Fiteny Vietnamiana

Ny fiteny vietnamiana dia fiteny ôfisialin' i Vietnamy ; fiteny vietika, izay isan' ny sampana mônkmeran' ny fiteny aostrôaziatika.

Izy no fiteny aostrôaziatika be mpiteny indrindra, indroan' ny isan' ny olona miteny kmera. Fiteny tokam-baninteny ny fiteny vietnamiana. Atao hoe en : Tiếng Việt ity fiteny ity amin' ny teny vietnamiana.

Fiteny Vietnamiana
Tantsaha vietnamiana tamin' ny taona 1921.

Ny 85 %n' ny mponin' i Vietnamy sy mpifidra monina ivelan' ny tanindrazany no manao ny fiteny vietnamiana ho fitenin-dreny. Miisa 107 500 000 any ho any ny mpiteny vietnamiana. Ny fomba fanoratana atao hoe Quốc ngữ, no ampiasaina amin' izao fotoana izay ka nasolo ny fanoratra sinoa. Tsy sarotra ny fitsipitenin' ny fiteny vietnamiana noho ny teny ao aminy tsy miova endrika mihitsy.

Tantarany

Nivoatra avy tamin' ny fiteny môna-kmera ity fiteny ity. Tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. hatramin' ny taonjato faha-10 taor. J.K., dia teo ambany fitondran' ny Sinoa i Vietnamy (faritanin' i Jiaozhi). Niely ny fiteny sinoa (izay ao amin' ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana) sy ny asa sorany, indrindra teo amin' ireo mahay tararasy sy manam-pahaizana vietnamiana, ka nisolo ny rafi-tsoratra tena vietnamiana izay heverina fa efa nisy talohan' ny vanim-potoana kristianina. Noho izany dia manana literatiora amin' ny teny sinoa i Vietnamy, ary tamin' ny taonjato faha-10 dia nisy literatiora nosoratana tamin' ny rafi-panoratana Chữ Nôm. Maro ny voambolana avy amin' ny fiteny sinoa izay tafiditra ao amin' ny fiteny vietnamianaka manome ny atao hoe fiteny sinô-vietnamiana. Ny literatiora amin' ny rafi-tsoratra Chữ Nôm dia mampiasa tarehin-tsoratra sinoa, izay ampiasaina irery fa tononina amin' ny fomba tsy mitovy amin' ny fanononana sinoa, ary nomena heviny hafa tsy mitovy amin' ny an' ny fiteny sinoa, na izy roa mitambatra. Ny tarehin-tsoratra Chữ Nôm dia maneho ny feon' ny fitenim-bahoaka vietnamiana. Efa tany am-piandohan' ny taonjato faha-17 dia nampiasa rafi-panovàn-tarehin-tsoratra amin' ny abidy latina ny misiônera kristiana (ilay zezoita Alexandre de Rhodes tamin' ny taona 1651) ka natao amin' ny fomba rômana (Chữ quốc ngữ) ny fanoratana.

Endri-teny sy hevi-teny

Ny fiteny vietnamiana dia fiteny be lantom-baninteny, izay misy lanton-baninteny enina. Tokam-baninteny avokoa ny voanteny ao aminy ary tsy misy fiiovana andrika (na inona ny anjara asany ao amin' ny andian-teny na fehezanteny). Tsy manome voanteny maro vaninteny ny fanakambanana ireo vonteny ireo fa mijanona ho tandaha-teny misy voanteny roa miavaka sy tokam-baninteny avy. Ny hevi-teny dia izo avy amin'ny fanakambanana voateny sy ny toerana misy ny voanteny ao amin' ny fehezanteny sy miohatra amin'ny voanteny hafa iray fehezanteny aminy.

Ny lantom-baninteny sy ny fahasamihafan' ny fanononana any amin' ny faritra avaratra sy amin' ny faritra afovoany ary any amin' ny faritra atsimo amin' ilay firenena dia mety mahatonga ny vietnamiana ho sarotra azon' ny vahiny. Na izany aza, amin' ny fianarana ilay fiteny, ny fenitra ôfisialy dia ny fanononana any amin' ny farira avaratra misy an' i Hanoi renivohitra.

Fielezany

Betsaka ny mpiteny vietnamiana any amin' ireto firenena manaraka ireto: Aostralia, Kambôdza, Kanada, Sina, Kôtidivoara, Failandy, Frantsa sy ny zana-taniny sasany (Martinique sy Nouvelle-Calédonie), Alemaina, Laôsy, Nederlandy, Nôrvezy, Filipina, Pôlônia, Senegaly, Tailandy, ary Tsekia.

Jereo koa

  • Fiteny ao Vietnamy

Tags:

Fiteny Vietnamiana TantaranyFiteny Vietnamiana Endri-teny sy hevi-tenyFiteny Vietnamiana FielezanyFiteny Vietnamiana Jereo koaFiteny VietnamianaFianakaviam-piteny aostrôaziatikaFiteny kmeraFiteny vietikaVietnam

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

(89128) 2001 UP7ImamoFiteny anglisyAnton ChekhovKurt GödelMôrmônismaAlahasatyVelirano1929Bokin' i HenôkaAndry dimin' ny finoana silamoDivaySambainaPaskaEuroEstera (ao amin'ny Baiboly)EskatôlôjiaLa BazeugeRanavalona IISO 42172020Faritra Atsimo-AndrefanaYzeuxMônakôSakalavaSômaliaFilioqueFampianaranaMarshall LeffertsJapànaVohimasina NordFiteny jeôrjiana283SiberiaTetiandro hebreoPentekôtisma eto MadagasikaraAndron' ny MesiaMasikoroHiragasyEntimilazaTantaran' i MadagasikaraSodàna AtsimoLazaina (fitsipiteny)ZivaDurrës22 NovambraKońskowolaRaúl AlbiolFitohananaTaboryFivavahan-drazana malagasy894TorontoFanagasianaFiteny irlandeyGregor MendelMouvement Démocratique de la Rénovation MalgacheInternet ExplorerElon MuskBonneval, Eure-et-LoirFamakafakanaAndrianaFahotana201514 JolayBorondyAntesaka1782JinyHerinandro MasinaJürgen Rische5 Oktobra🡆 More