Fanehoan-Javatra Mifetra Sy Tsy Mifetra

Ny fanehoan-javatra mifetra sy ny fanehoan-javatra tsy mifetra dia fanehoan-javatra ara-keviteny izay maneho fa ny fahafahan' ilay asa na toetra misy dia voafetra na tsy voafetra ara-potoana.

Ny famerana dia efa ao amin' ny matoanteny na teny hafa atao lohatarika na ny teny atao fameno ao amin' ny tarika na atao lazaina na fameno ao amin' ny fehezanteny. Ao amin' ireo fitsipiteny mahazatra momba ny fiteny slava (anisan' izany ny fiteny rosiana) dia ny matoanteny no manana ireo fanehoan-javatra roa ireo ka amin' ny alalan' ny tsirinteny fampisampanan-teny no isehoan' izany.

Famaritana

Fanehoan-javatra mifetra

Ny fanehoan-javatra mifetra dia manambara asa na toetra izay tsy azo lazaina fa mitranga tokoa raha tsy tanteraka hatramin' ny fiafarany. Ny matoanteny hoe teraka dia matoateny mifetra.

Ohatra: Ireto misy matoanteny malagasy manana fanehoan-javatra mifetra:

Tonga, miditra, mivoaka, manjary, mitranga, foy, miainga, latsaka, teraka, mahatratra (vs manatratra), mandray, mahatsikaritra, manaikitra, manao teli-moka, manapika, mandrovitra, manidy, mandrehitra, manjavona, mihoatra.

Fanehoan-javatra tsy mifetra

Ny fanehoan-javatra tsy mifetra kosa dia manambara asa na toetra izay azo lazaina fa mitranga tokoa na dia vao manomboka fotsiny aza sady azo tohizina maharitra araka izay itiavana azy.

Ohatra: Ireto misy matoanteny malagasy manana fanehoan-javatra tsy mifetra:

Mihira, miala aina, mitady, mandehandeha, mihinana, miaina, matory, miteny, mijery, mikiky, mahafantatra, mianatra, milentika.

Fifangaroana voambolana ao amin' ny fitsipiteny sy haiteny

Mety hilazana ny toetra ara-panehoan-javatry ny filazam-potoana koa ny hoe mifetra sy tsy mifetra. Ny hoe mifetra dia mety hilazana ireo filazam-potoana misy fanehoan-javatra efa na mifintina. Ny hoe tsy mifetra kosa dia mety anondroana ireo filazam-potoana misy fanehoan-javatra tsy efa na/sy mivelatra. Ao amin' ny fiteny frantsay, ao amin' ny filaza tsotra (français: indicatif) dia mety hatao hoe filazam-potoana efa na mifintina na mifetra ny passé composé, ny passé simple, ny passé antérieur, ny plus-que-parfait, ny conditionnel passé ary ny futur antérieur; mety hatao hoe filazam-potoana tsy efa na mivelatra na tsy mifetra ny imparfait (ary indraindray koa ny présent).

Ny fanehoan-javatra ao amin' ny fiteny slava

Ao amin' ny fiteny slava hafa, dia mizara ho mifetra sy tsy mifetra ny matoanteny na dia mbola ao amin' ny sehatry ny voambolana aza izy ireo, izany hoe mbola tsy iharan'ny fiovan' endrika noho ny filaza na/sy filazam-potoana aza.

Fanehoan-javatra ao amin' ny fiteny rosiana

Ao amin' ny fiteny rosiana, ny matoanteny tsy mifetra dia manambara fa tsy vita na mitohy na miverimberina ny asa. Ny matoanteny mifetra kosa dia manambara fa vita ka mamela vokatra na miseho indray mandeha ny asa. Amin' ny fiteny rosiana, ny fanehoan-javatra mifetra dia atao hoe cовершенный вид / soberšenn'i vid fa ny fanehoan-javatra tsy mifetra kosa dia atao hoe неcовершенный вид / nesoberšenn'i vid.

Ireto misy ohatra amin' ny matoanteny tsy mifetra ampifanoherina (vs) amin' ny matoanteny mifetra ao amin' ny fiteny rosiana.

  • читать [čitat'] ("mamaky") vs протать [pročitat'] ("mahavita vaky")
  • писа́ть [pisát'] ("manoratra") vs написа́ть [napisát'] ("mahavita soratra")
  • строить [stroit'] ("manamboatra") vs построить [postroit'] ("mahavita voatra")
  • идти [idti] ("mandeha") vs пойти [poiti] ("miainga")
  • прыгать [prigat´] ("mitsambikina", tsy voafetra isa) vs прыгнуть [prignut´] ("mitsambikina indray mandeha").
  • покупа́ть [pakupát'] vs купить [kupít'] ("mividy")
  • съеда́ть [s'edat'] vs съесть [s'est'] ("mihinana")
  • убега́ть [ubegat'] vs убежать [ubižat'] ("mihazakazaka")

Jereo koa

Tags:

Fanehoan-Javatra Mifetra Sy Tsy Mifetra FamaritanaFanehoan-Javatra Mifetra Sy Tsy Mifetra Fifangaroana voambolana ao amin ny fitsipiteny sy haitenyFanehoan-Javatra Mifetra Sy Tsy Mifetra Ny fanehoan-javatra ao amin ny fiteny slavaFanehoan-Javatra Mifetra Sy Tsy Mifetra Jereo koaFanehoan-Javatra Mifetra Sy Tsy MifetraFameno (fitsipiteny)Fanehoan-javatra (fitsipiteny)FehezantenyFiteny rosianaFiteny slavaLazaina (fitsipiteny)MatoantenyTarika (fitsipiteny)Tsirinteny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TantaraFaraoSakalavaFanafodyFaritra Amoron' i ManiaKôrà (zanak' i Esao)VoalavoKabary am-panambadianaFiteny litoanianinaKabary tera-baoKabaryFomban-drazanaBetsileoMisterin' ny PaskaThomas MannFaritra SavaIreneo avy any LogdanomaEkoadôraVoninahitra (fivavahana)Fiteny alemànaFanambadianaDistrikan' i SambavaNizeriàSaonjoFiangonana zandrinyTsindrimandry (fivavahana)PneomatôlôjiaSinôgramaEorôpa AndrefanaMaha virjiny mandrakizay an' i MariaTetiandroArabo (vahoaka)SelaNy Avana RamanantoaninaMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraIaldabaôtaMadagasikaraKiwixDumboArkôntikaArkônta (gnôstisisma)Ampiposahana (faritra)MulbagalBaibolyNederlandyZanatsoratraSodànaAsorotanyTsimihetyNoyelles-sur-SelleBokin' i DanielaAlahamadyMosavy (finoana malagasy)Fanambaràna ny hevitry ny nofyFasismaPaiso (voany)Mississipi (renirano)28 MartsaHossein SadaghianiFady (malagasy)TobilehibeTorovintanaFanekem-pinoana apôstôlikaFaingo mihantonaAlakaosyRongonyAbidy grikaKônsily Vatikàna IIApôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyFanahyKibobo🡆 More