Filazam-Potoana Ankehitriny

Ny filazam-potoana ankehitriny dia endriky ny teny atao entimilaza (ny matoanteny indrindra) izay manambara amin' ny alalan' ny mari-potoana fa amin' ny fotoana itenenana na amin' ny vanim-potoana diavin' ny mpiteny no itrangan' ny asa na toetra lazain' io entimilaza na matoanteny io.

Amin' ny ankapobeny ny filazam-potoana ankehitriny dia manondro ny fotoana mifanandify na mahafaoka na manakaiky ny fotoana itenenana. Mety hanondro asa na toetra mahazatra izay tsy voatery miseho amin' ny fotoana itenenana koa izy.

Afaka manondro fotoana hoavy koa ny filazam-potoana ankehitriny ao amin' ny fiteny tsy manana filazam-potoana hoavy (ankehitriny vs lasa) ka tokony ho "filazam-potoana tsy lasa" no hiantsoana azy. Aafaka manondro fotoana lasa koa ny filazam-potoana ankehitriny ao amin' ny fiteny tsy manana filazam-potoana lasa (ankehitriny vs hoavy) ka tokony hantsoina hoe "filazam-potoana tsy hoavy".

Afaka manondro fotoana lasa na ho avy ny filazam-potoana ankehitriny ao amin' ny fehezankevitra ampidirim-pehezankevitra amin' ny filazam-potoana lasa na hoavy raha tsy manana filazam-potoana maneho manokana izany ilay fiteny. Ny fiteny frantsay, ohatra, dia manova filazam-potoana ka ny indicatif présent avany ho indicatif imparfait.

Ny filazam-potoana ankehitriny ao amin' ny filaza sasany dia mety ho anarany fotsiny. Izany no miseho ao amin' ny atao hoe ankehitriny mihonohono (frantsay: conditionnel présent) ao amin' ny fiteny frantsay izay afaka manondro ny fotoana lasa na ny hoavy koa.

Ao amin' ny fiteny manambatra ny mari-potoana amin' ny mari-panehoan-javatra dia ahitana ireto filazam-potoana ankehitriny ireto:

Jereo koa

Tags:

EntimilazaMatoanteny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Zone FrancRanavalona IFivavahana24 FebroaryMianmaraPalmdale, KaliforniaKinshasaMatoatoaSekolyMeyFifohazana AnkaramalazaFandraisanaZanabintanaDanilo GallinariIsraelyAndôraPaskaHypertext Markup LanguageFiangonana Loterana MalagasyRanavalona IIIMicrosoft WindowsSimiaTonizia1970Chah BaharLetôniaMatyAnaranaVolahavana GermaineFiteny grikaAbkaziaAntambahoakaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraSoisaMasedônia AvaratraTorkiaAmbiroaVaryFiangonana kalkedônianaAdijadyFahitalavitraFokon' i DanaBenito MussoliniTôngaFiteny samôrôHarin-karena faobeSomatraMadagasikaraAsa AkiraLisitry ny firenenaPenguinEglizy katôlika rômaninaOnjan-drano1974AndrianampoinimerinaApôlinariôsy avy any LaôdikeaLalan-jazaLimboDidy FoloJibotỳTerakaFirenenaFiteny japôneyVintana (finoan-drazana malagasy)Louis PasteurFivarotana andevoAntemoroVintana12371954Afrika AfovoanyMahabad, IsfahanFanavakavaham-bolon-koditra🡆 More