Fitsipiteny Tarika: Fitsipiteny

Ny tarika dia teny na andian-teny ao amin' ny fehezanteny izay ahitana teny fototra atao hoe loha-tarika sy teny na andian-teny miankina aminy mivantana na amin' ny alalan' ny mpampiankina (mpampiankin-teny na mpampiankina fehezankevitra).

Ny tarika dia azo omena anarana araka ny sokajin-teny misy ilay loha-tarika ka misy noho izany ny tarika anarana, ny tarika matoanteny, ny tarika faritoetra, ny tarika mpampiankin-teny, sns raha anarana, matoanteny, mpamaritra, na mpampiankin-teny, sns ilay loha-tarika.

Ny karazana tarika

Misy karazany maro ny terika ka ny manan-danja indrindra dia ny tarika anarana, ny tarika mpamaritra, ny tarika tambinteny, ny tarika mpampiankin-teny ary ny tarika matoanteny.

Tarika anarana

Ny tarika foronin' ny anarana sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika anarana". Ireo teny mameno azy ireo dia mety ho famenon' ny anarana na mpanoritra na mpamaritra na teny amin' ny sokajy hafa na fehezankevitra mihitsy aza.

Ohatra:

  • Le petit chien blanc de mon voisin a aboyé toute la nuit.
  • Le courrier électronique est probablement le service le plus utilisé par les internautes.
  • À midi, nous avons mangé quelque chose de bon.

Tarika mpamaritra

Ny tarika foronin' ny mpamaritra sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika mpamaritra". Ireo teny mameno azy ireo dia mety ho famenon' ny mpamaritra na teny amin' ny sokajy hafa (tambinteny sns) na fehezankevitra.

Ohatra:

  • J'ai un jardin] tout plein de roses odorantes.

Tarika tambinteny

Ny tarika foronin' ny tambinteny sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika tambinteny". Ireo teny mameno azy ireo dia mety ho famenon' ny tambinteny na tambinteny hafa na teny amin' ny sokajy hafa.

Ohatra:

  • Ils ont dû payer une amende conformément à la loi.

Tarika matoanteny

Ny tarika foronin' ny matoanteny sy ny teny na tarika mameno azy sady tsy azo foanana no anatao hoe "tarika matoanteny". Ireo teny mameno azy ireo dia mety ho famenon' ny matoanteny na tambinteny na mpamaritra na teny amin' ny sokajy hafa. Ampahatsiahivina fa ny famenon' ny matoanteny dia lazaina hoe "fameno zoina" raha ampifamalina amin' ny famenon' ny fehezanteny izay atao hoe "fameno toe-javatra".

Ohatra:

  • Il a travaillé courageusement toute la fin de semaine.

Tarika mpampiankin-teny

Ny tarika foronin' ny mpampiakin-teny sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika mpampiankin-teny". Ireo teny mameno azy ireo dia mety ho famenon' ny mpampiankin-teny na teny amin' ny sokajy. Ny tarika mpampiankin-teny dia mety ho famenon'ny anarana, na famenon'ny matoanteny, na famenon' ny fehezanteny, na hafa.

Ohatra:

  • Je pars à trois heures.

Jereo koa

Tags:

Fitsipiteny Tarika Ny karazana tarikaFitsipiteny Tarika Jereo koaFitsipiteny TarikaAnaranaFehezantenyMatoantenyMpamaritra (fitsipiteny)Mpampiankin-tenyMpampiankinaMpampiankina fehezankevitra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KyivKabary am-panambadianaMpandrindra milinaMôrmônismaLisitry ny zavatra madinidinika 100001-101000Hugo ChávezFamakafakanaAmbatomenaJürgen RischeAnton ChekhovKristianisma eto MadagasikaraFiteny idisyNigel GodrichFritz HaberÔmànaTeôlôjian' ny hazo fijalianaHazo fijalianaZon' olombelonaFiteny soahilyAlexander PushkinKômonismaMônakôFifohazana (kristianisma malagasy)1929Derek Jeter17 Martsa(2984) Chaucer1922Sakramentan' ny fivalozana sy ny fampihavananaMineralyPaskaCarlos CorreaLakandranon' i SuezAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaOrsa pôlaraAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaArsène WengerMaleziaFath al-BariŌitaFandraisanaSiansaAnaranaLouis-Claude VincentISO 3166-1ViratyVolkan Demirel1997PalestinaNanjingFiteny sinoaAbdellatif FellainiMcMechen, West VirginiaMarcos SennaRanavalona ISokitraSodàna Atsimo9 DesambraHerinandro MasinaNederlandySolosainaAchunFiteny ôfisialyAntemoro29 Desambra🡆 More