I Libàna na Libanona dia firenena ao Atsinanana Akaiky any Azia, ka i Beirut no renivohiny.
Ny tanàna lehibe indrindra dia i Beirut. Mirefy 10 452 km2 ny velaran-taniny ary miisa 4 822 000 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2008. Ny faritr' oran' i Libàna dia +2.
I Libàna dia voazaran' ny Tangoron-mbohitr' i Libàna ho roa manaraka ny halavany: ny tapany andrefana dia ahitana ny tany lemaka amorontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mediteranea sy mitodika mankany amin' ny Tontolo Andrefana, fa ny tapany atsinanana kosa, izay ahitana ny tany lemak' i Bekaa, dia mitodika mankany Siria sy any amin' ny Tontolo Atsinanana.
Betsaka tanora sy zaza ny any Libàna: ny iray ampahatelon' ny mponina dia latsaky ny 15 taona. Maro ny karazam-pivavahana misy any Libàna, nefa ny finoana silamo no tena arahin' ny maro an' isa (60 %), manarakaraka izany ny kristianisma (30 %).
Tamin' ny taona 1920 dia nankinin' ny Société des Nations (SDN) tamin' i Frantsa ny fitantanana an' i Libàna. Nisy anefa ny mpitaky ny fahaleovan-tenan' io firenena io ka tamin' ny taona 1941 no nanambaràna izany fahaleovan-tenana izany, nefa tamin' ny taona 1947 vao tafatsangana ny fanjakana libaney.
Tamin' ny taona 1975 dia nipoaka ny ady tany Libàna izay nifanandrenan' ny Kristiana sy ny Miozolmàna, ary tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny fandohan' ny taompolo 1980. I Siria no nisahana ny fiahiana an' ilay firenana noho izany.
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Libàna, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.