Lakandranon' I Môzambika

Ny Lakandranon' i Môzambika dia sampan' ny Ranomasimbe Indiana mampisaraka an' i Madagasikara amin' i Afrika, tandrify indrindra an' i Môzambika.

Lakandranon' I Môzambika
Ny lakandranon' i Môzambika
Lakandranon' I Môzambika
Ny lakandranon' i Môzambika

Manodidina ny 1 600 km eo ho eo ny lavany, 419 km ny sakany amin' ny toerana tery indrindra ary mahatratra 3 292 m ny halaliny amin' ny toerana lalina indrindra, eo amin' ny 230 km miala ny morontsirak' i Môzambika. Mandalo ao ny korian-drano mafana mitodika mianatsimo izay mikambana amin' ny korian-dranon' i Agulhas any atsinanan' ny morontsirak' i Afrika Atsimo.

Ny nosy ao aminy

Any avaratra, eo anelanelan' i Madagasikara sy ny Kôntinenta Afrikana no misy ny Tamba-nosin' i Kômôro.

Ao ihany koa ireo nosy kely - ankoatra ny nosy Tromelin izay mitokana any amin' ny Ranomasimbe Indiana - izay eo ambany fiadidian' i Frantsa ka antsoina hoe "Nosy Miparitaka": ny nosy Glorieuses, Juan de Nova, Europa ary Bassas da India.

Ny tombon-tsoa azo avy aminy

Ahitana ny toerana fitiliana ny toetrandro sy ny fiavian' ny rivodoza ny nosy kely miparitaka ao amin' io lakandrano io. Maro ny sambo mpitatitra solitany no mandalo ao. Mahamora ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina sy ana habakabaka iraisam-pirenena ihany koa ao, indrindra ny fifamoivoizana Madagasikara-Jiboty-Madagasikara, na Maorisy-Kenia-Maorisy.

Tags:

AfrikaMadagasikaraMôzambikaRanomasimbe Indiana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Bokin' i IsaiaTambintenySakalavaApôkrifan' ny BaibolyFikambanana Skoto eto amin' ny Fiangonana Loterana MalagasyMpamari-toetraNGrisyAsombolaNikôtininaGoogleIsraelyEorôpaBenjamin DisraeliKazakstànaNôvambraPôlitika eto MadagasikaraMikeaWikiOhabolanaTobilehibeKabary famangianaFaritany eto MadagasikaraFivavahan-drazana malagasyFanandroanaFoko eto MadagasikaraFitenim-paritra malagasyBetsileoJohn DaltonMasikoroAmpongaFiteny araboElliot ShevelBorondyMatoantenyTendryDidy Folo1989CaliforniaJean-Joseph RabeariveloGnôstisismaTsimihetyTantaran' i MadagasikaraSolombavambahoakaFanandroana malagasySorona masinaArama (faritra)DemôkrasiaVictoire RasoamanarivoAndrianampoinimerinaFiteny tiorkaAdijadyFanahyGeorges AndriamanantenaJirofoFitaovam-piadianaMassachusettsSoisaFanjanahantanyQIT Madagascar MineralsTontolo iainanaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôTantaran'i Madagasikara2012Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoLahatra (finoana malagasy)FiarahamoninaIsaia (mpaminany)AlakaosyTestamenta VaovaoDagestàna🡆 More