I Ekoadôra na Ekoatera dia firenena ao Amerika Atsimo, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika.
I Quito no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Guayaquil. Mirefy 283 520 km2 ny velarantaniny ary miisa 17 475 570 mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2020. Ny faritr' ora dia −5−6.
I Ekoadôra dia nomena io anarana io satria andalovan' ny fehiben-tany (Ecuador amin' ny teny espaniôla, na Equateur amin' ny teny fraNtsay, na Equator amin' ny teny anglisy). Ny vohon' ny tanin’ ity firenena ity dia isongadinan' ny tandavan-tendrombohitra Andes izay mamakivaky ny tanim-pirenena manontolo avy any avaratra ka hatrany atsimo.
I Ekoadôra dia azo zaraina ho faritra ara-jeôgrafia telo, dia
An' i Ekoadôra ny nosy Galápagos, any amin' ny Ranomasimbe Pasifika, 1 000 km mahery miala ny kôntineta.
Manodidina ny 80 % amin' ny Ekoadôriana no Amerindiana. Katôlika ny ankamaroan' ny mponina. Tena tsy mitovy ny fitsinjaran' ny mponina ao amin' ity firenena ity; mipetraka ao amin' ny Costa sy ao amin' ny Sierra ny ankamaroany.
Ny toekaren' i Ekoadôra dia mifototra indrindra amin' ny fambolena (fambolena akondro, fary, voamadinika, kafe ary kakaô). I Ekoadôra dia iray amin' ireo firenena mpamokatra hazo balsa malaza indrindra eran-tany. Ankoatra izany, ny rano manodidina ny vondronosy Galapagos dia iray amin' ireo toeram-panjonoana lamatra (thon) betsaka indrindra eran-tany. Ny solitany no loharanon-karena voalohany ao amin' ity firenena ity ankehitriny.
Nandritra ny tapany faharoa amin' ny taompolo 1990, ny toekaren' i Ekoadôra dia niharan' ny fisehoan-javatra momba ny toetany atao hoe El Niño (izay niteraka fiakaran' ny maripana sy ny rotsak' orana be dia be) sy niharan' ny fihenan' ny vidin-tsolitany. Tamin' ny taona 1999 dia nirodana ny sehatry ny banky niaraka tamin' ny volam-pirenena, ny Sucre; noho izany, tamin' ny Septambra 2000 dia navela ny Sucre fa ny dôlara amerikana no nisolo azy.
Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ekoadôra, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.