Ny Emirata Arabo Mitambatra dia fanjakana federaly niforona tamin' ny taona 1971, izay hita ao Atsinanana-Afovoany eo anelanelan' ny Hoala Persika sy ny Hoalan' i Ômàna.
Izao avy ireo emirata miisa fito mamorona azy: Abu Dhabi, Dubai, Sharjah, Ajman, Umm al-Qaiwain, Fujairah ary Ras al-Khaimah. Ny renivohitra iraisany dia ny tanànan' i Abu Dhabi.
Atao hoe الإمارات العربية المتحدة / al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida na دولة الإمارات العربيّة المتّحدة / dawlat al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida izy amin' ny teny arabo.
Ansan' ireo firenena mpamokatra sy mpanondrana solitany be indrindra ny Emirata Arabo Mitambatra. Ny emiratan' i Abu Dhabi, izay efa tao amin' ny Fikambanan' ny Firenena Mpanondrana Solitany talohan' ny niforonan' ny Emirata Arabo Mitambatra, no ahitana tahirin' etona sy tahirin-tsolitany lehibe indrindra, Ireo emirata fito mitambatra ao ireo dia tsy mitovy raha ny fananana solitany no resahina. Ny emiratan' i Dubai dia nivadika nitrandraka loharanon-karena hafa taty aoriana, ka anisan' izany ny seranan-tsambo afa-kaba, ny haitao vaovao, ary indrindra ny fizahàn-tany. Ny tananan' i Dubai koa dia lasa renivohitra ara-toekaren' ny Emirata Arabo Mitambatra.
Ny Emirata Arabo Mitambatra dia mizara ho emirata fito, izay ahitana faritra maromaro izay nofoanana ny sisin-taniny nefa manjavozavo indraindray ny fiandrianany.
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Emirata Arabo Mitambatra, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.