Fanandroana Malagasy

Ny fanandroana malagasy dia endriky ny fanandroana ataon' ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan' ny fotoana ahaterahan' ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan' ny zavatra iray andaniny, amin' ny toerana sy ny toetran' ireo zavatra eny amin' ny lanitra, indrindra ny Volana, ankilany, araka ny tetiandro nentin-drazana malagasy sy ny fifandraisan' izany amin' ny ho toetr' ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka.

Izany no atao hoe vintana. Ambaran' ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin' ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin' ny alalan' ny fanalana vintana na fanalana faditra raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintana io. Tsy ny vintana mifandray amin' ny Volana sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin' ny andro ao amin' ny herinandro sy ny fizaràn' ny andro, ka hatramin' ny fizaran-taona sy ny taona koa. Manampy izany ny lafintany (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny rivotra, ny afo ary ny rano sns. Manan-danja ihany koa ny fizarazaran' ny andro iray, toy ny maraina sy ny tolakandro, ny andro sy ny alina, ny miposaka masoandro sy ny mitatao vovonana sy ny milentika masoandro sns.

Fanandroana Malagasy
Tsinam-bolana

Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin' ny mpanandro teo amin' ireo andriana tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tao Imerina teo antenantenan' ny taonjato faha-19 dia nahay nanandro ny iray ampahatelon' ny olona.

Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin' ny ray aman-dreny na talenta avy amin' ny Zanahary ny fanandroana. Ilain' ny Nataolo malagasy ny manontany mpanandro alohan' ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantatra na hitokana zavatra, handevina sns.

Raha tiana ho azo ny fanandroana malagasy dia tokony havahana ny hoe antokon-kintana sy ny hoe vintana ary ny hoe tetiandro. Mifandray tanteraka amin' ny tetiandro ny vintana. Ny fifandraisana misy eo amin' ny antokon-kintan' ny zodiaka sy ny vintana dia efa tsy hentintra intsony noho ny fanandroana sy ny tetiandro malagasy manara-bolana fa tsy manara-kintana na manara-masoandro tanteraka. Ny Arabo (izay antsoin' ny Malagasy hoe Talaotra na Antalaotra) no heverin' ny maro fa nitondra ny fanandroana teto Madagasikara .

Ny vintana

Ireto avy ireo anaram-bintana amin' ny fanandroana malagasy izay sady anaran' ny volana malagasy avy amin' ny teny arabo koa: Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo ary Alohotsy . Ankehitriny dia mbola iadian-kevitra ny fotoana mifanandrify amin' ny volana tsirairay noho ny fahasamihafam-piheverana misy eo amin' ireo milaza tena fa manam-pahaizana momba ny tetiandro malagasy.

Fifandraisan' ny vintana

Atsidika hatrety amboalohany fa ny teny malagasy hoe vintana dia avy amin' ny teny indoneziana hoe bintang izay midika hoe "kintana". Lasa tsy dia mifandray loatra amin' ny kintana ny fanandroana malagasy taty aoriana fa amin' ny Volana, hadino ny fiavian' ilay teny. Ny hoe vintana dia tsy manondro kintana intsony fa fizaram-potoana ao anatin' ny iray volana na iray andro na fizaran' ny erana manodidina.

Renivintana sy zanabintana

Ny vintana tsirairay dia naorin' ny Ntaolo malagasy amin' ny zoron-trano sy ny rindrin-trano na amin' ny lafin-tany, ka atao hoe renivintana ireo vintana aorina amin' ny zoron-trano na amin' ny lafin-tany mifanabdrify amin' ny zoron-trano, fa zanabintana kosa ireo vintana naorina amin' ny rindrin-trano na ny lafin-tany mifanandrify amin' izany.

Ireto avy ny renivintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

  • ny Alahamady izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany avaratra atsinanana;
  • ny Asorotany, izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany atsimo atsinanana;
  • ny Adimizana, izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany atsimo andrefana; ary
  • ny Adijady, izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany avaratra andrefana.

Ireto kosa ny zanabintana miisa valo:

  • ny Adaoro, izay miorina amin' ny tapany avaratra amin' ny rindrina atsinanana;
  • ny Adizaoza, izay apetraka eo amin' ny tapany atsimo amin' ny rindrina atsinanana;
  • ny Alahasaty, izay miorina amin' ny tapany atsinanana amin' ny rindrina atsimo;
  • ny Asombola, izay miorina amin' ny tapany andrefana amin' ny rindrina atsimo;
  • ny Alakarabo, izay miorina amin' ny tapany atsimo amin' ny rindrina andrefana:
  • ny Alakaosy, izay miorina amin' ny tapany avaratra amin' ny rindrina andrefana;
  • ny Adalo, izay miorina amin' ny tapany andrefana amin' ny rindrina avaratra;
  • ary ny Alohotsy, izay miorina amin' ny tapany atsinanana amin' ny rindrina avaratra.

Renivintana mibaby sy mitrotro zanabintana

Ny vintana roa mialoha sy manaraka ny renivintana iray dia zanabintan' ity renivintana ity, ka ilay mialoha azy dia lazaina fa "babeny" ary ilay manaraka azy dia atao hoe "trotroiny". Noho izany, ny Alahamady mitrotro ny Adaoro, ny Asorotany mitrotro ny Alahasaty, ny Adimizana mitrotro ny Alakarabo, ary ny Adijady mitrotro ny Adalo. Alahamady mibaby ny Alohotsy, ny Asorotany mibaby ny Adizaoza, ny Adimizana mibaby ny Asombola, ary ny Adijady mibaby ny Alakaosy.

Vintana mifanoto na mifanohitra na mifandratra

Ny vintana iray eo amin' ny zoron-trano na lafin-trano iray sy ny vintana iray hafa izay eo amin' ny zoron-trano na lafin-trano mifanatrika amin' io (manome zoro 180°) dia lazaina hoe "mifandratra". Tsy maintsy renivintana no mifandratra amin' ny renivintana. Ny zanabintana trotroina dia tsy maintsy mifandratra amin' ny zanabintana trotroina, ary ny zanabintana babena dia tsy maintsy mifandratra amin' ny zanabintana babena. Noho izany, ny Alahamady mifandratra amin' ny Adimizana, ny Adaoro mifandratra amin' ny Alakarabo, ny Adizaoza mifandratra amin' ny Alakaosy, ny Asorotany mifandratra amin' ny Adijady, ny Alahasaty mifandratra amin' ny Adalo, ary ny Asombola mifandratra amin' ny Alohotsy.

Vintana mifandratra
Alahamady Adimizana
Adaoro Alakarabo
Adizaoza Alakaosy
Asorontany Adijady
Alahasaty Adalo
Asombola Alohotsy

Vintana mitanila na miarina

Ny renivintana iray dia "mitanila" na "miarina" eo amin' ny zanabintana roan' ny renivintana mifandratra aminy. Ny zanabintana iray dia mitanila na miarina eo amin' ny renivintana mifandratra amin' ny renivintana mibaby na mitrotro azy.

Ny tonon'andro sy ny fitetezanana andro

Vava, vonto, vody

Mitondra tonon'andro telo izay antsoina hoe "vava" (na "vavany") sy "vonto" ("vontony") ary "vody" (na "vodiny") ny renivintana, fa tsy mitondra afa-tsy tonon'andro roa atao hoe "vavany" sy "vodiny" ny zanabintana. Ao anatin'ny iray volana dia mifanarakaraka araka ny filaharany ny vintana ka ny vavan'ny vintana mitovy anarana amin'ny volana diavina no anombohana (ohatra, vava Alahamady); andro ahatsinanan'ny Volana izany. Ninoan'ny Ntaolo malagasy fa mahery kokoa ny vavany raha mitaha amin'ny vontony sy ny vodiny.

Noho izany dia toy izao ny fitsingerenan'ny tonon'andro 28:

  • Vava Alahamady, vonto Alahamady, vody Alahamady,
  • Vava Adaoro, vody Adaoro,
  • Vava Adizaoza, vody Adizaoza,
  • Vava Asorotany, vonto Asorotany, vody Asorotany,
  • Vava Alahasaty, vody Alahasaty,
  • Vava Asombola, vody Asombola,
  • Vava Adimizana, vonto Adimizana, vody Adimizana,
  • Vava Alakarabo, vody Alakarabo,
  • Vava Alakaosy, vody Alakaosy,
  • Vava Adijady, vonto Adijady, vody Adijady,
  • Vava Adalo vody Adalo,
  • Vava Alohotsy, vody Alohotsy,
  • Sns.

Fanombohan'ny tononandro

Tsy isaina ho andro voalohany ao amin'ny volana ny tonon'andro iray raha tsy tsinana alohan'ny mitataovovonan'io andro io ny Volana. Miteraka fahasamihafana arakaraka ny faritra anaovana fanandroana izany satria tsy amin'ny 12 ora antoandro amin'ny famantaranandro araka ny hasin'ora ifanarahana izany. Ny mitataovovonana any amin'ny faritra atsinanana indrindra eto Madagasikara dia tsy mitataovovonana any amin'ny faritra andrefana. Raha tononandro vava Alahasaty amin'ny volana Alahasaty, ohatra, no mifanojo amin'ny andro Alatsinainy any andrefana, dia mety efa vonto Alahamady ny any atsinanana, raha ohatra ka manodidina ny mitataovovonana ny nahatsinanan'ny Volana. Mety hiteraka fahadisoana koa ny tsy fahitana ny fotoana ahafatesana na ahatsinanan'ny Volana noho ny fisian'ny rahona na orana na tendrombohitra manakona ka misakana ny fijerena izany, na noho ny hakamoan'ny mpanandro "mamono volana an-trano".

Isan'ny andro ao anatin'ny iray volana

Ny ao anatin'ny iray volana malagasy dia mety misy 28 hatramin'ny 30 andro. Ny 29 sy ny 30 andro no matetika indrindra satria maharitra 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny Tany. Raha misy 28 andro ny iray volana dia mifarana amin'ny vodin'ny vintana mitovy anarana amin'ny volana eo aloha ny volana diavina (ohatra, mifarana amin'ny vody Alohotsy, raha ny volana Alahamady no diavina). Raha tsy tsinana ny Volana alohan'ny mitataovovonan'ny faha-29 andro dia lasa misy 29 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vavan'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io (ohatra, mifarana amin'ny vava Alahamady, raha ny Alahamady no volana diavina). Fa raha mbola tsy tsinana ihany ny Volana amin'ny faha-30 andro dia misy 30 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vodiny na ny vonton'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io, ka vodiny raha zanabintana fa vontony raha renivintana.

Isan'ny andro ao anatin'ny iray taona

Raha misy 29 na 30 andro ny ao anatin'ny fe-potoana itsingerenanny Volana, misy 354 na 355 andro kosa ny iray taona raha manara-bolana tanteraka.

Ny toetra ankapoben'ny tonon'andro

Vintana tsara sy vintana ratsy

Misy "tsara" sy "ratsy" ny vintana na ny tonon'andro. Arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny tonon'andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin'ny ankapobeny aza. Ohatra, ny vintana Alakaosy dia vintana malaza ho ratsy, nefa andro tsara anandratana ody ny tsinam-bolan'ny volana Alakaosy (vava Alakaosy) izay atao hoe Alakaosibe. Na dia vintana ratsy amin'ny ankappobeny aza ny Alahasaty dia heverina fa tonon'andro tsara ny vody Alahasaty satria ny zaza teraka amin'io dia ho tratra antitra ary tonon'andro tsara ho fisantaran-javatra sy fampakaram-bady koa ny amin'io.

Vintana mahery sy vintana maivana

Misy koa ny tonon'andro na vintana mahery na maivana. Ny renivintana rehetra dia inoana fa vintana mahery. Misy koa anefa zanabintana inoana fa mahery. Malaza ho vintana mahery indrindra ny Alahamady (renivintana) sy ny Alakaosy (nefa zanabintana). Vintana mahery ihany koa ny Adizaoza (zanabintana) sy ny Asorotany (renivintana) sy ny Adimizana (renivintana) ary ny Adijady (renivintana). Ny Alohotsy dia inoana ho vintana maivana.

Ny orim-bintana roa ambin'ny folo

Alahamady

Ny Alahamady no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana. Renivintana ny Alahamady. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Ny faritra na tanàna ao avaratra-atsinanan'ny tanàna iray dia atao hoe "Alahamadin-tany" ho an'io tanàna faharoa io. Ny vava Alahamady ao amin'ny volana Alahamady dia atao hoe Alahamadibe.

Inoana ho vintan'andriana sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Ny Alahamady no vintana mahery indrindra. Andro mahery ny vava Alahamady ka ny zaza teraka amin'io dia alam-bintana fandrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan'ny Andriana dia tsy avela hiara-mitoetra aminy. Ny olona teraka vonto Alahamady dia ampitehirizina amponga telon-jehy sy ampiompina gisa fotsy mivady mba ho tratra antitra. Tonon'andro tsara ny vody Alahamady ka ny olona teraka amin'io dia ho tonga lehibe sy hanan-karena ary ho tratra antitra.

Adaoro

Ny Adaoro no vintana sy volana faharoa. Zanabintana ny Adaoro. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Lazaina fa mifandratra amin' ny Alakarabo sady mihataka sy miarina eo amin' ny Adimizana ny Adaoro.

Ny olona teraka vava Adaoro dia atahorana amin'ny afo ka tsy maintsy alam-bintana amin'ny alalan'ny fitondran-dreniny azy mandositra avy anaty trano tomboka kely nodorana. Ny olona teraka vody Adaoro dia tsara vintana ka raha lahy dia hahay mikabary fa raha vavy kosa dia ho tsara fanahy.

Adizaoza

Vintana sy volana fahatelo ny Adizaoza. Zanabintana ny Adizaoza. Ny toerana omena azy dia ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano. Ny Alakaosy no mifandratra amin' ny Adizaoza sady miarina eo amin'ny Adijady.

Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao. Amin'ny ankapobeny dia vintana mahery ny Adizaoza. Tonon'andro mahery ny vava Adizaoza ka ny olona teraka aminy dia miozanozana sy sahozanina raha tsy alam-bintana, ka ho lasa mahantra rehefa lehibe. Ny vody Adizaoza dia malefaka kokoa ka ny vehivavy teraka amin'izany dia ho maro anaka nefa malahelon-karena, fa ny lehilahy kosa tsy hambinina amin'ny fihariana.

Asorotany

Vintana sy volana fahefatra ny Asorotany. Renivintana ny Asorotany. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Adijady nefa mitanila sy miarina eo amin'ny Alakaosy sy Adalo izy.

Andro mahery ny Asorotany. Atahorana no maty kely ny zaza teraka amin'ny vava Asorotany, fa raha tsy izany dia ho tratra antitra ihany izy, nefa amin'izany tsy tezain'ny ray aman-dreniny izy fa omena ho tezain'ny havana. Ny olona teraka vonto Asorotany dia ho tratra antitra. Ny olona teraka vody Asorotany dia atahorana ho maty kely, ka raha tsy maty izy dia hanan-karena sy holava andro iainana.

Alahasaty

Ny Alahasaty no vintana sy volana malagasy fahadimy. Zanabintana ny Alahasaty. Ny tapany atsinanana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty.

Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron'ody ny Alahasaty. Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Tononandro tsara anandratana ody sy sampy ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa. Ny olona terana vody Alahasaty dia ho tratra antitra. Tononandro tsara ho fisantarana zavatra sy fampakaram-bady ny vody Alahasaty.

Asombola

Vintana sy volana fahenina ny Asombola. Zanabintana ny Asombola. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Alohotsy sy miarina eo amin' ny Alahamady ny vintana Asombola.

Vintam-bola sy vintan'ny olona tia harena ny Asombola. Ny zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena. Ny zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena.

Adimizana

Ny Adimizana no vintana sy volana fahafito. Renivintana ny Adimizana. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy. Ny Adimizana dia mifandratra amin'ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alohotsy sy ny Adaoro.

Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely. Ny zazalahy teraka vava Adimizana dia ho mpivarotra sy mpandranto. Ny zazavavy kosa dia atahorana ho maty kely na nefa mety ho tratra antitra sy hanan-karena. Tononandro tsara ny vonto Adimizana ka ny zaza teraka eo dia ho mpanan-karena sy tsy maty vonoina. Ny vody Adimizana dia tononandro tsara ka ny zaza teraka eo dia ho tratra antitra raha tsy maty kely.

Alakarabo

Ny Alakarabo no vintana sy volana fahavalo. Zanabintana ny Alakarabo. Ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Miarina eo amin'ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adaoro ny vintana Alakarabo.

Vintana tsara ny Alakarabo satria androm-bokatra. Tokony misoronana akondro vokatra ny olona amin'ny vava Alakarabo amin'ny maha vintam-bokatra azy. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Ny zazavavy teraka vody Alakarabo dia ho maro anaka ihany koa ary ny zazalahy ho tratra antitra.

Alakaosy

Ny Alakaosy dia vintana sy volana fahasivy ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy. Zanabintana ny Alakaosy. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Adizaoza ny Alakaosy sady miarina sy miandriana eo amin'ny Asorotany ny Alakaosy.

Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia atahorana hahafaty izay lehibe noho izy ka ahohoka ho faty. Amin'ny vava Alakaosy amin'ny volana Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry ody mahery sy sampy. Ny vehivavy mbola tokony hiteraka dia tsy mihinan-kanina amin'ny vava Alakaosy mba tsy hiteraka Alakaosy. Ny zaza teraka vava Alakaosy dia hanoto ray aman-dreny, ka ahohoka ho faty na alam-bintana mba ho tratra antitra sy ho lehibe ary ho mpanan-karena. Tsy mifankaiza firy amin'ny vava Alakaosy ny vody Alakaosy. Tsy resy an ady.

Adijady

Vintana sy volana fahafolo ny Adijady. Renivintana ny Adijady. Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Asorotany sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alahasaty sy ny Adizaoza ny Adijady.

Amin'ny ankapobeny dia vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy". Ny zavatra tian-ko mafy sy mateza no santarina amin'io andro io, toy ny fampidiram-pananana sy biby hompiana ary vola hotehirizina. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady koa ny Adijady. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady. Ny zaza teraka vava Adijady dia ho vitsy teny, noho izany dia tokony alam-bintana fandrao mijadina loatra ka tsy miteny. Heverina ho tsara vintana ny zaza teraka amin'ny vonto Adijady. Heverina ho tsara vintana ihany koa ny zaza teraka amin'ny vody Adijady.

Adalo

Vintana sy volana faharaika ambin'ny folo ny Adalo. Zanabintana ny Adalo. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Alahasaty sy miarina eo amin'ny Asorontany ny vintana Adalo.

Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo. Atahorana ho maty kely ny zaza teraka vava Adalo. Ny zaza teraka vody Adalo dia tsara vintana ihany ka ho tratra antitra na dia manan-toetra malahelohelo aza.

Alohotsy

Vintana sy volana faharoa ambin'ny folo ny Alohotsy. Zanabintana ny Alohotsy. Ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Asombola sy miarina eo amin'ny Adimizana ny vintana Alohotsy.

Atao hoe volam-padina ny volana Alohotsy noho izy iomanana amin'ny Asaramanitra (izany hoe ny Alahamadibe). Tandremana mafy mba tsy haràtra amin'ny hety na antsy ny zazamadinika fa tsy ho mety sitrana ka noho izay tsy alana volo na hoho na ampiasana zava-maranitra. Ny olona maty ao amin'ny volana Alohotsy dia alevina mangingina. Vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Andro maivana ny andro Alohotsy. Amin' ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy dia tsy misy manao taozavatra. Raha hanorin-trano sy hampaka-bady amin'ny andro Alohotsy dia tsy maintsy misorona vatokaranana sy hazo harahara na famaho alevina eo atsinanan'ny andry avaratra tandrify ny Alohotsy mba tsy hihetsiketsika. Ny zaza teraka vava Alohotsy dia tsy ho marim-ponenana fa mifindrafindra na toerana na zavatra hafa. Ny zaza teraka vody Alohotsy dia ho salama ihany.

Ny vintana malagasy sy ny zôdiaka

Raha manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy dia tsy misy ifandraisany ny evan'ny zodiaka na ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny volana malagasy, afa-tsy ny fitovian'anarana. Na dia atao hoe manara-bolana sy masoandro aza ny tetiandro malagasy dia mbola tsy mifanandrify ihany ny volana malagasy sy ny antokon-kintan'ny zodiaka mitovy anarana aminy.

Ity ny fifandraisan'ny anaram-bolana sy vintana malagasy amin'ny anaran'ny eva sy ny antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny latina.

Anaram-bolana

malagasy

Anaran'antokon-kintan'ny

zodiaka amin'ny teny latina

Dikany

ara-bakiteny

Alahamady Aries "ondrilahy"
Adaoro Taurus "ombilahy"
Adizaozo Gemini "kambana"
Asorotany Cancer "foza"
Alahasaty Leo "liona"
Asombola Virgo "virjina"
Adimizana Libra "mizana"
Alakarabo Scorpio "maingoka"
Alakaosy Sagittarius "mpitifitra tsipika"
Adijady Capricornus "osy-trondro"
Adalo Aquarius "mpandraraka rano"
Alohotsy Pisces "trondro"

Ny orim-bintana sy ny zavatra mifandray aminy

Ny orim-bintana sy ny singa efatra

Araka an'i Jobily Rakotoson[1] dia mifandray amin'ny fanandroana ny singa tsirairay, dia ny rano sy ny rivotra sy ny tany ary ny afo.

Atao hoe vintan'ny rano ny Asorotany sy ny Alakarabo ary ny Alohotsy. Vintan'ny rivotra kosa ny Adimizana sy ny Adalo ary ny Adizaoza. Vintan'ny tany ny Adaoro sy ny Adijady ary ny Asombola.

Vintan'ny afo ny Alahamady sy ny Alahasaty ary ny Alakaosy.

Ny vazantany sy ny zoron-trano

Lafy itoeran'ny vintana Adalo sy ny Alohotsy ny avaratra. Ny zoro avaratra-atsinana no zoron'ny Alahamady. Lafy itoeran'ny vintana Adaoro sy Adizaoza ny atsinanana. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena ny Asorotany. Lafy itoeran'ny vintana Asombola sy Alahasaty ny atsimo. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena ny Adimizana. Lafy itoeran'ny vintana Alakaosy sy Alakarabo ny andrefana. Ny lafin-tany avaratra-andrefana dia atao hoe Adijady ka ny lafin-trano avaratra-andrefana no omena azy.

Ny andro ao amin' ny herinandro

Manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ny andro malagasy ary manomboka amin'ny andro Alakamisy ny herinandro. Ny iray volana ao amin'ny tetiandro malagasy dia misy 29 na 30 andro. Samy manana ny maha izy azy ireo andro ao amin'ny herinandro ireo. Ny fanaovan-javatra fa tsy ny fahaterahana loatra no tena itandreman'ny Ntaolo sy ny Malagasy ankehitriny ny fisafidianana ny andro.

Andro tsara sy andro ratsy ao amin'ny herinandro

Misy "tsara" sy "ratsy" ny andro ao amin'ny herinandro, sahala amin'ny tonon'andro, nefa arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny andro iray na ny tonon'andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin'ny ankapobeny aza ny andro na ny tonon'andro. Ohatra, ny andro Alarobia dia andro ratsy amin'ny ankapobeny nefa isan'ny andro tsara andevenana ny amin'io; ny andro Alakamisy kosa dia heverina fa andro tsara amin'ny ankapobeny, nefa tsy tsara andevenana.

Mety hifanaraka na hifanohitra amin'ny tonon'andro mifanojo aminy ny andro iray ao amin'ny herinandro. Mifanohitra ny tonon'andro tsara sy ny andro ratsy, na ny tonon'andro ratsy sy ny andro tsara. Mifanaraka kosa ny tonon'andro tsara sy ny andro tsara, na ny tonon'andro ratsy sy ny andro ratsy.

Raha mifanojo ny andro tsara (ohatra, ny Alakamisy) sy ny tonon'andro tsara (ohatra, ny Adijady) dia tsara indrindra io fotoana io. Raha mifanojo ny andro ratsy (ohatra, ny Alarobia) sy ny tonon'andro ratsy (ohatra, ny Adalo) dia ratsy tanteraka izany fotoana izany ka tokony tsy amin'io no hanaovan-javatra, sarotsarotra ny fanalana faditra na ny fanalana vintana. Na dia tsara aza ny tonon'andro (ohatra, ny Adijady) nefa mifanojo amin'ny andro heverina fa andro ratsy (ohatra, ny Alarobia) dia foanana ny zavatra hatao na atao ihany fa ialohavan'ny fanalam-paditra. Na dia tsara koa aza ny andro (ohatra, ny Alakamisy) nefa ratsy ny tonon'andro (ohatra, ny Adalo) dia aleo ajanona ny zavatra tokony hatao na tanterahina ny fanalana vintana.

Ny andro fito ao amin' ny herinandro

Alakamisy

Andro voalohany ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy ny andro Alakamisy[2]. Ny teny hoe Alakamisy na Lakamisy na Kamisy dia avy amin'ny teny arabo hoe الخميس / al-khamīs izay midika hoe "andro fahadimy".

Araka ny finoan'ny Ntaolo malagasy, amin'ny ankapobeny, dia andro tsara ny Alakamisy fa manantena hisy. Andro fisantarana izay atao (fanorenan-trano, fivohan'ny tafika amin'ny ady) sy tsara anaovana fampakaram-bady. Tsy tsara andevenana ny andro Alakamisy.

Zoma

Amin'ny Ntaolo malagasy dia andro faharoa ny andro Zoma. Ny teny hoe Zoma na Azoma na Joma dia avy amin'ny teny arabo hoe الجمعة / al-jum‘ah izay midika hoe "andro fahenina". Amin'ny ankapobeny dia andro mainty ny Zoma, araka ny finoan'ny Ntaolo malagasy, ka natokana handevenana.

Asabotsy

Amin'ny Ntaolo malagasy dia andro fahatelo ny andro Asabotsy. Ny teny hoe Asabotsy na Sabotsy dia avy amin'ny teny arabo hoe السبت / as-sabt izay avy amin'ny teny hebreo hoe שָׁבַת / shabbat na avy amin'ny teny hebreo hoe shabbos izay samy manondro ny andro Asabotsy sady midika hoe "andro fitsaharana" na "andro fialan-tsasatra". Amin'ny ankapobeny dia andro "mibontsina" ny Asabotsy, araka ny fivoasana sy ny finoan-drazana malagasy, ka natokana hitomaniana sy hamoizana ny maty.

Alahady

Amin'ny Ntaoo malagasy dia andro fahefatra ny Alahady. Ny teny hoe Alahady na Lahady dia avy amin'ny teny arabo hoe الأحد / al-aḥad izay midika hoe "andro voalohany". Amin'ny ankapobeny dia andro mahery ny Alahady, raha ny finoan'ny Ntaolo malagasy, ka tsy azo andevenana ny marainany.

Alatsinainy

Amin'ny Ntaolo malagasy dia andro fahadimy ny Alatsinainy. Ny teny hoe Alatsinainy na Latsinainy na Tinainy dia avy amin'ny teny arabo hoe الإثنين / al-ithnayn izay mitovy dika aminy. Amin'ny ankapobeny dia andro mafy sy mainty ny Alatsinainy, araka ny finoan-drazana malagasy. Tsy fisantaran-javatra io andro io fa andro fandevenana. Amin'ny maha andro mafy azy dia andro fanamafisan-javatra sy fandevenana ny Alatsinainy.

Talata

Amin'ny Ntaolo malagasy dia andro fahenina ny Talata. Ny teny malagasy hoe Talata na Atalata dia avy amin'ny teny arabo hoe الثلاثاء / ath-thulathā’. Amin'ny ankapobeny, amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia tsy mety ny mamangy mana-manjo amin'ny andro Talata, araka ny finoan'ny Ntaolo malagasy. Andro tsara hivoahan'ny andriana na ny tafika ny andro Talata. Ataon'ny Ntaolo malagasy hoe "Talata gorobaka" ny andro Talata.

Alarobia

Andro fahafito ny andro Alarobia amin'ny Ntaolo malagasy. Ny teny malagasy hoe Alarobia na Larobia dia avy amin'ny teny arabo hoe الأربعاء / al-’arbi‘ā’ izay midika hoe "andro fahefatra". Amin'ny ankapobeny, amin'ny Ntaolo malagasy dia andro ratsy ny Alarobia, araka ny fitenenana hoe "Alarobia tsy miverina". Natokana ho an'ny famoizana sy ny fandevenana ny Alarobia.

Ohabolana momba ny fanandroana

  • Mahadidy maso mpanandro ary manoto azy milaza, fa mamitaka ny adala, ka aza manandro foana.
  • Mamono volana an-trano toa mpanandro tsy mahay.

Fijerin' ny fivavahana kristiana ny fanandroana

Amin' ny ankapobeny dia manohitra ny fanandroana sy ny sikidy ny fivavahana kristiana eto Madagasikara na dia misy amin' ny Kristiana isam-batan' olona ny mbola mankany amin' ny mpanandro mba hamantara ny tokony hataony.

Ny hevitry ny Katôlika

Mazava ny voasoratra ao amin' ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika (KFK) ny amin' ny fandavany ny fanandroana sy ny sikidy arty ny mazia araka izao:

"Tsy azo ekena avokoa ny sikidy amam-panandroana sy izay fomba rehetra miendrika izany: fangataham-bonjy amin' i Satàna na amin' ireo demony, fiantsoana ny maty na ireo fomba amam-pihetsika hafa misandoka ho "mahalala" ny hoavy. Ny fizahana vintana (horoscope), ny fanandroana atao amin' ny fandinihana ny antokon-kintana (astrologie), ny fanandroana amin' ny fijerena bika aman-tsipitsipika eo amin' ny felatanana (chiromancie), ny fanazavana ny fambara miseho, ny fanazavana ny vintana, anjara, lahatra, mosavy, ny faminaniana amin' ny fisehon-javatra mahazendana, ny fitadiavam-bonjy amin' ny mpamoha angatra; ireo rehetra ireo dia mirakitra hery mangeja eo amin' ny fotoana, eo amin' ny tantara ary farany eo amin' ny olombelona, sady koa mirakitra faniriana hihavana amin' ireo hery miafina. Ireo rehetra ireo dia zava-manohitra ny fitokiana an' Andriamanitra sy ny voninahiny ary ny fanajana Azy, izay tokony hotanterahintsika Aminy irery ao anatin' ny fahatahorana Azy amimpitiavana.".

Jereo koa

Rohy ivelany

Fanovozan-kevitra

  • Jaovelo-Dzao R., Mythes, rites et transes à Madagascar, Angano et Tromba sakalava, Karthala et Ambozontany, 1996.
  • Beaujard P., Mythe et société à Madagascar (Tanala de l'Ikongo), Le chasseur d'oiseau et la princesse du ciel, Paris, L'Harmattan, 1991.
  • Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, Editions Ambozontany Antananarivo, 2004.
  • Fivondronamben' ny Eveka eto Madagasikara (mpandika teny), Katesizin' ny Fiangonana Katôlika, Antananarivo, Madagasikara, 2009.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fanandroana Malagasy Ny vintanaFanandroana Malagasy Ny andro ao amin ny herinandroFanandroana Malagasy Ohabolana momba ny fanandroanaFanandroana Malagasy Fijerin ny fivavahana kristiana ny fanandroanaFanandroana Malagasy Jereo koaFanandroana Malagasy Rohy ivelanyFanandroana Malagasy Fanovozan-kevitraFanandroana Malagasy Loharano sy fanamarihanaFanandroana MalagasyAfoAndroFanalana faditraFanalana vintanaFanandroanaFizaran-taonaHerinandroLafin-tanyRanoRivotraTaonaTetiandro malagasyVintanaVolana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

IKor'anyBodismaVarahinaFilazantsara sinôptikaMatioWikimaniaAviavyVolanaVoltora be volombavaCloud computingFanisanaFanekem-pinoana apôstôlikaTantaraRanomasin' i AzovCarl HoefkensGliosidaAlfonso GuerraPreux-au-SartTandrok' Osy (fanandroana)Hypertext Markup LanguageFiteny kikôngôZaidismaKôbaltaAdijadyKabaryRSSDokuWikiOlombelonaFiteny nôrvezianaHaifisaina sy hetsi-poFikambanana Apokalypsy eto MadagasikaraRalamboTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôToniziaFanalan-jazaKolontsainaVanovolondavenonaMichał PazdanTerny-SornyWayback MachineAveloAndriamisaraFiteny latinaAdimizanaOva-matoantenyEokaristiaVoronaVoltora ejiptanaRafael NadalAriaryKristianisma eto MadagasikaraSt. Louis, MissouriAurangzebHivokaEkolojiaPlotoZaburAlakaosyJitànaMpisolo tena (fitsipiteny)PaskaInstagramFiraisana ara-nofoHoronam-bokin' i Abrahama🡆 More