Kaokazy

I Kaokazy na Kaokazia na Kavkazy na Kavkazia dia faritr' i Eorazia be tendrombohitra izay mitandavana eo amin' ny 1 200 km, avy any amin' ny andilan-dranomasin' i Kertch (Ranomasina Mainty) ka hatrany amin' ny saikanosin' i Apcheron (Ranomasina Kaspiana).

Kaokazy
Sarin-tanin' i Kaokazy maneho ny fikitoantoanana

Amin' ny teny rosiana dia atao hoe Кавказ / Kavkaz i Kaokazy, amin' ny teny jeorjiana dia atao hoe კავკასია / Kawkasia, amin' ny teny armeniana dia atao hoe Կովկաս / Kovkas, amin' ny teny azerbaijaney dia atao hoe Qafqaz, amin' ny teny torka dia atao hoe Kafkas, amin'ny teny persana dia atao hoe قفقاز‎ / Qafqāz.

Mizara roa i Kaokazy ka ny iray atao hoe Kaokazy Atsimo na Transkaokazia, izay mahafaoka an' i Jeorjia, i Armenia, i Azerbaijàna ary ny faritr' i Kars any Torkia, ny faharoa atao hoe Kaokazy Avaratra na Siskaokazia, izay ao Rosia (mahafaoka ny Repoblikan' i Karatsaievô-Tserkesia, ny Repoblikan' i Kabardinô-Balkaria, ny Repoblikan' i Ôsetia Avaratra, ny Repoblikan'i Ingosia, ny Repoblikan' i Tsetsenia ary ny Repoblikan' i Dagestàna). Amin' ny lafiny fitantanana dia mahafaoka ny Repoblikan' i Adigea sy ny Krain' i Stavrôpôly ary ny Krain' i Krasnôdara i Kaokazy Avaratra na Siskaokazia.

Ara-jeôgrafia, araka ny efa mahazatra dia heverina fa i Kaokazy no manasaraka an' i Eorôpa ao avaratra amin' i Azia ao atsimo, nefa ny jeôgrafian' i Jeôrjia sy ny an' i Armenia dia manao azy ho faritra eorôpeana ka mametraka ny sisin' i Eorôpa ao Araksa sy amin' ny sisin-tany tiorka. Raha heverina ho eorôpeana i Kaokazy dia izy no tangoron-tendrombohitra avo indrindra ao Eorôpa.

Jereo koa

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia

Fizaràm-paritra hafa ao Azia

Jereo koa

Tags:

Andilan-dranomasinaEoraziaRanomasina KaspianaRanomasina MaintySaikanosy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fameno (fitsipiteny)Fanjakan' ImerinaPentateokaRSSZavonaSola ScripturaKijanaFivarotana andevoKailua, Honolulu County, HawaiiHypertext Markup LanguageLongueville, Pas-de-CalaisMaqbool Fida HusainAdizaoza1790Epistily ho an' ny Kôlôsiana901CulètreKalandrie litorjika katôlika rômaninaLe RenouardYann Arthus-BertrandSolesmes, NordZanak' Andriamanitra (kristianisma)Elon MuskISO 3166-1WikibolanaMaorisy200918151637Bokin' i EsteraTanàn-dehibeABokin' i JeoEtiôpiaAndriamanitra ZanakaPapoa (vahoaka)2021Kanaana (faritra)TanalaFiraisan' ny Skotisma eto MadagasikaraBBCAmbodimotso-Atsimo1615Fiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraAlahamadyApôstôly roa ambin' ny foloBrisbaneAbdellatif FellainiFady (malagasy)Abrahama (patriarka)NobiaFoko eto MadagasikaraZezikaAsan'ny fiangonanaIssy-les-MoulineauxFanahy (kolontsaina malagasy)VoalobokaSvante August Arrhenius799Sant Joan DespíEdward James HarlandBob MathiasKnut HartwigEtonaAppleMôngôliaLa Réunion2014SeiselyAmbohimandroso🡆 More