I Eorôpa Andrefana dia faritra mamondrona ireo firenena mikasika ny morontsiraka atlantika, izany hoe ireo firenena eo amin' ny faritra andrefana amin' i Eorôpa.
Ny misy azy dia eo anelanelan' ny Ranomasimbe Atlantika sy i Eorôpa Avaratra, i Eorôpa Atsimo, i Eorôpa Afovoany.
Amin' ny lafiny ara-tantara, i Eorôpa Andrefana dia ireo firenena nanana fifandraisana diplômatika tamin' i Etazonia nandritry ny Ady Mangatsiaka, fa naitatra izy mba ho tafiditra ao ny firenena tsy momba ny anty na ny aroa toa an' i Soisa; manomboka mifafa izany sary izany tamin' ny fanitarana ny Vondrona Eorôpeanina.
Ireto avy ireo firenena isan' i Eorôpa Andrefana: i Alemaina, i Aotrisy, i Belzika, i Danemarka, i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Finlandy, i Frantsa, i Irlandy, i Islandy, i Italia, i Liktenstaina, i Loksemborga, i Nederlandy, i Norvezy, i Pôrtogaly, i Soeda, ary i Soisa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Eorôpa Andrefana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.