Vahoaka Tiorka

Ny Tiorka no vahoaka torkika lehibe indrindra eran-tany; miteny fitenim-paritra isan-karazany amin' ny fiteny tiorka izy ireo ary maro anisa any Torkia sy any Kipra Avaratra.

Fanampin' izany, ny fianakaviambe tiorka izay efa taonjato maro dia mbola monina amin’ ny faritra hafa nisy azy tao amin' ny Empira Ôtômana taloha. Ny Tiorka isam-poko noho izany dia azo avahana ara-kolontsaina sy araka ny faritra misy azy, saingy tsy vondrom-poko misaraka izy ireo. Eo anelanelan' ny 75 000 000 sy 92 000 000 ny isan' izy ireo maneran-tany ka ny eo anelanelan' ny 60 000 000 sy 65 000 000 amin' izany dia ao Torkia.

Vahoaka Tiorka
Tiorka malaza: Besim Ömer Akalın  ·  Vecihi Hürkuş  ·  Ahmet Ertegün  ·  Orhan Pamuk  ·  Mehmet Öz Safiye Ali  ·  Halide Edib Adıvar  ·  Feriha Tevfik  ·  Keriman Halis Ece  ·  Suzan Kahramaner Gazi Yaşargil  ·  Fazıl Say  ·  Celâl Şengör  ·  Nuri Bilge Ceylan  ·  Aziz Sancar Muazzez İlmiye Çığ  ·  Asuman Baytop  ·  Sertab Erener  ·  Birgül Erken  ·  Zeynep Tüfekçi

Ny kolontsain' ny Tiorka Anatôliana any Azia Minora dia nanantitra sy nitaona ny firehan-kevitra nasiônalista tiorka. Ny foko tiorka hafa dia ahitana ny Tiorka Romeliana (antsoina koa hoe "Tiorka Balkana") izay hita teo amin' ny tantara tao amin' ny faritra Balkana; ny Tiorka Kipriôta ao amin' ny nosy Kipra, ny Tiorka Mesketiana izay manam-pototra any Meskheti ao Jeôrjia tany am-boalohany; ary ny Tiorka manerana ny Afovoany Atsinanana, izay antsoina koa hoe "Torkmena" na "Torkômana" ao Ampiposahana (ohatra, ny Torkmena Irakiana, ny Torkmena Siriana, ny Torkmena Libaney, sns., nefa tsy tokony hafangaro amin' ny Torkmena any Torkmenistàna). Noho izany, ny Tiorka dia mamorona vondrona vitsy anisa lehibe indrindra any Bolgaria, faharoa lehibe indrindra any Iràka, any Libia, any Makedônia Avaratra, ary any Siria, ary fahatelo lehibe indrindra ao Kôsôvô. Izy ireo dia fianakaviambe lehibe ao amin' ny faritr' i Tràka Andrefana any Gresy, ao amin' ny faritr' i Dobruja any Romania, ao amin' ny faritra Akkar any Libanona, ary koa vondrona vitsy anisa any amin' ny firenena hafa ao amin' ny faritra Balkana ao amin' ny firenena notapahin’ ny Ôtômana taloha sy any Afovoany Atsinanana.

Ny fandosirana ny "fanadiovana ara-poko" taorian' ny fanenjehana ny Mozilmana nandritra ny fihalemen' ny Ôtômana dia nitarika fifindrà-monina faobe nanomboka tamin' ny taonjato faha-19; ireo fianakaviambe tiorka ireo dia samy nandray anjara tamin' ny famoronana zanaka am-pielezana tiorka ivelan' ny tanin' ny Ôtômana teo aloha. Tiorka eo amin' ny 2 tapitrisa eo ho eo no naringana teo anelanelan' ny taona 1870 sy 1923 ary ireo izay nandositra izany fandringanana izany dia nanorim-ponenana tao Torkia ka nantsoina hoe Muhajir ("mpifindra monina").

Ny fifindrà-monina faobe nataon' ny Tiorka koa dia nahatonga azy ireo ho vondrom-poko vitsy anisa lehibe indrindra any Aotrisy, any Danemarka, any Alemaina, ary any Nederlandy. Misy ihany koa ny fianakaviambe tiorka any amin' ny faritra hafa any Eorôpa sy any Amerika Avaratra, any Aostralia ary any amin' ny ny firenena niforona avy amin' ny faharavan' ny Firaisana Sôvietika. Ny Tiorka no vondrom-poko faha-13 lehibe indrindra eran-tany.

Ny Tiorka avy any Azia Afovoany dia nanorim-ponenana tao Anatôlia tamin' ny taonjato faha-11, tamin' ny alalan' ny fandresen' ny Tiorka Seljokida. Izany no nanombohan' ny fiovan' ilay faritra, izay faritra niteny grika amin' ny ankapobeny taorian' ny nandraisany ny kolontsaina helenista teo aloha ka niovany ho lasa Mozilmana. Ny Empira Ôtômana dia tonga nitondra ny ampahany be amin' ny faritra Balkana, ny tapany atsimo amin' i Kaokazy, ny Afovoany Atsinanana (ankoatra an' i Iràna, na dia nifehy ny ampahany taminy aza izy ireo), ary ao Afrika Avaratra nandritra ny taonjato maromaro.

Naharitra hatramin' ny faran' ny Ady Lehibe Voalohany ilay empira rehefa resin' ny firenena mpiara-dia (frantsay: Alliés) sy nizarazara. Taorian' ny ady ho an' ny fahaleovantena nataon' ny Tiorka izay nifarana tamin' ny fiverenan' ny hetsika nasiônaly tiorka namerina ny ankamaroan' ny tany lasan' ny firenena mpiara-dia, dia namarana ny Empira Ôtômana izany hetsika izany tamin' ny 1 Nôvambra 1922 ary nambara ny Repoblikan' i Torkia tamin' ny 29 Ôktôbra 1923.

Ny andininy faha-66 ao amin' ny Lalàmpanorenana tiorka dia mamaritra ny hoe "Tiorka" toy izao: "Izay rehetra mifamatotra amin' ny fanjakana tiorka amin' ny alalan' ny fatoran' ny zom-pirenena." Raha tsy mitovy amin' ny famaritana ara-poko ny fampiasana ny teny hoe "Tiorka" amin' ny maha olom-pirenen' i Torkia azy, ny ankamaroan' ny mponin' i Torkia (tombanana eo amin' ny 70 ka hatramin' ny 75 %) dia avy amin' ny vondrom-poko tiorka. Ny ankamaroan' ny Tiorka dia Mozilmana ary manaraka ny finoana silamo sonita sy ny finoana alevy.

Kolontsaina

Fiteny tiorka

Ny fiteny tiorka dia fiteny tenenina ao amin' ny Repoblikan' i Torkia, any Kipra, any Bolgaria, any Grisy ary any amin' ny firenena hafa tao amin' ny Empira Ôtômana taloha, ary koa fiteny fampiasan' ny mpifindra monina an-tapitrisany ao Eorôpa. Anisan' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika izay ao amin' ny fianakaviamben' ny fiteny altaîka ny fiteny tiorka.

Nosoratana tamin' ny abidy arabo ny fiteny tiorka nandritra ny arivo taona mahery (900-1928). Tamin' ny 1928 dia nosoloin' i Mustafa Kemal Atatürk ho abidy latina ny abidy anoratana azy. Noheverin' ny governemanta tiorka fa ilaina izany fiovana izany mba hampitomboana ny tahan' ny olona mahay mamaky teny sy manoratra, satria noheverina fa sarotra ianarana ny abidy arabo tamin' izany fotoana izany. Nitombo be tokoa ny tahan' ny olona mahay mamaky sy manoratra taorian' ny fanovana, avy any amin' ny 20 % izy dia lasa nitombo ho amin' ny 90 %.

Jereo koa

Tags:

Empira ÔtômànaFiteny tiorkaSipra AvaratraTorkiaTorkika (vahoaka)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Baiboly katôlikaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara40Volana (fotoana)Fokon' i IsraelyFiteny bretona83Aotrisy194579Sandam-bolaKristianinaJean JavalAndriamanitra (finoan-drazana malagasy)Saint-Julien-en-Saint-AlbanMarcel Albers14Tromba9RanoSatanaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraQFivavahanaKolontsaina malagasyAdijadyAntefasyDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)20InjenieraSakafo malagasyRindrankajy fampiharanaTorkia1952AlikaEtazoniaAlakaosy18701826Baiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraEskatôlôjiaFanoharana ny amin' ny voan-tsiparifaryAntemoroTabernakelyMasoandroKolontsainaFitsarana faranyRaki-pahalalana1959SerbiaFiangonana fiton' ny ApôkalipsyAntesakaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)HBoky1867Kei KumaiPapoazia-Ginea-VaovaoAterinetoManhasset Hills, New York1940VoanihoBizouFiteny tigriniaUtah1813XSombin-tantara2007185481MahafalyLisitry ny gazety ao MadagasikaraFamadihanaSakamalao1920🡆 More