Fiteny Serba

Ny fiteny serba na fiteny serbiana dia iray amin' ireo karazana fiteny fenitra ampiasain' ny Serba (na Serbiana) ao amin' ireo fiteny serbô-krôatiana na serbô-krôaty ao amin' ny vondrom-piteny slava.

Ireo fiteny ataon' ny mpahay teny sasany hoe fiteny serbô-krôaty na serbô-krôatiana, dia ataon' ny hafa hoe "fiteny slava afovoany-atsinanana" na "fiteny stôkaviana" (štokavski jezik) na "fiteny stôkaviana vaovao" (standardni novoštokavski) na "fiteny bôsniana-krôatiana-môntenegriana-serbiana". Atao hoe српски (amin' ny abidy sirilika) na srpski (amin' ny abidy latina) izay tononina hoe /sr̩̂pskiː/) io fiteny io amin' ny teny serba.

Amin' ny fomba fijerin' ny manampahaizana mampifandray ny fiteny sy ny fiarahamonina dia fiteny voafenitra iraisan' ny Serba sy ny Krôatiana sy ny Bôsniaka ary ny Môntenegriana ny fiteny serba, ka ny fototra dia ny endri-piteny (fitenim-paritra) stôkaviana, ary fanovan' io fiteny io ny fiteny krôatiana sy ny fiteny bôsniana ary ny fiteny môntenegriana. Soratana amin' ny abidy sirilika sy amin' ny abidy latina ny fiteny serba.

Tsy ny vahoaka serba ao Serbia ihany no mampiasa ny fiteny serba fa ao koa ireo vondrom-piarahamonin' ny vitsy anisa any amin' ny firenena manakaiky amin' i Serbia, sy ireo Serba nifindra monina nankany Eorôpa Andrefana sy any Amerika Avaratra ary any Aostralia.

Iray amin' ny fiteny ôfisialy telon' i Bôsnia-Herzegôvina ary fiteny ôfisialy koa ao Môntenegrô ny fiteny serba. Fitenin' ny vitsy anisa ny fiteny serba ao Krôatia, ao Makedônia Avaratra, ao Romania, ao Hongaria, ao Slôvakia ary ao amin' ny Repoblika Tseka.

Jereo koa

Tags:

Fiteny serbô-krôatianaFiteny slava

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

San FranciscoAlahadyRanomasimbe PasifikaFirenena MikambanaSadoseoSiansa ara-tsôsialyAndriamanitra (finoan-drazana malagasy)Kônsily ekiomenikaRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)122020Fifohazana (kristianisma malagasy)PVy7437Jean JavalAndriana1845Faingo mihantonaY39OsloBaiboly amin' ny teny malagasyPapoazia-Ginea-VaovaoAnjara asa (fitsipiteny)Olombelona26Eglizy katôlika rômanina1984FrizonAdimizana1743ToekarenaBezanozanoSombin-tantaraDistrikan'i Befotaka AtsimoTsimparifaryTantaran'i SozanaWikiHaranita-tsaina voatrolombelona185319561891NioeFanalan-jaza1916182468FaritanyJodaismaApôstôly roa ambin' ny foloFianakavia-mpanjaka lagidaMadagasikaraRSS187896Italia195429Mpaminany lehibeFiteny siriaka1854Fiainana mandrakizayAsorotany28Tetiandro malagasy58VintanaAdy Lehibe FaharoaFianakaviam-piteny51KristianinaRaki-pahalalana1862🡆 More