Adaoro

Ny Adaoro no vintana faharoa ao amin' ny fanandroana malagasy.

Ny Alahamady no eo alohany ary ny Adizaoza no manaraka azy. Ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Lazaina fa mifandratra amin' ny Alakarabo sady mihataka sy miarina eo amin' ny Adimizana ny Adaoro.

Adaoro
Afo

Fiavian' ilay anarana

Ny teny hoe Adaoro

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe اثور / Ath-Thur na Ath-Thaur ("ombilahy") ny hoe Adaoro. Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Taurus na amin' ny teny frantsay hoe Taureau ny hoe Adaoro. Amin' ny teny soahily izy dia atao hoe Ng'ombe fa amin' ny teny maley kosa dia Lembu Jantan na Kerbau Jantan.

Adaoro 
Ny antokon-kintana Ombilahy

Ny antokon-kintana Ombilahy sy ny zôdiaka

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintan'ny Ombilahy dia amin' ny 13 Mey hatramin' ny 21 Jona. Ny fari-potoan' ny Ombilahy araka ny zôdiakan-kintana dia eo amin' ny 16 Mey hatramin' ny 15 Jona. Ny Ombilahy ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia avy eo amin' ny 21 Mey ka miafara amin' ny 20 Jona. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.

Ondrilahy Ombilahy Kambana
Antokon-kintana 18 Avrily - 13 Mey 13 Mey - 21 Jona 21 Jona - 20 Jolay
Zodiakan-kintana 15 Avrily - 15 Mey 16 Mey - 15 Jona 16 Jona - 15 Jolay
Zodiaka mikisaka 21 Marsa - 20 Avrily 21 Avrily - 20 Mey 21 Mey - 21 Jona

Vintana Adaoro

Toerany

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana faharoa ny Adaoro ka ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Zanabintana ny Adaoro. Trotroin' ny renivintana Alahamady ny zanabintana Adaoro. Mitondra tonon' andro roa ny Adaoro, dia ny vava Adaoro (na vavan' Adaoro) sy ny vody Adaoro (na vodin' Adaoro).

Fombany

Inoana ho andron' afo na andro mandoro ny Adaoro. Mifandratra amin' ny Alakarabo sady mihataka miarina eo amin' ny Adimizana ny Adaoro.

Vava Adaoro

Ny olona teraka vava Adaoro dia atahorana amin' ny afo ka tsy maintsy alam-bintana amin' ny alalan'ny fitondran-dreniny azy mandositra avy anaty trano tomboka kely nodorana.

Vody Adaoro

Ny olona teraka vody Adaoro dia tsara vintana ka raha lahy dia hahay mikabary fa raha vavy kosa dia ho tsara fanahy.

Volana Adaoro

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adaoro ho volana faharoa amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Manomboka amin' ny vava Adaoro ka miafara amin' ny vody Alahamady ny volana Adaoro raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alahamady dia miafara amin' ny vava Adaoro ny volana Adaoro izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adaoro io dia mifarana amin' ny vody Adaoro ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Adaoro Fiavian ilay anaranaAdaoro Vintana Adaoro Volana Adaoro Jereo koaAdaoro Loharano sy fanamarihanaAdaoroAdimizanaAdizaozaAlahamadyAlakaraboFanandroana malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Faritany eto MadagasikaraMediaWikiAostraliaFoko eto MadagasikaraBoky fahadimin' ny MakabeoSôlômônaAkohoFiteny tsovasaWayback MachineBaiboly amin' ny teny malagasyDistrikan'i FianarantsoaBiôgrafiaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaSiliaApôkalipsy gnôstikan' i PeteraApôkrifan' ny Testamenta VaovaoMandravasarotraBaibolySakramenta ao amin' ny prôtestantisma03 janvier 2016Fanavaozana prôtestantaTontolo iainanaRKristianisma eto MadagasikaraKininina (zavamaniry)Hypertext Markup LanguageVolana (fotoana)Port-au-PrinceTovona (fitsipiteny)OhabolanaWikipediaVolamenaBibyTantaran' ny kristianismaTom KilburnShiqiMorondavaFoko folo veryWashington D.C.HVazimbaPrôtektôrata Frantsain' i MadagasikaraHasina (zavamaniry)Evanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloFitenim-paritra malagasyMpiandry tsaraFaritra AnalamangaApôkrifan' i JoanyAndriantompokoindrindra (foko)Fanandroana malagasyIndiaEvan'ny zodiakaMarshall LeffertsDidy FoloMSihanakaTany lemakaFiteny kôreaninaFanandroanaBoky voalohan' ny MakabeoApôkalipsy voalohan' i JakôbaRalaimongo JeanMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyAnjara asa (fitsipiteny)KantoFatranaISO 3166-1AmbiroaFanekem-pinoana apôstôlikaShikohabadAsan' ny Apôstôly🡆 More