I Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India ary any atsimon' i Sina.
Ireo firenena izay lazaina fa ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Myanmara, Tailandy, Malaizia, Indônezia, Filipina, Vietnamy, Laôsa, Broney Darosalama ary Kambôdia. Ao amin' i Azia Atsimo-Atsinanana ihany koa i Singapaoro, na dia tsindraindray izy voasokajy ho firenena aziatika tatsinanana, noho ny kolontsainy izay anjakan' ny kolontsaina sinoa.
Ny velarantany manontolon' i Azia Atsimo-Atsinanana dia eo amin' ny 4 000 000 km2. Ny isan' ny mponiny dia 593 000 000. Iray ampahaenin' ny mponina ao Azia Atsimo-Atsinanana no miaina ao amin' ny nosy Java, any Indônezia, izay nosy manana hakitroky ny mponina avo indrindra eto an-tany.
Sinoa telopolo tapitrisa ihany koa no miaina ao Azia Atsimo-Atsinanana, indrindraindrindra any Indônezia, any Malaizia, any Singaporo ary any Vietnamy.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Azia Atsimo-Atsinanana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.