy fedrà)Asa AkiraSolombavambahoakaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fanahin' ny vatanaTriniteFifohazana AnkaramalazaMatyKolontsainaFiarahamoninaJesoaAmbitsyEpistily ho an' ny RômanaForyAngatra (aretina)Jean-Joseph RabeariveloAngleteraEglizy katôlika rômaninaAntesakaMôralyRy Tanindrazanay malala ôFiteny finoà16 JolayAbelaAdy an-tranoSikidy malagasyAhidambo2004153🡆 More