Ny zoina na fameno zoina dia anjara asa ao amin' ny fehezanteny izay milaza ny olona na biby na zavatra hafa iantefan' ny asa tanterahin' ny olona na biby na zavatra hafa misahana ny anjara asa mpanao.
Mety hisahana anjara asa fameno na lazaina ny zoina arakaraka ny fampitodihana ny fehezanteny.
Amin' ny ankapobeny dia mampiavaka ny fameno zoina ny tsy fahafahana manafoana azy avy ao amin' ny fehezanteny na mamindra toerana azy (manova tanteraka ny hevitry ny fehezanteny izany), tsy tahaka ny fameno mpamari-toe-javatra. Misy ny mpanao fitsipiteny mampitovy ny fameno zoina amin' ny fameno iharana nefa misy ireo izay tsy manafangaro izany fa manao ny fameno iharana ho karazana iray amin' ny fameno zoina. Ny fameno zoina dia famenon' ny matoanteny fa ny fameno toe-javatra kosa dia famenon' ny fehezanteny.
Ao amin' ny fehezanteny hoe Mitsena ny zanany ilay rangahy dia fameno zoina ny hoe ny zanany.
Araka ny fitsipiteny mahazatra amin' ny fiteny sasany, raha ny firafitry ny fameno amin' ny matoanteny no heverina dia misy karazany maro ny fameno zoina, dia ny fameno zoina mivantana, ny fameno zoina tsy mivantana, ny fameno zoina anatiny ary ny fameno zoina faharoa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Zoina, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.