Ny fiteny mandarina (amin' ny teny sinoa 官話), izay tsorina indraindray amin' ny hoe fiteny sinoa, dia iray amin' ireo karazam-piteny sinoa tenenina ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Sina an-tanibe.
Mandarina 官話 na 官话 (guānhuà) | |
Isan'ny mpiteny | 1,3 miliara |
Faritany | teny ofisialy any Sina, Taiwan ary Singapaoro |
Sata | anisan'ny teny ofisialin'ny Firenena Mikambana |
Ny fiteny mandarina no be mpiteny indrindra maneran-tany. Soratana amin' ny alalan' ny soratra sinoa (sinôgrama) sy ny abidy latina (piniiny) ary amin' ny alalan' ny bopomofo koa ny fiteny mandarina.
Noho io fiteny io ampiasaina ho fitenin' ny fanabeazana dia heverina fa eo amin' ny 1 300 000 000 eo ho eo no mahay miteny azy ankehitriny. 800 000 000 eo ho eo no Sinoa manana io fiteny io ho teny nibeazana (fiteny voalohany nianarany).
Ianaran' ny Sinoa rehetra ny fiteny mandarina nefa misy ny Sinoa zokinjokiny sasany izay tsy miteny mandarina fa miteny amin' ny fiteny sinoa hafa toy ny fiteny kantôney. Misy fianakaviambe sinoa any ivelan' i Sina izay mampiasa ny fiteny mandarina ampianarina amin' ny lisea sy oneversite maro manerana izao tontolo izao.
Miisa efatra ny haabom-peo misongadiana amin' ny fiteny sinoa, izay teny ara-kaabom-peo:
Misy ihany koa ny atao hoe haabom-peo tsy mitongilana izay mety antsoina hoe haabom-peo fahadimy. Io haabom-peo fahadimy io dia hita amin' ny fanononan' ny sinôgrama 吗 (ma na ma5) izay midika "ve".
Ankoatry ny haabom-peo dia 1 277 ny isan' ny vaninteny ananan' ny teny sinoa mandarina. Izay ahafahana manavaka am-bava ny teny ampiasaina indrindra amin' ny fiteny sinoa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiteny mandarina, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.