Israely

I Israely na Fanjakan' i Israely dia firenena ao amin' ny faritra Atsinanana Akaiky, any Azia.

Ao amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea izy ary mitomandavana mianatsimo hatrany amin' ny Hoalan' i Aqaba izy. I Jerosalema no renivohiny nefa tsy ankatoavin’ ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izany. I Jerosalema ihany koa no tanàna lehibe indrindra dia raha ampidirina ao i Jerosalema Atsinanana. 20 770 km2 ny velarany ary 8 847 400 ny isan' ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny Avrily 2018. Ny faritr' orany dia +2. Mamaritra an' i Israely ao avaratra i Libanona, ao avaratra-atsinanana i Siria, any atsinanana i Jôrdania sy i Sisjôrdania (na Jôrdania Andrefana), ary any atsimo-andrefana i Ejipta sy ny Salavantanin' i Gaza. Ny laharam-pehintaniny sy ny laharan-jarahasiny dia 29° avaratra sy 34° atsinanana.

Israely
Sainan' i Israely
Israely
Sarin-tanin' i Israely eo anivon' izao tontolo izao

Atao hoe יִשְׂרָאֵל / Yisrā'el sy מְדִינַת יִשְׂרָאֵל / Medīnat Yisra'el izy amin' ny teny hebreo fa إِسْرَائِيلُ / Isrā'īl sy دولة إسرائيل / Dawlat Isrā'īl kosa amin' ny teny arabo.

Israely
I Jôrdania Andrefana na Sisjôrdania (faritra bodoin' i Israely nanomboka tamin' ny Ady Enina Andro, ankehitriny tantanan' i Israely ny 60 % fa tantana n' i Palestina ny 18 % ary 22 % iarahan' izy roa mitantana.

I Israely dia manana morontsiraka ao amin' ny ranomasina telo, dia ny Ranomasina Mediteranea ao avaratra, sy ny Ranomasina Maty ao atsinanana, ary ny Ranomasina Mena ao atsimo (izay ampifandraisin’ ny Hoalan' i Aqaba). Na dia eo aza ny tany efitr' i Negev (izay mameno ny antsasa-manilan' ny tanin' i Israely) dia nisy ny fambolena hazo miisa 200 tapitrisa any ho any nanomboka tamin' ny taona 1948. Mihoatra ny 80 % amin' ny Israeliana ny Jiosy, fa ny 20 % kosa dia Arabo. Anisan' ireo firenena manan-karena indrindra eto an-tany i Israely raha ny fidiram-bolan' ny isam-batan' olona no heverina.

Ny Fanjakan' i Israely, izay niforona tamin' ny taona 1948 taorian' ny fanambaràna ny fahaleovantenany, dia vokatry ny fizaràna ny faritr' i Palestina izay natolotry ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 1947. Ankehitriny dia manana velarana mirefy 21 946 km2 i Israely. Ny sisintaniny ankehitriny, izay vokatry ny ady voalohany nifanaovany tamin' ny firenena arabo manodidina azy tamin' ny taona 1949 anefa dia tsy ankatoavin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena.

Taorian' ny fandreseny tamin' ny Ady Enina Andro tamin' ny taona 1967 dia nibodo ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania) i Israely. Ny Lembalemban' i Golan, izay azony tamin' ny alalan' ny fanafihana tamin' io fotoana io, dia nampidiriny ho isan' ny taniny tamin' ny taona 1981. Naitany koa ny velaran-tany ananany fiandrianana ao amin' ny ampahan' tanànan' i Jerosalema onenan' ny Arabo. Lasa nitambatra indray ity tanàna ity ary nambaran' ny mpitondra israeliana ho renivohitry ny Fanjakan' i Israely. Tsy ankatoavin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena anefa izany fanatambarana an' i Jerosalema izany.

Tamin' ny Mey 1994 dia nisy fifanarahana, teo amin' i Israely sy ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina (frantsay: Organisation de libération de la Palestine -- OLP), izay nametraka fitantanana palestiniana mizaka tena ho an' ny Salavantanin' i Gaza sy ny tanànan' i Jerikô ao Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania). Ny fifampiraharahana maro momba ny fandriam-pahalemana teo amin' i Israely sy ny firenena arabo – niantomboka tamin' ny Septambra 1993 ary niompana amin' ny satan' ireo tany voabodo na nakamban' i Israely amin' ny tanim-pireneny ary amin' ny fiandrianana palestiniana  – dia miteraka fifanoherana mahery vaika teo amin' ny roa tonta.

Jeôgrafia

Ny vohon' ny tany sy ny rano

Ny vohon' ny tany

Manana halava mirefy 425 km sy sakany eo anelanelan' ny 16 sy 115 km i Israely. Ao atsimo, ny taniefitr' i Negev dia mibahana saika ny antasaky ny velaran' ilay firenena. Ao amin' ny tapany avaratra, ny tany amorontsiraka azo ampiasaina dia mirefy 190 km manamorona ny Ranomasina Mediteranea. Misy korian-drano manasaraka ny Lemak' i Zebolôna, ao avaratr' i Haifa, ny Lemak' i Sarôna, hatrany Haifa ka hatrany Tel-Aviv-Jaffa sy ny Lemak' i Jodea, hatrany Tel-Aviv-Jaffa ka hatrany Gaza.

Izany rehetra izany dia mifarana eo amin' ny Tendrombohitra Karmela izay ahitana ny Lohasahan' i Jezreel miainga avy eo am-potony. Ao amin' ny tendrony avaratra no ahitana an' ireo tendrombohitr' i Galilea, izay manohy ny tandavan-tendrombohitr' i Libanona sy manana ny tampony avo indrindra ao amin' ny Tendrombohitra Meiron (1 208 m). Ireo havoanan' i Samaria, izay mitohy amin' ny Tendrombohitra Karmela ao andrefana, no mampitohy azy ireo amin' ireo tendrombohitr' i Jodea (881 m).

Tabajotran-drano

Israely 
Ny ony Jordana dia mamakivaky ny sisin-tany manelanelana an' i Jôrdania, i Jôrdania Andrefana, i Israely ary Siria atsimo-andrefana.

Ao atsinanan' ireo rehetra ireo ny ony Jordana izay mikoriana ao amin' ny Lempon' i Ghor, mamatsy rano ny Farihin' i Tiberiada (na Farihin' i Tiberiasy, izay antsoina hoe Ranomasin' i Galilea koa) ary mifarana any amin' ny Ranomasina Maty, izay teboka farany iva indrindra ao Israely, 408 m ambanin' ny haavon' ny ranomasina.

I Jordana, izay hany ony lehibe ao amin' ilay faritra, dia nanaovana fanajariana mba hahafahana manao fitarihan-drano ao Galilea sy ao amin' ny ampahany andrefana amin’ ny Lempon' i Ghor ary ao Negev. Ny fampiasana ny ranon' i Jordana no anisan' ny antom-pifandirana lehibe eo amin' i Israely sy ny firenena arabo manodidina sy ny Palestiniana.

Toetany

Ny toetanin' i Israely dia miovaova arakararaka ny faritra, hatramin' ny toetany mediteraneana ka hatramin' ny toetany somary karankaina.

Rotsak' orana

Israely 
Ireo havoanan' i Jodea

Ny rotsak' orana, izay tsy misy firy raha tsy amin' ny ririnina, dia miovaova be ararakaraka ny faritra: mahatratra 1 015 mm izany ao amin' ireo havoan' i Galilea, 551 mm ao Tel-Aviv-Jaffa, 200 mm ao amin' ny Lempon' i Ghor, ary 25 mm ao amin' ny seranan-tsambon' i Eilat ao amin' ny tendrony atsimo indrindra.

Maripana

Tamin' ny taona 1942 no nahatratrarana ny maripana ambony indrindra tao amin' ny Kôntinenta Aziatika (53,7 °C) tao amin' ny kibotsin' i Tirat-Zvi, any avaratr' i Jordana. Ny maripana ambany indrindra ao amin' ilay firenena (−13,7 °C) dia tao Tel Hatanim ao amin' ny lohasaha Beit Netofa any Galilea Ambany tamin' ny taona 1950, avy eo teo amin' ny kibotsin' i Meron Golan (−14,2 °C) tamin' ny taona 2015.

Zavamaniry sy biby

Zavamaniry

Mihoatra ny 200 tapitrisa ny hazo hita ao israely (indrindra ny ôaka maitso sy ny kônifera) izay novolena tao nanomboka tamin' ny taona 1948, ary ireo faritra novolena hazo ireo dia mahatratra 8,1 % amin' ny velaran-tanin' i Israely.

Biby

Misy karazany anjatony ny biby misy nono ary misy karazany be dia be ny vorona. Anisan' ny biby mpihaza lehibe ny lotira sy ny lopa ary ny mangosta. Any amin' ny tany efitra no ahitana ny sakaly sy ny hiena.

Loharanon-karena

Nofon-tany

Tsy mamokatra firy ny tany any Israely afa-tsy ny lemaka amorontsiraka izay ahitana tandavan-tanidilatra sy tany azo volena tamin' ny alalan' ny fanamainana ny honahona ao amin' ny Lohasahan' i Jezreel izay tena mamokatra tokoa.

Rano

Anisan' ny olana lehibe ao Israely ny famatsiana rano. Ny telo ampahefatry ny rano ampiasaina ao amin' ilay firenana dia atokana ho an' ny fambolena. Voafetra sady tsy voatsinjara mitovy ny rano. Ny manam-pahefana amin' ny fitantanan-draharaham-panjakana (ny Mekorot) no misahana ny fitrandrahana sy ny fitsinjarana ny rano, ny fitadiavana ny loharano voa-janahary hahazoana ranomamy ary ny fanesorana ny sira amin' ny rano masira. Ny tambajotran-drano manerana ilay firenena, izay ahitana fantson-drano sy tonelina, no miantoka ny fitaterana ny rano avy ao amin' ny Farihin' i Tiberiada (na Tiberiasy) hatrany Negev. Ny fitrohana ny tahirin-drano anaty tany dia hita ao amin' ireo fari-tany voabodo ary ny fampiasana ny ranon' ny Farihy Tiberiada ho an' ny fambolena israeliana dia toherin' ny Palestiniana.

Harena an-kibon' ny tany

Ny ao ambanin' ny tanin' i Negev dia ahitana akorana varahina sy vy sy fôsfaty ary manganezy ary koa ny vatorano (na granita) sy vatovandana (na marbra). Nahitana tahirin-tsolitany sy tahirin' etona voajanahary azo anaovana fitrandrahana ara-barotra koa ao. Ahitana brôma sy pôtasy be dia be koa ny ao amin' ny Ranomasina Maty. Ahitana fompotra sy akoram-by koa ny ao Galilea.

Kolontsaina

Fiteny sy fivavahana ary fanabeazana

Ny fiteny

Ny fiteny hebreo sy arabo no fiteny ôfisialin' i Israely. Ny fiteny hebreo no fiteny be mpampiasa indrindra, nefa ampiasaina any an-tsekoly sy amin' ny fanaovan-dalàna sy ny fitsarana ny fiteny arabo. Ampiasain' ny olona maro koa ny fiteny anglisy sy idisy sy rosiana ary fiteny eorôpeana hafa koa.

Ny fivavahana

Ny raharaha momba ny fivavahana telo lehibe (ny jodaisma sy ny silamo ary ny kristianisma) dia sahanin' ny ministeran' ny Raharaham-pivavahana. Momba ny olom-pirenena kosa dia ny lalàna ara-pivavahana mifehy ny vondrom-piarahamonina misy azy no ampiharina aminy mahakasika ny satany manokana (ny fanambadiana, ny fisaraham-panambadiana, sns).

Ny firehana ara-pivavahan' ny mponina israeliana tamin' ny taona 2022 dia toy izao: 73,6 % no manaraka ny jodaisma, ny 18,1 % Mozilmana, ny 1,9 % Kristiana ary ny 1,6 % Droza. Ny 4,8 % ambiny dia ahitana finoana toy ny samaritanisma sy ny bahaisma, ary koa ny mpanaraka fivavahana hafa. Ny Jiosy isiraeliana dia eo ambany fahefan' ny Rabinata Ôrtôdôksa avokoa, nefa ny toe-tsaina manokan' ny tsirairay dia miovaova be, hatramin' ny mpanindrahindra tafahoatra ny ôrtôdôksia ka hatramin' ny tsy fananana fivavahana sy ny tsy finoana an' Andriamanitra.

Ny 82 % amin' ny Arabo israeliana dia manaraka ny fivavahana silamo fa ny 18 % kosa dia Kristiana. Ny vondrom-piarahamonina droza, izay tsy manao fanompoam-pirenena, dia manana sata manokana. Ny tena be mpikambana amin' ny Kristiana dia ny Ôrtôdôksa.

Fanabeazana sy fampianarana

Tsy maitsy omena fanabeazazna an-tsekoly maimaimpoana ny zaza 5 ka hatramin' ny 15 taona. Nohamafisin' ny lalàna tamin' ny taona 1953 ny fampianarana ambaratonga faharoa. Ankoatra ny fanabeazana laîka dia misy koa ny rafi-panabeazana ara-pivavahana jiosy. Ahitana sekoly misiônera kristiana koa ny ao Israely.

Ny fampianarana ambaratonga ambony dia iantohan' ny toeram-pampianarana maro toa:

  • ny Oniversite Hebreon' i Jerosalema (hebreo: האוניברסיטה העברית בירושלים / hā’Universitah hā‘Ivrith bYirūšāláyim; anglisy: The Hebrew University of Jerusalem na HUJI) - izay niorina tamin' ny taona 1918 sy misahana ny siansa sy ny fivavahana;
  • ny Instiotota Israeliana momba ny Teknôlôjia ao Haifa (hebreo: הטכניון – מכון טכנולוגי לישראל; arabo: التخنيون - معهد إسرائيل للتكنولوجيا; anglisy: Technion – Israel Institute of Technology) niorina tamin' ny taona 1912, misahana ny siansa sy ny teknika;
  • ny Oniversiten' i Haifa (hebreo: אוניברסיטת חיפה ; arabo: جامعة حيفا), niorina tamin' ny taona 1963;
  • ny Oniversiten' i Bar-Ilan (hebreo: אוניברסיטת בר-אילן / Universitat Bar-Ilan) niorina tamin' ny taona 1953) ao Ramat Gan;
  • ny Oniversiten' i Tel-Aviv (hebreo: אוּנִיבֶרְסִיטַת תֵּל אָבִיב / Universitat Tel Aviv; arabo: جامعة تل أبيب / Jami’at Tel Abib) -- niorina tamin' ny taona 1953);
  • ny Oniversite Ben Gurion ao Negev (hebreo: אוניברסיטת בן-גוריון בנגב / Universitat Ben-Guriyon baNegev) niorina tamin' ny taona 1965, ao Beer-Sheva;
  • ny Institota Weizmann ho an' ny Siansa (hebreo: מכון ויצמן למדע / Machon Vaitzman LeMada) niorina tamin' ny taona 1949 ao Rehovot.

Tamin' ny taona 2011 dia nahatratra 97,7 % ny tahan' ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Teo amin' ny 57 % ny sokajin-taona voakasika no mandranto fianarana ao amin' ny ambaratonga fahatelo.

Zavakanto sy singa ara-kolontsaina hafa

Ny kolontsaina israeliana dia mampiseho ny fahasamihafan' ny mponina ao amin' ilay firenena.

Asasoratra

Ny mpanao asasoratra malaza indrindra dia ireo izay naka aingam-panahy avy amin' ny fomban-drazana sy lovantsofina jiosy, toa ilay mpanoratra tantana foronina atao hoe Samuel Joseph Agnon, izay nahazo ny loka Nobel momba ny literatiora tamin' ny taona 1966, ary ilay filôzofa Martin Buber.

Dihy sy mozika

Ny ôrkesitra lehibe indrindra ao Israely dia ny Ôrkesitra Filarmônikan' i Israely izay mandray lehiben' ôrkesitra sy mpitendry irery sasany avy amin' ny firenana hafa. Ny hiram-bahoaka, izay ahitana singa avy amin' ny fomban-drazana momba ny mozila jiosy tatsinanana, dia nahita fahombiazana, toraka izany koa ny dihy.

Ny zavakanto hafa

Ny tantara antsangana (teatra) lehibe indrindra ao amin' ilay firenena dia ny Teatra Nasiônalin' i Israely ao Tel-Aviv.

Manana tranom-bakoka (mozea) maherin' ny zato i Israely, ka ny lehibe amin' ireo ny Mozean' i Tel-Aviv sy ny Mozean' i Istraely ao Jerosalema izay ahitana fanangonana zavakantom-bahoaka jiosy lehibe, fanangonana sarisokitra môderna, zavatra momba ny baiboly sy arkeôlôjika ary indrindra soratanan' ny Ranomasina Maty. Ahitana tranom-boky azon’ ny rehetra tsidihina mihoatra ny 500 ny ao Israely ka ny tena malaza dia ny Tranombokim-Pirenena Jiosy sy ny Tranombokin' ny Oniversite Hebreon' i Jerosalema.

Ny sehatry ny haino aman-jery sy ny fifandraisana dia tantanin' ny fanjakana. Manana gazety mpivoaka isan' andro mihoatra ny dimy amby roapolo i Israely, ka ny tena manan-danja indrindra dia ireto: ny Ha’aretz, ny Davar, ny Ma’ariv, ny Yedioth Aharonoth ary ny Jerusalem Post.

Pôlitika ao Israely

Rafi-pitondrana sy andrim-panjakana

Rafi-pitondrana

Ny rafi-pitondrana ao amin' ny Fanjakan' i Israely dia fitondrana parlemantera izay itanan' ny prainisitra ny ankabeazan' ny asan' ny mpanatanteraka. Tsy manana lalàm-panorenana voasoratra i Israely: ny lalàna nolanin' ny Knesset (Antenimiera israeliana) no itantanana ny fampandehanan-draharana eo amin' ny governemanta.

Fahefana mpanatanteraka

Ny filohan' i Israely dia fidîn' ny Antenimiera mba hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona. Amin' ny ankapobeny izy no misolo tena an' i Israely, izay no fahefany. Amin' ny ankapobeny, ny fahefana mpanatanteraka dia sahanin' ny governemanta izay ahitana minisitra miisa 25 tarihin' ny praininisitra fidin' ny olom-pirenena mivantana ary lany amin' ny alalan' ny vaton' ny maro anisa nanomboka tamin' ny taona 1996.

Ny fahefana mpanao lalàna

Ny Knesset dia antenimiera tokana ahitana mpikambana miisa 120 voafidy hiasa mandritra ny efa-taona araka ny fomba fifidianana mifandanja, izany fomba fifidianana izany dia manome tombony ho an' ny antoko madinika. Afaka mifidy ny olom-pirenena rehetra rehefa feno 18 taona.

Ny rafi-pitsarana

Manana rafi-pitsaràna roa i Israely, ny iray sivily ary ny iray ara-pivavahana. Mahefa amin' ny fitsarana ny heloka bevava sy ny raharaha sivily lehibe ny fitsarana sivily. Ny fitsarana ara-pivavahana kosa dia mahefa amin' ny raharaham-panambadiana sy amin' ny fandovana.

Ny fiarovam-pirenena

Mitari-dalana ny pôlitikan' ny fiarovam-pirenena ao amin' ny Fanjakan' i Israely ny fiheverana ny mety hisian' ny fanafihana avy any ivelany. Izany fiarovana izany dia asehon' ny tanjaky ny tafika mandritra ny ady maro nifanaovan' i Israely sy ny firenena arabo. Misy lehilahy sy vehivavy miisa 168 300 sy zanadambo miisa 430 000 any ho any ny ao amin' ny tafika israeliana. Ny zazalahy sy ny zazavavy 14 hatramin' ny 18 taona dia efa omanina hanao raharaha miaramila. Tsy maintsy atao manomboka amin' ny 18 taona ny fanompoam-pirenena, tsy maitsy manatanteraka fanompoana mandritra ny 30 volana fara-fahakeliny ny lehilahy, ary ny vehivavy mandritra ny 24 volana.

Ny Israeliana dia miomana mandrakariva amin' ny ady hatramin' ny faha 55 taonany, fara fahakeliny iray ka hatramin' ny roa volana ao anatin' ny taona. Tsy manao fanompoam-pirenena ny vahoaka droza sy ny mpitondra fivavahana jiosy sasany. Ahitana miaramila miisa 125 000 Ny tafika an-tanety. Ny tafika ana habakabaka dia ahitana olona miisa 35 000 sy fiaramanidina mpiady miisa 450. Miisa 8 300 sady ahitana lehilahy sy vehivavy ny miaramila ao amin’ ny tafika an-dranomasina. Mahatratra 9,5 % amin' ny harin-karena faoben' ilay firenena ny tetibola atokana ho an' ny fiarovam-pirenena.

Ny antoko pôlitika

Antoko pôlitika lehibe

Ny fikambanan' antoko pôlitika izay manjaka ao amin' ny fiainana ara-pôlitikan' ny Isaraeliana nandritra ny taompolo maro dia ny Likud, izay antoko pôlitika mpitahiry ny nentin-drazana noforonin' ny fikambanan' ny hetsika maro tamin' ny taona 1973, dia ny Gahal sy ny Antoko Afovoany Malalaka andaniny, sy ny Antokon' ny Mpiasa Israeliana izay niforona tamin' ny taona 1969 tamin' ny alalan' ny fikambanan' ny antoko Mapai (sôsialista) sy ny Rafi ary ny Achdut Ha’avoda an-kilany.

Izany lamina ara-pôlitika izany dia nosembanin' ny fivakisan' ny Likud tamin' ny Nôvambra 2005 taorian' ny fanorenan' i Ariel Sharon, mpitarika azy, ny fikambanan' antoko atao hoe Kadima ("mirosoa") izay mitana ny toerana afovoany.

Antoko pôlitika madinika

Maro koa ireo antoko pôlitka hafa izay mihamahazo mpankasitraka eo amin' ny sehatry ny fiparitahan' ny latsa-bato izay nahazo vahana nanomboka tamin' ny taompolo 1990. Ireto antoko ireto dia antoko ara-pivavahana amin' ny elatra an-kavanana na an-kavanana indrindra – anisan' izany ny Shas (jodaisma ôrtôdôksa ahitana Sefarada be dia be), ny Antoko Nasiônaly ara-Pivavahana, ny Firaisana Nasiônaly ary ny antoko Jodaisma miray ao amin' ny Torah. Ao koa ny antoko pôlitika tsy mivoy fivavahana (laîka) toa ny Shinui (afovoany ankavanana) sy ny Meretz (ankavanana mpandala fandriam-pahalemana); ny antoko Tranontsika Israely, izay antoko ankavanana indrindra misolo tena ny Rosiana vitsy anisa, dia misy fivoarany.

Toekarena

Ankapobeny

Tamin' ny taona 2006 dia nahatratra 140 000 tapitrisa dôlara ny harin-karena faoben' i Israely, izany hoe 19 926,9 dôlara isan' olona. Tamin' ny taompolo 1970 sy 1980 dia nisedra ny fidangan' ny vidim-piainana mihazakazaka ny toekaren' i Israely sady nitontongana nandritra izany fotoana izany ny mizanam-pandoavam-bola. Vola be dia be no natokana ho an' ny fiarovam-pirenena sy ny fampidirana ny mpifindra monina vaovao, indrindra  ireo avy any Rosia (miisa 700 000 nanomboka tamin' ny taona 1986), ao amin' ny fiarahamonina israeliana. Taorian' ny taona 1990 dia nihasalama ny toekarena israeliana: na dia ambony aza ny fisondrotry ny vidim-piainana dia nihena (2,30 % tamin' ny taona 2006), ary nitoetra maharitra ny fisodrotry ny toekarena (5,1 % isan-taona ny salany tamin' ny taona 2006). Taorian' ny tahan-tombo 6,4 % tamin' ny taona 2000 dia nitambotsotra 0,5 % ny toekarena israeliana tamin' ny taona 2001, tao anaty toe-draharaha nisongadinan' ny fiverenan' ny fifanandrenana tamin' ny Palestiniana. Ny tsy fananana asa, izay namely mafy ny vahoaka arabo sy nahazo ny 10,7 % amin' ny mponina afaka miasa tamin' ny taona 2003, dia nitombo roa heny nanomboka tamin' ny taona 1996.

Ny Histadrut no fikambanana sendikaly lehibe indrindra any Israely. Izy ihany koa dia anisan' ny mpampiasa lehibe indrindra izay ahitana tambajotran' orinasa ara-barotra sy ara-taozavatra ao amin' ilay firenena. Ny servisy no sehatra ara-toekarena lehibe indrindra: tamin' ny taona 2005 dia nahatratra 75 % amin' ny mponina afaka miasa no nivelona amin' ity sehatra izay niantoka ny 50 % amin' ny harin-karena faobe ity.

Fambolena sy fiompiana

Tsy nitsaha-nihena ny anjara toeran' ny fambolena sy fiompiana eo amin' ny toekarena israeliana, izay ahitana taratra ny dingam-pandrosoana tratran' ilay firenena. Tamin' ny taona 2005 dia 2 % amin' ny mponina afaka miasa no nivelona amin' io seha-pihariana io.

Ny fambolena sy fiompiana israeliana, na dia eo aza ny zava-misy momba ny toetany sy ny tsy fahampian’ ny rano, dia afaka niantoka ny 3/4 amin’ ny filana anatiny, vokatry ny fomba fiasa ara-tsiansa sy ny sehatry ny hairaha (teknôlôjia) avo lenta. Nanomboka amin’ ny taona 1948, ny velaran-tany fambolena dia nitombo telo heny, indrindra vokatry ny asa fitarihan-drano. Ikambanana ny fananan-tany, ny tany dia fananan' ny fikambanana izay ahitana ny Tahirim-Bolam-Pirenena Jiosy. Amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana lehibe iombionana (kibbutzim) dia mifampizara amin’ ny fomba tsy miangatra ny asa sy ny tombontsoa ny mpiasa. Ny moshavim dia kôperativam-pamokarana. Avo dia avo ny tamberim-bokatra  

Ny famokarana amin' ny fambolena dia ahitana ny voasary (950 000 taonina), ny legioma, ny ovy, ny varimbazaha ary ny zavôka. Aondrana ny voasary sy ny voankazo hafa.

Tamin' ny taona 2006 dia nahatratra 398 000 ny omby, 445 000 ny ondry, 87 000 ny osy ary 42,7 tapitrisa ny akoho amam-borona.

Ny vokatry ny jono isan-taona dia mahatratra 26 555 taonina, anatin' izany ny trondron-dranomamy ompina anaty dobo izay miantoka ny antsasaky ny vokatra.  

Harena an-kibon' ny tany sy taozava-baventy

Ny loharanon-karena ara-taozavatra momba ny harena an-kibon' ny tany any Israely dia ny pôtasy sy ny fôsfaty (900 000 taonina). Ankoatr' izany, i Israely dia mitrandraka brôma sy maneziôma ary akora mineraly hafa izay trandrahina avy amin’ ny tahirin-tsira voajanahary ao amin' ny Ranomasina Maty. Ny fitrandrahana ny vatovandana (na marbra) sy ny vatorano (na granita) dia miantoka ny filana anatiny ao amin' ny sehatry ny fanorenana. Ny famokarana solitany tsy voadio dia zara raha mahantoka  ny 1 % amin' ny fanjifana anatiny.

Ny indostria dia mampiasa 21,7 % amin' ny mponina afaka miasa. Saika ny 30 % amin' ny famokarana taozavatra no iantohan' ny orinasa ho an' ny sehatra ara-panjakana na ho an' ny sehatra sôsialy. Ny seha-pihariana lehibe dia ny famokarana milina, fitaovam-pitaterana, ny fanodinana sakafo, ny fanenoman-damba ary ny famokarana akora ilaina amin' ny fanorenana. Nanomboka tamin' ny taompolo 1980 ny indostria israeliana dia tao amin' ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny infôrmatika ary ny biôteknôlôjia.

Ny herinaratra dia saika novokarina manontolo amin' ny alalan' ny solitany. Ny fanorenana vaovao rehetra dia nahitana fitaovana famanàn-drano amin' ny masoandro.

Fifanakalozana

Ny vola ampiasaina any Israely dia ny shekel izay mizara ho 100 agorot (ny shekel iray dia nitentina 0,179 euro tamin' ny Febroary 2005). Ny Banky Foiben' i Israely no mamoaka ny vola ary izy no hany bankin' ny governemanta.

Ny mizanan' ny varotra ivelany dia nitontongana. Manafatra fitaovana ho an' ny miaramila, vokatra solitany, milina, vokatra simika ary vokatra momba ny sakafo mantsy i Israely. Manondrana diamondra voasa, vokatra simika, voasary, lamba, ary vokatry ny taozavatra koa ilay firenena.

Ny mpiara-miombona antoka ara-barotra lehibe amin' i Israely dia i Etazonia, i Alemaina, i Britaina Lehibe, i Japàna, i Soisa ary i Hong Kong. Ampahany be amin' ny vola vahiny no azo amin' ny alalan' ny fizahan-tany sy avy amin' ny fandefasam-bola avy amin' ny vondrom-piarahamonina jiosy any ivelany, indrindra avy any Etazonia. I Israely koa dia mahazo fanampiana avy amin' i Etazonia (3 000 tapitrisa dôlara isan-taona).

I Haifa, ny seranan-tsambon' i Ashdod ary i Eilat, ao amin' ny Hoalan' i Aqaba, no seranan-tsambo lehibe ao amin' ilay firenena.

Ny fanjakana no mitantana ny lalamby izay mirefy 899 km. Mirefy 17 446 km ny tambajotran' arabe. Ny sidina iraisam-pirenena dia iantohan' ny kômpaniam-pirenena El Al sy ny kômpaniam-pitaterana ana habakabaka maro hafa iraisam-pirenena, fa ny sidina anatiny kosa dia iantohan' ny kômpania Arkia. Ny seranam-piaramanidina Ben-Gurion ao Tel-Aviv-Jaffa no seranam-piaramanidina lehibe indrindra any Israely.

Tantara

Fampandrosoana ny ziônisma: Kôngresy tao Basel

Ny kôngresy ziônista voalohany dia nivory tao Basel (na Bâle), any Soisa, tamin' ny 29 ka hatramin' ny 31 Aogositra 1897, ary nanamarika ny kihon-dalana lehibe teo amin' ny tantaran' ny hetsiky ny "Mpitia an' i Ziôna", izay lasa hetsika "ziônista-pôlitika" tamin' ny fomba ôfisialy. Nanolotra ny fandaharan' asany i Theodor Herzl, izay nantsoiny hoe "drafitra fampivondronam-pirenena jiosy". Hoy i Herzl tao amin' ny diariny: "Raha tsy maintsy mamintina amin' ny teny iray ny Kôngresy tao Basel aho, dia izao: tao Basel no nanorenako ny fanjakana jiosy. Angamba ao anatin' ny dimy taona ary azo antoka fa ao anatin' ny dimampolo taona, ho fantatry ny rehetra izany". Natao impolo tao an-tanàna helvetika ilay kôngresy mandra-piorin' i Israely tamin' ny taona 1948.

Fitantanan' ny Britanika

Tamin' ny taona 1917, ny Britanika no nifehy an' i Palestina taorian' ny faharesen' ny Empira Ôtômana tamin' ny Ady Lehibe Voalohany.

Araka ny fampanantenana nataon' i Lord Balfour tamin' i Chaim Weizmann dia azon' izy ireo tamin' ny fihaonambe tao San Remo ny fametrahana ny fitantanana britanika ilay faritra izay mikendry indrindra ny hananganana "akanim-pirenena jiosy" ao Palestina araka ny hetahetan' ny hetsika ziônista.

Tamin' ny taona 1945 dia nisy fanadihadiana izay nampiseho fa nisy mponina 1 845 560 tao amin' ilay faritra, ka anisan' izany ny Mozilmana miisa 1 076 780, ny Jiosy miisa 608 230, ny Kristiana miisa 145 060 ary ny olona miisa 15 490 avy amin' ny vondrona hafa.

Taona Totaly Mozilmana Jiosy Kristiana Hafa
1922 752 048 589 177

(78 %)

83 790

(11 %)

71 464

(10 %)

7 617

(1 %)

1931 1 033 314 759 700

(74 %)

174 606

(17 %)

88 907

(9 %)

10 101

(1 %)

1945 1 845 960 1 076 780

(58 %)

608 230

(33 %)

145 060

(8 %)

15 490

(1 %)

Ankoatra ny fitomboana voajanahary, ny fifindra-monin' ny olona 100 000 hatramin' ny 200 000 dia manazava ny fitomboan' ny isan' ny mponina arabo.

Latsabato momba ny drafi-pizaràna an' i Palestina

Tamin' ny 29 Nôvambra 1947, ny Firenena Mikambana dia nanao latsabato momba ny drafi-pizaràna an' i Palestina ho fanjakana jiosy sy fanjakana arabo sady manao an' i Jerosalema ho corpus separatum (tany mitokana) eo ambany fitantanana iraisam-pirenena. Firenena telo amby telopolo no nifidy "manohana", telo ambin' ny folo "manohitra", ary folo no tsy nifidy.

Ny ampitson' io dia nipoaka ny ady an-trano teo amin' ny vahoaka jiosy sy arabo tany Palestina raha nikarakara ny fialany avy ao ny Britanika.

Fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely

Tamin' ny 14 May 1948, andro farany amin' ny fotoam-pitantanan' ny Britanika an' i Palestina, ny filohan' ny Masoivoho Jiosy ho an' i Israely (hebreo: הסוכנות היהודית לארץ ישראל / HaSochnut HaYehudit L'Eretz Yisra'el), i David Ben-Gurion, dia nanambara ny fahaleovan-tenan' ny Fanjakan' i Israely, ka izy no lasa praiminisitra voalohany.

Ny firenena arabo mpifanolo-bodirindrina notohanan' ny Ligy Arabo dia namaky ady taminy avy hatrany. Miatrika ny tafik' i Transjôrdania (i Jôrdania ankehitriny), ny an' i Ejipta, ny an' i Siria ary ny an' i Iràka i Israely ary naorin' ny Ligy Arabo ny Tafi-Panafahana Arabo (arabo: جيش الإنقاذ العربي / Jaysh al-Inqadh al-Arabi) nandritra ny Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948-1949.

Nandritra ny fotoana fohy nisian' ny ady izay nifandimby tamin' ny fampitsaharana ady dia nanitatra ny fari-tany teo ambany fahefany i Israely. Tamin' ny taona 1949 dia nisy fampitsaharana ady maromaro nosoniavin' i Israely sy ny fanjakana mpifanolo-bodirindrina aminy. Voalohany indrindra amin' i Ejipta, tamin' ny 12 Febroary 1949 izay nibodo ny Salavantanin' i Gaza, i Libàna tamin' ny 23 Marsa 1949 teo amin' ny "tsipika manga", i Jôrdania tamin' ny 3 Avrily 1949 izay nampiditra an' i Jôrdania Andrefana sy ny ilany atsinanana amin' i Jerosalema ary nizotra nankany amin' ny fifanakalozam-pari-tany miaraka amin' i Israely mankany amin' ny sisin-tany ankehitriny voafaritry ny "tsipika maitso" ary farany i Siria tamin' ny 20 Jolay 1949. Na izany aza, ireo fampitsaharana ady ireo dia tsy nahazoana afa-tsy fiatoana fohy fia fohy teo amin' ny Ady Israeliana-Palestiniana sy ny Ady Israeliana-Arabo izay naharitra mandraka androany.

Fiantombohan' ny Fanjakan' i Israely: ny mpitsoa-ponenana

Ireo taona voalohany nisian' ilay firenena dia voamariky ny fahatongavan' ireo sisa velona tamin' ny Hôlôkaosta ary indrindra ireo mpitsoa-ponenana avy amin' ny firenena arabo, avy eo tamin' ny taompolo 1970, ny Jiosy avy amin' ny Firaisana Sôvietika.

Nandritra ny Ady Arabo-Isiraeliana tamin' ny taona 1948-1949 dia Arabo palestiniana efa ho 750 000 amin' ireo nbiisa 900 000 nonina tany amin' ny faritany maro navela noho ny torohevitry ny firenena arabo mifanila aminy izay nihevitra fa handresy an' i Israely ao anatin' ny fotoana fohy. Ny ankamaroan' ny taranak' izy ireo ankehitriny dia monina any Jôrdania sy any Siria ary any Libàna.

Tao anatin' ny taona maro taorian' ny namoronana an' i Israely dia nitombo ny fifindrà-monina jiosy avy any amin' ny firenena arabo sy mozilmana, 900 000 ny nandositra avy amin' ny firenena arabo, nandao ny fananany. Anisan' izy ireo ny 600 000 izay nialokaloka tany Israely. Ny Jiosy avy any amin' ny Tontolo Arabo ankehitriny no ankamaroan' ny Jiosy ao Frantsa sy ny fiarahamonina israeliana.

Sisin-tany

Nivoatra be ny sisin-tanin' ny firenena hatramin' ny nanambaràna ny fahaleovan-tenany, nandritra ny Ady Arabo-Israeliana ary araka ny fifanaraham-pandriam-pahalemana.

Ny fehinkevitry ny Firenena Mikambana sasany dia manan-danja lehibe ho an' i Israely, anisan' izany ny Fehinkevitra 181 an' ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana, izay manohana ny fananganana fanjakana jiosy sy ny ny fananganana fanjakana arabo, ary avy eo ny Fehinkevitra 242 an' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana tamin' ny 22 Nôvambra 1967, taorian' ny Ady Enina Andro sy ny Fehinkevitra 338 an' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana tamin' ny 22 Ôktôbra 1973, izay nanolotra lasitra ho an' ny famahana ny Ady Israeliana-Arabo.

Ny sisin-tany eken' ny sehatra iraisam-pirenena dia ireo manasaraka an' i Israely amin' i Ejipta sy i Jôrdania izay nanaovan' i Israely sonia fifanaraham-pandriam-pahalemana, tamin' ny taona 1979 sy tamin' ny taona 1994. Ireo manasaraka an' i Israely amin' i Libàna sy ny Salavantanin' i Gaza dia tsipika fampitsaharana ady tamin' ny Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948 izay antsoina koa hoe "sisin-tanin' ny 1967", izany hoe talohan' ny Ady Enina Andro. Ny ankamaroan' ny firenena maneran-tany dia manaiky an' i Israely ao anatin' ireo sisintany ireo. Na izany aza, taorian' ny Ady Enina Andro dia noraisin' i Israely ihany koa ny Lembalemban' i Golan avy amin' i Siria, i Jôrdania Andrefana avy amin' i Jôrdania ary ny Saikanosin' i Sinay avy amin' i Ejipta. Ny ilany atsinanana amn' i Jerosalema dia nampidirin' i Israely ho ao amin' ny tanim-pireneny nefa tsy nahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany. Hatramin' ny nandaozany an' i Sinay tamin' ny taona 1981 sy ny Salavantanin' i Gaza tamin' ny taona 2005 dia mbola mibodo an' i Jôrdania Andrefana -- izay takîna hananganana fanjakana palestiniana -- i Israely, ary tamin' ny taona 1981 dia nampiditra ny Lembalemban' i Golan izay takîn' i Siria (sy ny toeram-pambolena ao Chebaa notakîn' i Libàna nanomboka tamin' ny taona 2000 na dia ao anatin' ny Lembalemban' i Golan aza).

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Israely 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Israely JeôgrafiaIsraely KolontsainaIsraely Pôlitika ao Israely ToekarenaIsraely TantaraIsraely Jereo koaIsraelyAtsinanana AkaikyAziaEjiptaFiarahamonina iraisam-pirenenaHoalan' i AqabaJerosalemaJerosalema AtsinananaJôrdaniaJôrdania AndrefanaLibànaRanomasina MediteraneaSalavantanin' i GazaSiria

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FiarahamoninaSaryMari-panaBaolina kitraBokin' i IsaiaWuhanFanalan-jazaAntanosyFomban-drazanaMatioDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)TalataAlohotsySomatraDokuWikiVondrona EorôpeanaFiraisana ara-nofoWayne Ratliff1804FamantaranandroFiteny finô-ogrianaHambyMpampiankina fehezankevitraAdaoroFanagasianaTovona (fitsipiteny)AurangzebManakaraWikipediaKaody baraTetiandro malagasyZavamananainaAfrikana-AmerikanaTantaran'i MadagasikaraFianakavianaAmontanaFanonganam-panjakanaBibyhadiryLoteranisma eto MadagasikaraRova ManjakamiadanaVictor SkoumineMahavelona (Toamasina)Fitsarana faranyFitsaboana nentim-paharazanaAsan' ny Apôstôly1823RenivintanaFirenenaZitina miherinaHasina (hery tsy hita maso)2003Britaina LehibeEskatôlôjia kristianaAlemainaFiteny anglisyTaioànaRSSFanambadiana22 MeyFanahy (kolontsaina malagasy)Faritra AtsinananaKinshasaFoko eto MadagasikaraFototenyAratraSokajin-tenyMpisolo manondroVintana (finoan-drazana malagasy)🡆 More