Pakistàna

}}

اسلامی جمہوریۂ پاکستان Endrika:Ur
Islāmī Jumhūrīyah Pākistān ur
Islamic Republic of Pakistan en
Repoblika Islamikan' i Pakistàna ((mg))
Sainan' i Pakistan Mari-piandrian'i Pakistan
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Iman, Ittehad, Nazm
(Finoana, Fivondronana, Fifehezana)
Pakistàna
Teny ofisialy fiteny ordoa
fiteny anglisy
Renivohitra Islamabad
33°43′N 73°04′E / 33.717°N 73.067°E / 33.717; 73.067
Tanàna lehibe indrindra Karachi, Lahore
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika Islamika
Arif Alvi
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 36
796 095 km²
Azo tsy raharahiana
Isam-ponina
 - Tontaliny (2014)
 - hakitroka
faha 6
188 020 000 mpo.
236 mpo./km²

Anaran'ny mponina pakistaney
IDH (2009) mitombo 0,572 (antonony) faha-141
Sandam-bola Ropia pakistaney (PKR)
Faritr'ora UTC +5
Hiram-pirenena Qaumi Tarana
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+92

I Pakistàna dia firenena any Azia Atsimo. Izany dia manaraka an' i India, Iràna, Afghanistàna, ary Sina. Amin' ny fomba ôfisialy dia antsoina hoe Repoblika Islamikan' i Pakistàna. Manana morontsiraka lavitra manamorona ny Ranomasin' i Arabia any atsimo. I Pakistàna dia manana ny isa-mponina fahaenina lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao. Ny velarantany manontolon' i Pakistàna dia 880 940 km² (miaraka amin' ny tany entin' i Pakistàna, i Azad Kashmir ary i Gilgit Baltistàna). Izany dia manao an' i Pakistàna ho firenena faha-34 lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao. I Islamabad no renivohitr' i Pakistàna, ary ny tafika pakistaney dia fahafito lehibe indrindra. Atao hoe Pakistaney na Pakistaný ny mponina ao Pakistàna.

Pakistàna
Sarin-tanin' i Pakistàna

Anarana

Ny anarana hoe Pakistàna amin' ny fiteny ordo sy fiteny persana dia midika "tanin' ny madio".

Mponina

Ny mponin' i Pakistàna dia tokony ho 167 800 000 tamin’ ny taona 2008. Eo amin’ ny 1,9 % eo ny fitombon' ny mponina raha 3 % izany tamin' ny taona 1980. Mpifindra monina any ivelany, indrindra mankany amin’ ny Fanjakana Mitambatra (Angletera) sy Amerika Avaratra ary Arabia Saodita sy ireo firenena ao amin’ ny Hoala Persika, ny Pakistaney. 2,3 % izany tamin' ny taona 2017. Miisa any amin' ny 207 000 000 ny mponina ao Pakistàna tamin' ny taona 2017.

Foko ao Pakistàna

Ny vahoaka pakistaney dia fitambarana foko maro, izay manana ny maha samihafa azy amin' ny lafiny kolontsaina sy ny fiteny. Efatra ny karazan' olona maro an' isa indrindra mitambatra mamorona ny Pakistaney, dia ny Penjaby izay mahasahana ny antsasa-manilan' ny mponina; ao koa ny Patàna na Pastona izay 15 %n' ny mponina; ao koa ny Sindy izay 15 %n' ny mponina; ary ny Balotsy 5 %n' ny mponina.

Fivavahana

Raha amin' ny lafiny fivavahana kosa indray dia Miozolmana ny 97 %n' ny mponina (75 % araka an' i Christophe Jaffrelot) ka ny 80 % amin’ izany Sonita fa ny 20 % kosa Siita. Misy ny fifanadrinana eo amin’ ny Siita sy ny Sonita ka nahafaty olona 4 000 izany tamin’ ny taona 2007.

Vitsy an’ isa kosa ny Hindoista (na Hindoa) (1,2% hatramin' ny 2 % ) izay iharan’ ny herisetra. Vitsy an’ isa koa ny ny Kristiana izay iharan’ ny fanenjehana; ao koa ny Sika (miisa 300 000) sy ny Parsy (Zôrôastriana) (miisa 20 000) ary ny Bodista (miisa 10 000).

Fiteny

Fiteny manodidina ny 80 no tenenin’ ny olona ao ka ny ankamaroany dia fiteny indô-iraniana. Ny be mpiteny amin’ ireo dia ny fiteny penjaby (48 %); avy eo ny fiteny pastô (15 %), ny fiteny sindy (14 %) ary ny fiteny balotsy (3 %) ary ny fiteny seraiky. Ny fiteny anglisy sy ny fiteny sindy no fiteny ôfisialy. Fiteny ôfisialy ny fiteny ordoa (7 - 8 %). Ny fiteny balotsy, hazaragy ary kasemiry no fitenim-paritra vitsy mpampiasa kokoa.

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Pakistàna 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Loharano

Pakistàna 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Pakistàna AnaranaPakistàna MponinaPakistàna Jereo koaPakistàna LoharanoPakistàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Mosavy (finoana malagasy)RivodozaMaorisyAmbitsyKôlômbiaTsekôslôvakia1417Sivilizasiona mikenianaBaiboly katôlikaHarin-karena faobeFitiavanaFaraoLisitry ny firenenaSeleokosy IHindoismaFatranaPalmdale, KaliforniaFanandroana malagasyDidy FoloEvekaVolamenaTerakaTononkira Fanaperana1826AdizaozaTantaraKabary am-panambadianaDemonyAndrea ArnoldSimiaMetafizikaZone FrancFiainana aorian' ny fahafatesanaZhuge LiangZairaHiragasyMohamadySodànaFiarahamoninaMahabad, IsfahanAsan' ny ApôstôlyMats Hummels1954AndrianampoinimerinaISO 3166-1MianmaraMeyMaleziaAdaoroEorôpaFiteny grikaJohann Wolfgang von GoetheHajjiabad, HormozganFiteny alemànaSilamoFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraMatoantenyFanavakavaham-bolon-koditraRy Tanindrazanay malala ôJodaismaLimboFivavahana1737Fiteny iranianaPelikanaFifohazana AnkaramalazaMusianAngleteraFiangonana Loterana Malagasy1035Fahababoana tany BabilônaFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaAveloFanambaràna ny hevitry ny nofyFiraisana ara-nofoFilazantsara araka an' i Marka🡆 More