Fiendrika Añanovana

Ny fiendrika añanovana na fitodika mpamari-toe-javatra dia fiendrika na fitodika hita ao amin' ny fiteny malagasy araka ny fitsipiteny sy ny haiteny malagasy.

Fiendrika fahatelo manaraka ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina izy. Ny fitsipiteny malagasy tranainy sasany dia tsy mahalala ny fisian' io fiendrika io fa mampiditra izay tokony ho isany ao amin' ny fiendrika anoina.

Ny fiendrika añanovana ao amin' ny fiteny malagasy

Ny fiendrika añanovana araka ny fitsipiteny tranainy

Ny fitsipiteny tranainy sasany dia tsy miresaka ny amin' ny fiendrika añanovana. Ao amin' ny fitsipiteny tranainy izay miresaka azy dia fiendrika mahaleo tena sady mifameno sy mifamaly amin' ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina ny fiendrika añanovana ao amin' ny fiteny malagasy.

Ny fiendrika añanovana araka ny haiteny ankehitriny

Ny hoe fiendrika añanovana sy ny hoe fitodika mpamari-toe-javatra dia tsy manondro zavatra mitovy tanteraka. Mety ho endrika mifandraika amin' ny fitodika toe-javatra na ny fitodika zoina ny fiendrika añanovana, arakaraka ny firehan' ny haiteny anaovana ny fanadihadiana.

Fiendrika añanovana araka ny haiteny ara-piofohana

Ho an' ny mpahay teny ara-piofohana dia mety hanana hevitra mifandray amin' ny fitodika toe-javatra na amin' ny fitodika zoina ny fiendrika añanovana.

1. Fitodika zoina

  • Fitodika zoina fitaovana: Ikapohan' ny ankizy ny omby ny kibay
  • Fitodika zoina alalana: Anenjehan' ny olona lambo ny alika.
  • Fitodika zoina toerana: Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.
  • Fitodika zoina tolorana: Ivarotan-janako ny fiara ilay mpanan-karena.

2. Fitodika toe-javatra

  • Fitodika toe-javatra fotoana: Isakafoanana matetika ny antoandro.
  • Fitodika toe-javatra toerana: Ananangonany ahitra ny any an-tsaha.
  • Fitodika toe-javatra fomba: An-katezerana no namaliany ny fanontaniako.
  • Fitodika toe-javatra antony: Ahazoana entana maro ny fihenam-bidy.

Fitodika toe-javatra ao amin' ny haiteny araka anjara asa

Ao amin' ny haiteny araka anjara asa kosa dia tsy misy ny fanavahana ny fiendrika amin' ny fitodika ka amin' ny ankapobeny ny fiendrika añanovana dia ny fitodika mpamari-toe-javatra ihany, noho ny haiteny araka anjara asa manankina ny fanadihadiany amin' ny endriky ny matoenteny sy ny tsirinteny ary ny isan' ny vaniny ao amin' ny fehezanteny kely indrindra.

Ohatra:

  • Anenjehan' ny olona lambo ny alika.
  • Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.
  • Ivarotan-janako ny fiara ilay mpanan-karena.

Jereo koa

Tags:

Fiendrika Añanovana Ny fiendrika añanovana ao amin ny fiteny malagasyFiendrika Añanovana Jereo koaFiendrika AñanovanaFiendrikaFiendrika anoinaFiendrika mañanoFiteny malagasyHaiteny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fivavahana abrahamikaNeville SouthallWordPressFiteny irlandeyAllemant, Marne1 JanoaryTim HetheringtonTestamenta TalohaLohataonaCalvin CoolidgeBucharestGoogle1922SoratraKabary am-panambadianaKuleSolosainaFiteny ordòEstera (ao amin'ny Baiboly)ForyTorkiaFiarahamoninaFanasan-tongotra (fivavahana)Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Sakramentan' ny fivalozana sy ny fampihavananaVanim-potoana mesianikaLisitry ny gazety ao Madagasikara1745Lisitry ny filohan' i MadagasikaraSahih al-BukhariMaebashi1929Ashland, OregonTheodore WhartonOhabolanaTantaran' ny kristianismaNeôplatônismaGeorges AndriamanantenaEmpira Ôtômàna1940Repoblikan'i WeimarFanambaràna ny hevitry ny nofyLisitry ny zavatra madinidinika 24001-25000GibraltaraKolikolyBelo HorizonteTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôBergicourt2020TorkmenistànaAhmed Salah HosnyMpitsara ao amin' ny BaibolyFiteny zoloTeteTongstenaKilalaoFahotanaAndoni GoikoetxeaRosiaRobert Mugabe22 Novambra283RirininaBakteriaDurrës1833MartsaLisitry ny zavatra madinidinika 65001-66000VohiposaKainaHerman Francis MarkAlaska17542001🡆 More