Ny fiteny singaley (සිංහල / sinhala) dia fiteny an' ny vondrona indô-arianin' ny fiteny indô-eorôpeanina.
Any Sri Lanka izy no fiteny ôfisialy satria maherin' ny 70 %-n' ny olona mipetraka any no miteny singaley. Ny fiteny singaley dia fitenin' ny vahoaka srilankey any Azia Andrefana, any Aostralia, any Eorôpa (Angletera, Frantsa, Italia) ary any Amerika Avaratra, ny totalin' ny mpiteny singaley dia 19 tapitrisa eo ho eo. Ny fiteny singaley dia nindrana teny amin' ny fiteny paly, amin' ny fiteny sanskrity sy amin' ny fiteny tamily, ary hatry ny taonjato faha-16, amin' ny fiteny pôrtogey, amin' ny fiteny neerlandey ary amin' ny fiteny anglisy.
Sinhala | ||||
---|---|---|---|---|
සිංහල siṁhala | ||||
Tenenina any | Sri Lanka | |||
Total speakers | 19 million | |||
Ranking | 60 | |||
Language family | Indo-European
| |||
Writing system | Sinhala abugida (developed from the Brahmi) | |||
Official status | ||||
Official language in | Sri Lanka | |||
Regulated by | No official regulation | |||
Language codes | ||||
ISO 639-1 | si | |||
ISO 639-2 | sin | |||
ISO 639-3 | sin | |||
|
Ny hoe sinhala dia avy amin' ny fiteny sanskrity; amin' ny fiteny indianina afovoany izy dia atao hoe sīhala; amin' ny fiteny singaley ankehitriny dia heḷa na eḷu. Ny fiteny sanskrity sy ny fiteny indianina afovoany dia manana teny midika hoe "liona", dia ny hoe siṃha sy sīha. Araka ny fedrà, i Sinhabahu na Sīhabāhu dia zanaky ny andriambavy Vanga sy liona iray. Namono ny rainy izy ary lasa mpanjakan' i Vanga. Ny zanany Vijaya dia nifindra tany atsimon' i India mba ho lasa razan' ny Singaley ankehitriny. Raha raisina an' isa ny porofo ara-piteny, ny anaran' ny mponina dia midika hoe "liona".
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiteny singaley, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.